Filtrer les éléments par date : mardi, 08 janvier 2019

Ambohidahy: Migadona i Andry Rajoelina mivady

Publié dans Tselatra

Ambohidahy: Efa tonga ny Filohan'ny Andrim-panjakana Antenimieram-pirenena sy  ny Antenimieran-doholona ary ny mpikambana ao amin'ny governemanta.

Publié dans Tselatra

Ambohidahy La HCC est fin prête pour la proclamation

 

 

Publié dans Fil info

Nitangorona ny olona teto an-drenivohitr’i Mandritsara, Faritra Sofia, androany raha nahita ity tranga ity. Veterinera no nantsoina nampiteraka ilay ombivavy rehefa hitan’ny tompony fa nanao sarotra.

Teraka ihany androany tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Omby sampona anefa no nivoaka tao, toy ny omby ny tapany ambany fa toa ireny alika vahiny avo karazana ireny kosa ny lohany.

Vao teraka moa ilay zanak’omby dia maty, salama kosa ny reniny.

Sambany niteraka ilay ombivavy hoy ny tompony.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

La préfecture d'Antananarivo a pris une disposition d'interdire toute circulation autour d'Ambohidahy, le temps de la proclamation du résultat de l'élection présidentielle cet après-midi. Seuls les invités et les journalistes pourront y accéder.

 

Publié dans Fil info

Araka ny Didim-pitondrana navoakan’ny prefen’Antananarivo dia tapaka avokoa ireo lalana manodidina ny HCC Ambohidahy, na ny miditra sy mivoaka ny « tunnel » avy Andohan’Analakely sy Ambohidahy, na ny avy any Antaninarenina, manomboka amin’ny 1ora ka mandram-pahavita ny lanonana ara-pitsarana amoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa anio tolakandro.

Ireo nahazo fanasana ihany no hahazo hampiasa ireo lalana miazo ny HCC Ambohidahy.

 

Publié dans Tselatra

Lasan’ireo olon-dratsy ny vola 1.600.000 Ariary sy finday lafo vidy maromaro, tao amin’ilay toerana fakana sy fandefasana vola amin’ny finday Ambodin’Isotry-Antananarivo androany maraina.

Nanapoaka basy in-telo ireo jiolahy saingy tsy nipoaka ny basy, nieren-doza ilay mpiandraikitra ilay « Cash Point ».

Tonga teny an-toerana ny Polisy. Efa dila ireo jiolahy. Bala efatra no hita teo amin’ny toerana nisian’ny fanafihana. Voalaza fa bala ratsy no nampiasain’ireo jiolahy ka izay no tsy nampipoaka azy.

 

Publié dans Tselatra

Nisy ny fampilazana taorian’ny fanapahan-kevitry ny mpitantana ny sekoly Saint Michel sy La Providence Amparibe-Antananarivo, fa tsy hisy fianarana anio talata tolakandro.

Misy ifandraisany amin’ny famoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa no voalaza fa antony, eo koa ny filaminana.

Tsy azo handehanana rahateo ireo lalana manodidina ny lapam-panjakana HCC eo Ambohidahy.

 

Publié dans Tselatra

Dibo-drano ny lalana aty Marivorahona amin’ny lalam-pirenena faha-6, mampitohy an’Ambilobe sy Antsiranana, noho ny rotsak’orana be loatra tety an-toerana ny faran’iny herinandro iny. "Transbordement" no nampitana ny olona sy entana na hiakatra na hiazo an'Antsiranana noho io fahatapahan'ny lalana io.

Efa am-perinasa ankehitriny ireo tekinisian’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Fotodrafitrasa hamerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana ety an-toerana.

Publié dans Tselatra

Anio Talata 8 janoary 2019, amin’ny 3 ora tolakandro, no hamoahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny voka-pifidianana ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notanterahina tamin’ny 19 desambra 2018.

 
Publié dans Tselatra
Page 3 sur 3