Filtrer les éléments par date : dimanche, 13 octobre 2019

Hanamarika ny andron’ny alatsinainy 14 oktobra 2019 ny fametrahana ny Governora vaovao n'ny Faritra Sofia, Kolonely Lylison René de Rolland. Nosafidiny ny hametrahana azy amin’io 14 oktobra io noho io daty manan-tantara eto amin'ny firenena, nanambarana ny fijoroan'ny Repoblikan'i Madagasikara teny amin'ny efitrano filanonan'ny lycée Galliéni - Antananarivo.

Hatao eo amin’ny « Rond point Philibert Tsiranana » Antsohihy ny lanonana, sady ho fanomezam-boninahitra an’i Philibert Tsiranana, filohan'ny Repoblika teo aloha, sady Rain'ny fahaleovantena.

Publié dans Vaovao

Mizaka ny olana amin’ny famatsian-drano ihany koa ireo orinasa afakaba (Zone Franche) eto an-drenivohitra, indrindra ireo miasa amin’ny sehatry ny « textile », mamokatra akanjo. Fotoana mahabetsaka ny kaomandy izao, ary nampiditra mpiasa ny ankamaroan’ireo « Zone Franche » hanenjehana izany ara-potoana.

Voatery matsaka eny anan-drenirano ny « Zone Franche » sasany amin’ny fanatanterahana ny asa, ao koa ireo orinasa mamokatra jiro ho azy manokana noho ny halafosan’ny herinaratry ny Jirama, nefa matetika tapaka. Vao mitsidika anefa ity ny vanimpotoana maintany.

 
Publié dans Economie

Ny ampitson’ny haintrano goavana nitranga tao Bazary Be dia nirohotra nifanampy ny samy mpivarotra nanadio ny tsena, mba hahafan’izy ireo mandray ny mpanjifa sahady rahampitso alatsinainy 14 oktobra 2019.

Niisa 23 ireo toeram-pivarotana may kila hotohoto tamin’ity haintrano nitranga ny harivan’ny sabotsy 12 oktobra 2019 ity. Nanolotra fanitso 120 isa sy hazo niisa 276 ny BNGRC hanampiana ireo mpivarotra hananganan’izy ireo ny tsenany.

Akoson'aratra (court-circuit) tao amin’ny mpivarotra enta-madinika izay vao nahatonga menaka amin’ny jerikana maromaro, no tombanana fa nitarika ny firehetana ka niitatra tamin’ireo toeram-pivarotana nanodidina azy. An-jatony tapitrisa Ariary ny tomban’ny entana levon’ny afo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Roalahy, mpianaka, nitondra sarety haka kitay tao analan'Ankaboka no notafihin'ny dahalo efatra nitondra basy telo ny marainan’ity alahady 13 oktobra 2019 ity. Nalain'ireo dahalo ny ombin-tsarety roa ary nataony takalon'aina izy mianaka.

Roso avy hatrany sady nanaradia no niantso vonjy tamin'ny Zandary ny Fokonolona vantany vao naheno izany. Sendra ny Zandary notarihin'ny komandin'ny tobi-paritry ny Zandarimaria Sakaraha nanao fisafoana teny Andranomaintso Sakaraha amin'ny RN7 izy ireo.

Publié dans Vaovao

Horaiketin’ny tantara ny zava-bitan’ilay atleta teratany kenyana Eliud Kipchoge. Izy no olombelona voalohany nahavita ny hazakazaka lavitrezaka 42,195 km latsaky ny adin’ny roa ora.

1 ora 59 min 40 s no nahavitany io halaviran-dalana io, omaly sabotsy 12 oktobra 2019, tany Vienne renivohitr’i Autriche.

34 taona izao i Eliud Kipchoge. Izy no tompondaka olimpika farany, ary tompon’ny zava-bita tsara indrindra manerantany amin’io taranja atletisma hazakazaka lavitrezaka io, vitany tao anatin’ny 2 ora 1 min 39 tany Berlin Alemaina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Miomana handray ny « Festival Jerijery » ny tanànan’i Vavatenina. Andiany faha-17 ny amin’ity taona 2019 ity, izay hotontosaina ny 31 okotobra ka hatramin’ny 3 novambra 2019.

Hisy fifaninana vakodrazana sy dihy, « Miss Jerijery », fifaninanana ara-panatanjahantena toy ny baolina kitra, baskety, tsipy kanetibe ary koa adin’akoho.

Nahafantaran’ny olona bebe kokoa an’i Vavatenina ny « Festival Jerijery », nivoatra nanaraka an’izay koa ny fanorenana fotodrafitrasa fandraisam-bahiny.

Mpanakanto maro no hanafana ny fotoana, toa an-dry Vaiavy Chila, Mario, Ramilison Besigara, Zaza Kanto …

 

Publié dans Art et Culture

Randriantsoa Mong Wai Tune Serge Lucky no Governoran’i Menabe. Iray amin’ireo Governora miisa iraika ambin’ny folo notendrena nandritra ny filankevitry ny minisitra natao ny alarobia 25 septambra 2019 ity farany.

Ny alatsinainy 14 oktobra 2019 no hametrahana azy ofisialy ho Governoran’i Menabe. Hatao ao amin’ny « Salle d'oeuvre Catholique » ny lanonana mikasika izany, aorian’ny famindram-pahefana eo aminy sy ny lehiben’ny Faritra mpisolo toerana teto Menabe.

Tonga eto Morondava androany 13 oktobra 2019 ny solontenam-panjakana tarihin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto hanome voninahitra ny lanonana, hotronin'ny solombavam-bahoaka avy ato Menabe.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Hotanterahina eto Toamasina ny 14 ka hatramin’ny 20 oktobra 2019 ny fifaninanana nasionalin'ny fanatanjahantena an-tsekoly "Sport scolaire national" ho an'ity taona ity. 2 000 mahery ireo mpandray anjara, izay avy amin’ny sekoly miisa 130 manerana ny Faritra 22 amin’izany. Miisa 85 ny solotenan'ny Faritra Matsiatra Ambony ka mpifaninana ny 64 amin'ireo.

Nanolotra ny Fanevan'i Mahatsiatra Ambony ny mpitarika ity Delegasiona ity ny Governora ary nitso-drano am-bavaka azy ireo hitondra ny amboara.

Publié dans Sport

Voamboana 350 m3 no voafaritra fa hanamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana. Efa voatatitra eto Antananarivo ny ampahany amin' ireo voamboana saika haondrana an-tsokosoka ka nogiazana tany amin'ny faritra. Avy Mahajanga sy Toliara ireto hazo hanamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana ireto.

Tsy lany anamboarana ny Rovan'i Manjakamiadana avokoa izy ireo, ka hanaovana tolobidy ny hazo ambiny, ka hojerena manokana amin’izany ireo mpanao asa tanana.

Efa nazahoana alalana tamin'ny Fitsarana ny fampiasana ireto hazo ireto, araka ny fanazavan’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Georget Alexandre.

 

Publié dans Art et Culture

Nisokatra ofisialy ny sabotsy 12 oktobra 2019 eto Antsiranana ny ASIEF, na ny fifaninana ara-panatanjahantena natokana ho an'ny mpiasam-panjakana.

Efa nanomboka tamin'ny 8 oktobra 2019 ny fifanintsanana, ary amin'ny 19 oktobra 2019 ny famaranana ny lalao rehetra.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport
Page 1 sur 2