Filtrer les éléments par date : mardi, 05 novembre 2019

Vavaka ! Izay no nisantaran’ny kandida Rina Randriamasinoro ny fotoana mialoha ny tena hirosoana amin’ny tena fampielezankevitra amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Publié dans A la Une

Araka ny Didy hitsivolana (Décret) laharana 2019-1540, ny 2019-1541 nivoaka ny 14 aogositra 2019, ho fampiharana ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny lalàna mifehy ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, dia antsoina ny mpifidy rehetra voasoratra anarana ho tonga hifidy Ben'ny tanàna sy Filankevitrin'ny Tanàna, ny alarobia 27 novambra 2019 manomboka amin'ny 06ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Ireo efa tonga nilahatra talohan'io ora io dia vitaina ny fifidianana na amin'ny firy na amin'ny firy, vao manomboka ny fanisam-bato.

Ny lisitry ny mpifidy nikatona tamin'ny 15 mey 2019 no ampiasaina amin'ireo fifidianana roa samihafa ireo, fa atao indray andro ihany.

Ny karam-pifidianana nampiasaina teo aloha ihany no ampiasaina.

Publié dans Politique

Andry Rajoelina a participé à la 18ème conférence générale de l'ONUDI à Abu Dhabi rapporte le communiqué émanant de la Direction de la Communication et des Relations Publiques en date du 03 novembre 2019.

Et de continuer que « le Président Andry Rajoelina, était le principal orateur, et invité d'honneur, lors de la cérémonie d'ouverture de cette conférence générale ce 03 novembre 2019 à l’Emirates Palace Hôtel, Abu Dhabi ».

Une autre source nous indique que Andry Rajoelina est resté deux jours à Dubai avant d’aller à Abou Dabi. Là, aucune information n'a été donnée concernant son séjour dans cette ville des Émirats arabes unis, réputée pour son shopping de luxe, son architecture ultramoderne et sa vie nocturne animée.

 

Publié dans Politique

Ny Ray aman-dreniko dia niezaka nampianatra anay zanany, vita ny Bac, dia nahatsiaro aho fa anjarako ny manohy fa efa betsaka ny vitan'ny Ray amandreniko. Tsy zanak'olona sahirana aho, nefa koa tsy zanak'olona manan-karena, satria ny raiko dia nitana toerana ambony hatrany, ary nianatra koa izy. Sady mpampianatra teny amin'ny Oniversité, no nitana andraikitra ambony hatrany.

Betsaka, ary hitan'ny masoko, olona mitondra vola amin'ny gony omena azy, fa nolaviny, nefa dia ataony izay anampiana ilay olona. Tompon'andraikitra ambony tamin'ny resaka trano izy, milahatra ny olona ao aminay mangataka trano aminy, dia mahazo, nefa izahay mbola nanofa trano, izy tsy naka na trano iray aza.

Niteny anay hatrany izy, mitadiava vola amin'ny herinareo sy fahaizanareo fa aza mangalatra, aza manao risoriso na kolikoly.

Publié dans Editorial

Trano fonenana 280 000 no hofendrahana odimoka any amin’ny distrika dimy tena ianjadian’ny aretina amin'ity taona ity dia Ihosy, Sakaraha, Betioky, Ampanihy ary Toliary-II. Ahafahana miaro olona maherin'ny 1,3 tapitrisa amin'ny tazomoka izany hetsika izany.

Ny fanjakana amerikana no mamatsy vola ny hetsika, amin'ny alàlan'ny Tetikasan’ny Filoha Iadiana amin’ny Tazomoka (PMI), ary ny tetikasa PMI-VECTORLINK no manatanteraka ny asa miaraka amin’ny Fandaharanasa Nasionaly Miady amin’ny Tazomoka (PNLP).

Distrika telo: Ihosy, Betioky, Ampanihy, izay tena ianjadian’ny tazomoka eto Madagasikara, no misitraka izao hetsika famendrahana odimoka izao, amin’izao fanombohana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Talata 5 novambra amin’ny 6 ora maraina ka mifarana ny 25 novambra amin’ny 12 ora alina ny fotoan’ny fampielezankevitra ho an’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna. Voarara ny fanaovana fampielezan-kevitra ankoatra ireo fotoana ireo, hoy ny CENI.

Fahanginana ara-pifidianana ny talata 26 novambra 2019. Tsy misy fampielezankevitra azo atao intsony ary voarara ny fivarotana sy fividianana zava-pisotro mahamamo.

Ny 27 novambra 2019 no androm-pifidianana Ben’ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna, vata fandatsaham-bato roa samihafa no ampiasaina, tsy voatery hitovy ny laharana entin'ny Ben'ny tanàna sy ny Mpanolontsain’ny tanàna izay iray dia aminy, fa niankina tamin'ny fisarihana laharana natao ihany.

 

Publié dans Tselatra

5 novembre: Journée mondiale de sensibilisation aux tsunamis.

 

Publié dans Fil info

5 novembre: Journée mondiale de la langue Romani.

 

Publié dans Fil info