Filtrer les éléments par date : lundi, 07 octobre 2019

Tanterahina anio eto an-drenivohitr’i Boeny ny fivoriamben’ny Sendikan’ny Administratera sivily (SYNAD). Mpandray anjara any amin’ny 200 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no andrasana eto Mahajanga, na ireo amperinasa na ireo efa misotro ronono.

 

Publié dans Tselatra

Manodidina ny 50 eo ny fitoriana voarain’ny Polisy misahana ny Cybercriminalité hatramin’ny fiandohan’ity taona ity. Amin’ny ankapobeny dia fisandohana kaontin’olona mba hitakiana vola, fisolokiana amin’ny varotra ifanaovana amin’ny Facebook ny ankamaroan’ny fitoriana, hoy ny tompon'andraikitra misahana ity Cybercriminalité eo anivon’ny Polisim-pirenena ity.

 

Publié dans Vaovao

Hisy ny fanadinana bakalorea «deuxième session exceptionnelle» ho an’ny bakalorea ankapobeny, araka ny fanambarana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana nataony tamin’ny haino aman-jery ny harivan’ny alahady 06 oktobra 2019.

Namoaka tetiandro ny ministeran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana ara-tsiansa taorian’io, fa ny sabotsy 19 oktobra 2019 no heverina hamoahana ny valim-panadinana, ary ny 23 ka hatramin’ny 26 oktobra 2019 no hanaovana io «deuxième session exceptionnelle» io. Ireo mpiadina rehetra izay tsy nahomby tamin’ny fanadinana voalohany dia afaka miatrika io fanadinana io avokoa.

Nampitomboana isa ireo mpitsara ny taratasim-panadinana mba hanatanterahana io tetiandro io.

Nametraka ny “cellule de crise” ny ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho fanaraha-maso akaiky ny fizotry ny fitsarana ny fanadinana.

 

Publié dans Tselatra

7 octobre: Journée mondiale d'action pour le travail décent.

 

Publié dans Fil info
lundi, 07 octobre 2019 07:54

7 octobre: Journée Mondiale de l'habitat

7 octobre: Journée Mondiale de l'habitat.

 

Publié dans Fil info

7 octobre: Journée mondiale de l'architecture.

 

Publié dans Fil info
Page 2 sur 2