Filtrer les éléments par date : mardi, 01 octobre 2019

Tafajoro soamantsara ny Fiangonana Anglikana aty amin'ny zanabohitra Kaloara, 15 taona taorian'ny asa fitoriana filazantsara voalohany taty an-toerana. Vohitra iray anisany mamaritra ny Kaominina Imerimandroso i Kaloara, Distrikan’Ambatondrazaka.

« Vavolombelon’ny fisian'ny fiasan'Andriamanitra ny fitsanganana Fiangonana », hoy ny Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, izay Evekan'ny Diosesin'Antananarivo sady filohan'ny Foiben'ny Eklesia Episkopaly Malagasy.

Ny Evanjelisitra avy eo anivon'ny finoana Anglikana no namaky lay voalohany ny fitoriana Filazantsara taty an-toerana. Ankehitriny tafajoro ny fiangonana ary efa manomboka miha miroborobo izany asa fitoriana ny filazantsara izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Niendaka ny tafo, nidaboka ny andrin-jiro, tapaka ny hazo, niraradraraka ny havandra, simba ny trano, fiara… Namela takaitra taty Andramasina, Faritra Analamanga ny safotofoton’ny rivotra narahina orana sy havandra androany tolakandro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanamaloka ny fanadinana bakalôrea 2019 ity teto Moramanga ny fahafatesan’ny mpiadina miisa telo tamin’ireo tokony hiatrika fanadinana nanomboka omaly.

Tovovavy iray nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny fotoana niatrehany adina ara-panatanjahantena (EPS).

Ny kandida faharoa narary. Nentina notsaboina tany Antananarivo saingy tsy tana ny ainy.

Ny fahatelo maty noho ny lozam-pifamoivoizana tao Ambohitranjavidy tamin’ny lalam-pirenena faha-44 ny alahady 29 septambra firavan'ny Fiangonana atoandro, andro mialoha ny fanombohan’ny fanadinana bakalôrea.
Avy any ambanivohitry ny Kaominina Mandialaza ity kandida ity. Noheverin'ny fianakaviana ho sangany, izay sambany vao hisy hanala bakalôrea, dia nifarimbonan'izy rehetra ny fanohanana azy.

Publié dans Vaovao
mardi, 01 octobre 2019 19:19

Première pluie à Tana

Première pluie à Tana

(Voir Suite Photo)

Publié dans Fil info

1 308 hektara ny ny velaran-tany may tao amin’ny valanjavaboahary Ankarafantsika nanomboka ny 23 septambra 2019, araka ny tombana nataon’ny MNP (Madagascar National Park), ka ala ny 252 hektara tamin’io. Efa voafehy ny afo.

 

Publié dans Vaovao

Nandefa taratasy any amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, maka ny hevitry ny HCC ny amin’ny fanonganana (déchéance) Senatera. tamin’ny 27 septambra 2019 no ao amin’ny firatekan’ny HCC ny taratasy mahakasika izany.

 

 

Publié dans Tselatra

Namoaka tatitra ara-tarehimarika manodidina ny fifidianana solombavam-bahoaka notanterahina tamin’ny 27 mey 2019 ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) araka ireto hita amin’ny sary manaraka ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Manaitra fa ny Bajaj vao tonga androany dia efa lasa manao fitateram-bahoaka eto an-drenivohitry ny Faritra SAVA, na tsy mbola manana laharana na « immatriculation » aza.

Tao Vohémar no nalaza teo aloha ho manao toy izao, fa ankehitriny dia tonga eto Sambava ny « Tuc Tuc » tsy manana laharana nefa miasa.

Raha ny voasoratra ao amin’ny Kaominina dia zara raha misy 800 ny « Tuc Tuc » ara-dalana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Miala tsiny aminao manokana aho andriamatoa minisitry ny tontolo iainana, ekena ary tokony hiaro ny zava-boahary isika, ao anatin'izany ny olombelona, ny biby, ny zava-manan'aina sy ny ala, ny voninkazo ary zava-maniry maro samihafa, na an-tanety na an-dranomasina na an-dranomamy, eny an'abakabaka.

Madagasikara maitso no tanjona.

Efa nisavoritaka ny olona, ary hatramin'izao tamin'ilay noty navoakan'ny minisitera hoe tsy misy mahazo manapaka hazo intsony, ka na ireo mpanao planche sy saribao aza dia nifampitadiavana, taty aoriana, noferana indray hoe, ny palissandre, bois de rose ary bois d'eben indray sisa no tsy azo kasihina. Ny vahaolana aroso anoloana ny saribao anefa tsy matotra.

Somary taitra aho nahita anao faly ery nanondro ireo palissandre, hoe akarina Antananarivo anamboarana ny Rova, mody nampianao kely moa hoe, ho fandraisana anjaran'ny Menabe.

Publié dans Editorial

Mametraka vina hampiantrano mpizahatany vahiny manodidina ny 500 000 i Madagasikara amin’ny 2023.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2