Filtrer les éléments par date : mardi, 22 janvier 2019

Vaky trano sa famingavingana finoana Kristianina, hatairana sy alahelo ny an'ny mpino Katolika mpivavaka ao amin'ny Chapelle Militaire raha nahita ireo fitaovana tao anaty Tabernakla niparitaka teo ambony kianja filalaovana basikety ao amin'ny Base Aéro-Navale Ivato-Antananarivo (BANI) ny marainan'ny alatsinainy 21 Janoary 2019.

Mifandimby mampiasa ny Chapelle Militaire ao amin'ny BANI, ny Protestanta ny maraindraina, anjaran'ny Katolika kosa ny atoandro.

Toerana saro-pady ny Toby miaramila ary tena hentitra ny fiarovana sy fidiran'ny olontsotra ny Faritra. Eo no mipetraka ny fanontanian'ny olona ny anton'izao fanaparitahan'ny fitaovan'ny Katolika tao amin'ny Chapelle izao.

 

Publié dans Vaovao

Olona 4 no mbola karohina tamin’ireo 18 nihotsahan’ny tany tetsy amin’ny Fokontany Tsimialonjafy, Boriborintany faha-4 Antananarivo, ny sabotsy hariva teo, nandritra ny ora-mikija tsy ankiato narahina varatra izay nahatonga ny loza.

Miisa 86 kosa ireo olona tsimanan-kialofana sy voatery nafindra toerana, ka napetraka etsy amin’ny INFP Mahamasina.

 

Publié dans Tselatra

Les députés issus du groupe de partis majoritaires à l’Assemblée Nationale, en l’occurrence le MAPAR, ont proposé le nom de Ntsay Christian Louis au poste de Premier Ministre conformément aux dispositions de l’article 54 de la Constitution de la Quatrième République,

Aussi, le Président de la République, Andry Nirina Rajoelina, a-t-il pris le décret n°2019-016 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Ntsay Louis Christian.

Cette reconduction du Premier Ministre s’explique par la logique de la continuation des chantiers des réformes qu’il a entamé, ainsi que par des critères de compétence, de droiture, de rigueur et de fermeté dans la gestion des affaires publiques.

 

Publié dans Fil info

Filankevitry ny minisitra manokana, notarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Nirina Rajoelina, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny alatsinainy 21 janoary 2019 no nanendrena:

- Ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramonjavelo Manambahoaka Valéry Fitzgerald ;
- Nanendrena ny Sekretera Jeneraly Lefitry ny Fiadidiana ny Repoblika, Andriamaholy Onjaniaina Dina (mamaky fanambarana amin'ny sary)
- Ary nanendrena ny Talen’ny Kabinetra Sivilin’ny Filohan’ny Repoblika, Delmotte Stéphanie.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

« Maneho ny fiaraha-miory sy mirary fiononana feno amin’ireo fianakaviana mana-manjo », ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, manoloana ny fihotsahan’ny tany teny amin’ny Fokontany Tsimialonjafy, Ampamarinana, ny alin’ny sabotsy 19 janoary 2019 lasa teo, izay namoizina ain’olona sy nisiana naratra ihany koa.

Mankahery azy ireo ihany koa, ny Filohan’ny Repoblika, noho izao voina mianjady izao, ary mirary fahasalamana haingana ho an’ireo mbola andalam-pitsaboana.

Publié dans Sociale

Olom-panjakana iray miasa ao an-drenivohitr’i Menabe no niharan’ity tranga ity rehefa nikatso tsy mandray antso sy tsy afaka anaovana antso ny findainy.

Tonga tany amin’ny « Shop » misy masoivohon’ilay orinasa lehibe misehatra amin’itony tambazotran-tserasera itony, ilay manampahefana nanao fitarainana rehefa « bloqué » ny nomeraon’ny findainy. Vahaolana naroson’ny tao ny hoe : manao « récupération » ka nomena « puce » vaovao.

Niverina tokoa ny nomeraon’ny findain’ilay manampahefana, saingy tsy nivy vola intsony tao anatiny amin’itony « mobile banking » itony.

Nametraka fitoriana izy. Nosokafana ny fanadihadiana. Vehivavy iray, miasa any amin’ny foiben’ilay orinasa lehibe misehatra amin’itony tambazotran-tserasera itony no voasambotra ary nentina aty Morondava, natolotra ny Fampanoavana androany.

Araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana dia tsy miasa irery fa miisa efatra ireto mpiasa ireto no mitsikombakomba maka ny volan’ny mpanjifan’ny orinasa iasany amin’itony « mobile banking » itony.

 

Publié dans Vaovao

Akory ny hatairan’ny mpino sy ny mponina tao amin'ny Kaominina Maroja, Distrikan’i Sambava momba ny tranga izay niseho ny alatsinainy 14 janoary lasa teo tamin'ny fito ora maraina.

Toy ny fanaony mahazatra dia mamangivangy ny mpifanila vodirindrina aminy ilay pasitera ka tamin'izany indrindra dia nitsofoka tamina tokantrano iray ka sendra ity ramatoa ity mitsotsotra eo ambony fandriana, noho izy vao avy namoy ny zanany teo ampiterahana.

Noheveriny fa hitondra fampaherezana azy ilay pasitera, kinanjo nanomboka nanao vazivazy zary tenany ary nanohy ny resany fa « tsy maintsy ataontsika fo eky raha ty androany na tiana na tsy tiana e ».

Nihevitra ilay vehivavy fa mbola sangisangy masina ihany no nataon’ny pasitera kanjo zavatra tena izy ary nanomboka nipetapetaka teny an-tehezany izy ka voatery nivoaka ny trano ary lasa nivantana tany amin'ny tranon'ny rafozam-baviny ilay ramatoa nitantara ny zava-nihatra taminy.

Publié dans Vaovao

Ora-mikija sy rivotra mifofofofo mandra-maraina androany no niainan’ny mponina teto an-drenivohitry ny faritra Boeny. Zakan'ny rano ny vato jiaby teny amin’ny Bord ary dia niparitaka amin’ny arabe.

Dibo-drano ireo faritra iva eto Mahajanga. Tsy mianatra ny mpianatra manerana ny DREN Boeny androany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mardi, 22 janvier 2019 10:09

DREN Boeny : Miato ny fampianarana anio

Noho ny rotsak'orana entin'ny andro ratsy, mitarika fiakaran'ny rano dia nanapa-kevitra ny DREN Boeny androany fa miato ny fampianarana manerana ny Faritra hisorohana ny loza.

 

Publié dans Tselatra