Filtrer les éléments par date : samedi, 05 octobre 2019

Natao androany ny fitondrana ireo olona 7 voarohirohy tamin'ny famoahana mialoha ny laza adina Bakalorea, sy ny fanaparitahana izany. Notanan'ny fitsarana Arivonimamo, ary nidoboka am-ponja vonjy maika ny 4 tamin'izy ireo, ny Proviseur lycée Imerintsiatosika sady lefitry ny foibem-panadinana ao an-toerana; ny mpiadina roa (02) tao amin'ny Centre Maria Manampy Andohalo série D ary ny mpiadina iray tao amin'ny centre collège Saint Michel série D.

Tany Fianarantsoa kosa dia mbola tsy tontosa ny fanaterana ireo 17, izay voarohirohy amin'izao raharaha izao, eny anivon'ny fitsarana.

Manohy ny sava hao eny Anosy Avaratra, toerana fisitahan'ireo mpanao laza adina kosa ireo mpanao fanadihadiana ankehitriny, miaraka amin'ny taratasy fazahoan-dalana nomen'ny fitsarana. Raha ny masotsivana voalohany, dia niainga avy tao ny nipoiran'ny fivoahan'ny laza adina talohan'ny fotoana.

Mirindra miaraka amin'ireo tompon'andraikitra ny fanadihadiana ka tsy manakorontana ny tohin'ny fanomanana ny fanadinana.

 

Publié dans Tselatra

Nanantona ireo tompon-tany ny minisitry ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo, io tolakandron'ny sabotsy 05 oktobra io, nifampiraharaha tamin'ireo tompon'ny tany, izay nisy ampahany nalaina hidirana ao amin'ny tanin'ny ASECNA izay hanamboarana ny building Mahajanga, tetikasan'ny Filoham-pirenena.

Torak'izay ihany koa ny ampahan-tany ao ambadiky ny Gymnase, izay anitarana ny kianja mitafo ankehitriny.

Natao ny taratasy, ary dia hiakatra any Antananarivo ireto tompon-tany amaranana ny fifanarahana, ny préfet dia mbola ampivory ireo tompon-tany ireo amin'ny alatsinainy 07 oktobra ao amin'ny Gymnase Mahajanga.

Tsy mbola voafaritra mazava aloha hatreto ny vidin'ny tany honerana, fa efa samy manaiky ny roa tonta ny hifanaraka amin'ny akan'ny fanjakana ny tanin'izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Nanaitra ny mponin'Analamandrorofo-Sambava tamin'ny toromaso ny fipoahan-javatra mafy io maraina io, tokony tamin'ny 3 ora. Fiara kely marika « Hyundai Getz » iray no saika hamantana tany an-tranon’olona raha tsy nidona tamin'ny vody vato.

Tsy misy ny aina nafoy fa naratra ireo olona roa tao anatiny, ka nifamonjena nentina any amin’ny hopitaly.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Voarafitra ny taom-pianarana 2019-2020 sy ireo datin’ny fanadinana ara-panjakana, sahanin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak'Asa.

Hizara telovolana telo ny taom-pianarana:

- Hiditra an-tsekoly ny mpianatra manomboka 28 oktobra ka hatramin’ny 20 desambra, haharetan’ny telovolana voalohany. 21 desambra 2019 ka hatramin’ny 5 janoary 2020 ny fialantsasatry ny Noely.

- Hiditra ny 6 janoary ka hatramin’ny 8 aprily 2020 ny telovolana faharoa, izay ho elanelanin’ny « Andron’ny sekoly » ny 26, 27 ary 28 febroary 2020.

- Ny 20 aprily ka hatramin’ny 30 jona 2020 ny telovolana fahatelo, izay ho elanelanin’ny Fetim-pirenena, fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena, ny 26 jona 2020.

Hanomboka ny 1 jolay 2020 ny fialantsasatra lehibe.

Hotanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny 7 jolay 2020 ny fanadinana CEPE. Ny 20 ka hatramin’ny 24 jolay 2020 ny BEPC.

 

Publié dans Vaovao

Havaozina ny kianja mitafo teo aloha eo amin’ny Stade Rabemananjara, izay niorina tamin’ny taona 1958. « Gymnase multisport » lehibe manara-penitra hahazaka olona 4 000 no hamboarina hanolona azy, ho fitsinjovana ny tanora sy ireo mpitia fanatanjahantena. Afaka handray lalao iraisam-pirenena ny fotodrafitrasa vaovao aorian’ny fahavitany.

Natomboka ny zoma 4 oktobra 2019 ny asa fanamboarana.
Tonga nanomboka izany asa izany ny Filoha Andry Rajoelina sy ny minisitry ny tanora sy ny fanantanjahantena Tinoka Roberto, ary ireo tompon'andraikitra isan-tokony, na ny avy eto Mahajanga, na ireo avy any Antananarivo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Hotanterahana eto Toamasina ny 14 ka hatramin’ny 20 oktobra 2019 ny Lalao nasionaly amin’ny fanatanjahantena an-tsekoly. Eo amin'ny 2 000 mahery ireo mpandray anjara, izay avy amin’ny sekoly miisa 130 manerana ny Faritra 22, andrasana eto an-drenivohitry ny Faritra Atsinanana amin’izany.

Atletisma, baolina kitra, « basket-ball », « hand-ball » sy « volley-ball » ary « cross country », ireo no taranja hifaninanana mandritra izany.

Miara-mikarakara azy ity ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-tekinika sy arak’asa, sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena.

Tanjona ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena an-tsekoly sy fanomezan-danja ny kolontsaina isam-paritra. Natao ihany koa hitiliana sy hitarafana sahady ireo mpilalao mendrika sy tokony hotrandrahana ho lasa mpilalao nasionaly.

 

Publié dans Sport
samedi, 05 octobre 2019 11:20

Mahajanga: Hisitraka sekoly manarapenitra

Hisitraka sekoly manarapenitra ny mponina ao Amborovy - Mahajanga. Tetikasa tafiditra ao anatin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana eto Madagasikara.

« Fotoana izao hamadihana ho asa ireo velirano natao tamin’ny vahoaka », hoy ny filoha Andry Rajoelina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Natomboka ny 4 oktobra 2019 ny tetikasa fanorenana trano fonenana eo Amborovy Mahajanga. Hisy trano avo ahitana rihana 4 miisa 10 haorina amina velaran-tany 1Ha, ary hisy koa trano mora 30 isa, araka ny fampahafantarana nataon’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina nandritra ny fisantarana ny asa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Tantsaha miisa telo alina no mivelona sy misehatra ao anatin’ny famokarana paraky eto Madagasikara, miara-miasa amin’ny OFMATA (Office Malgache des Tabacs ). Ambalavao no faritra mpamokatra paraky voalohany, ary mahatratra 2 000 taonina isan-taona eo ho eo ny vokatra eto Madagasikara.

Orinasam-panjakana eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono ny OFMATA. 50 taona nisiana ny orinasa, manana ny foiben-toerany etsy Antanimena - Antananarivo. Mampidi-bola manodidina ny 300 miliara Ariary isan-taona ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny OFMATA. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie
samedi, 05 octobre 2019 10:48

05 octobre

Journée Mondiale des enseignantes et des enseignants.

 

Publié dans Fil info