Filtrer les éléments par date : mardi, 19 novembre 2019

19 novambra, Andro manerantany amin'ny fampiasana kabone. Tetsy Anatihazo Isotry – Antananarivo no nanaovana ny fankalazana ofisialy ho an’i Madagasikara, sady nanentanana ireo mponina manodidina ny lakandranon’Andriantany amin’ny fahadiovana, indrindra ny fananana kabone.

Nanambara ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran’ny Angovo, ny Rano ary Ankoranafo, Rakotoarisoa Indriamanga fa « Manodidina ny 42% ny mponina eto Madagasikara no mbola tsy mampiasa kabone, na lavapiringa na WC amin’izao fotoana izao ».

Nandritra ity fotoana ity no nampatsiahivana sy nanentanana ny tsirairay avy ny tokony hananana kabone isan-tokatrano, satria dia zava- dehibe ny fitandrovana ny fahadiovana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

10 000 Ariary ny litatry ny lasantsy eto Ambovombe, 8 000 Ariary ao Tsihombe tamin’ity androany ity.

 

Publié dans Tselatra

6 noho 2, io no isa nisarahan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny « Mena » an’i Niger io hariva io tao amin’ny kianja Général Seyni Kountché ao Niamey renivohitr’i Niger.

Ny ekipan’i François Zahoui no nanokatra ny isa voalohany, avy eo nosahalain’i Bôlida minitra vitsy monja taorian’izay, ary dia nanao ranolava ny isa azon’i Madagasikara. Namono baolina faharoa i Bôlida, nampian’i Abel Anicet (penalty) sy Andrea Carolus. Nitarika 4 noho 1 teo ampialan-tsasatra. Mbola namono baolina roa ny Malagasy tamin’ny fidirana faharoa, baolina matin’i Voavy Paulin sy Jérémie Morel.

Nivoaka mpandresy ny Malagasy. Sambany teo amin’ny tarantaran’ny baolina kitra Malagasy no nandresy tany an-tanin’olona tamin’ny elanelan’isa lehibe toy ity androany ity ny ekipam-pirenena Malagasy.

Publié dans Sport

Vita omaly ny fifanarahana teo amin’i Andriatsima Faneva Ima, kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra teo aloha sy ny Jovena, orinasa mpaninjara solika eto Madagasikara.

Mpitarika mahomby i Faneva Ima, loharanon’angovo nampientana ny Vahoaka Malagasy ary mamaritra ny soatoavin’ny orinasa Jovena ; izay no anisan’ny naharesy lahatra an’ity orinasa ity nifidy azy ho Ambasadaorony.

Ho hita amin’ireo toby mpaninjara sy amin’ireo serasera ataon’ny Jovena ny sarin’ity mpilalao baolina kitra malagasy ity.

 

Publié dans Sport
mardi, 19 novembre 2019 09:33

Andafiavaratra: Nankaiza i Raymond Ranjeva

Ny tsy tao anaty feuille de match indray izany no nilalao, fa ny andrarezina buteur ry Njeva tsy tao? Sa nahazo karatra mena, sa niala an-daharana sa natahotra mpaka sary?

Azavao kely hoe ry kapiteny Ntsay? Ary Tromlin koa toa tsy natao tanaty resaka, sa efa nilamina ny momba an'iny misy solika sy gaz marobe iny?

Ho any Paris aninona? Angaha mbola averina indray ny fitsarana nataon'ny ONU? Efa didy mivoaka, fampiharana didim-pitsarana sisa no atao, tian-kano, tsy tian-kano, any amin'ny ONU izy no mitaraina raha mbola tsy tapitra ny lalana, fa ny resaka zao dia oviana isika no andeha any hametraka ny sainam-pirenentsika, ka hilaza ny Filoha hoe " Eto dia Madagasikara".

Publié dans Politique

19 novembre: Journée internationale de l'homme.

 

Publié dans Fil info

19 novembre: Journée Mondiale des toilettes.

 

Publié dans Fil info

19 novembre: Journée mondiale pour la prévention des abus envers les enfants.

 

Publié dans Fil info

Nanomboka nandavaka ity toeram-pitsangantsanganana malaza eto Libanona Tolagnaro ireo mpiasan'ny orin'asa nanankinan'ny Telma andraikitra amin'ny fampidirana ny tambazotra internet na ny fibre optique.

Ahatairana ny an'ny maro satria dia toeram-pitsangantsanganana malaza i Libanona, ary ny mampiavaka azy, dia manana itony antsoina hoe "barrage corallien" izy, izay barazy natoraly manakana ireo biby, toy ny atsantsa, tsy hiditra ety amin'ny faritra marivo filomanosan'ny olona.

Tsy malaina fampandrosoana sy ny hisian'ny internet aingam-pandeha izahay hoy ny mponina, fa tokony toeran-kafa no ampidirana izany, 5500km ny sisin-dranomasin'ny Madagasikara hoy izy ireo, ka nahoana no potehina ny toeram-pitsangantsanganana malaza maneran-tany?

Eo ihany koa ny tahotry ny mponina amin'ny herinaratra na ny "radiation" mety ho entin'izao fotodrafitrasa izao.

Publié dans Editorial