Filtrer les éléments par date : mercredi, 02 janvier 2019

Maro ireo EMMO no manala ilay écran géant 3 hampisehoana ny marina amin'ny halabato tamin'ny fifidianana, misy ihany koa ny manongotra sy mandrava ny estrade.

Ao kosa ireo manao hazalambo manenjika ireo vahoaka izay tsy mihemotra amin'ny grenady lakirimozenina.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 02 janvier 2019 12:29

13 mey: En direct radio 100.8 Fm

13 mey: En direct radio 100.8 Fm

Publié dans Tselatra

Niditra tsikelikely teo amin'ny parvis n'ny Hotêl de ville ireo vahoaka marobe tonga hitaky ny fahamarinan'ny fifidianana.

Tsy nisy akory réquisition na fampilazana fampitandremanana fa avy hatrany dia nidaroka tamin'ny grenady lakirimozenina ireto Emmo-reg.

Nanavotr'aina ireo olona marobe, voasakan'ny fefy anefa izy ireo, ka dia maro ireo olona tsy afaka teo, nirodana hatramin'ny fefy hanavotana aina.

Nisy ireo naratra, izay efa nentina eny amin'ny hopitaly.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Naparitaky ny mpitandro ny filaminana tamin’ny grenady mandatsa-dranomaso ireo olom-pirenena maro, milanja sainam-pirenena mihira fitiavan-tanindrazana, tonga ampilaminana mitaky ny hamoahana ny marina tamin’ny voka-pifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 19 desambra 2018.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hatramin'ny 11ora sy 40 dia mbola eny ivelan’ny « parvis » Lapan’ny Tanàna ireo mpitarika sy olom-pirenena tonga hiaro ny safidiny sy mitaky ny hamoahana ny marina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa.

Nametraka "écrans géants" roa eo amin'ny parvis ny mpikarakara ny hetsika, hamoahana ho hita ampahibemaso ny porofo manamarina fa nisy hosoka sy famadihana vokatra tamin'ny fifidianana notanterahina nanerana ny Nosy tamin'ny 19 desambra 2018.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Miditra amin’ny andro faharoa amin’ity alarobia 2 janoary 2019 ity ny hetsiky ny olom-pirenena mitaky ny « marina » tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa natao ny 19 desambra 2018.

Maro ny olona eny manodidina tamin’ny folo ora maraina, fotoana nifanomezan’ny mpitarika, saingy tsy mbola tafiditra noho fanakanana ataon’ny mpitandro ny filaminana, ireto farany izay miandry toromarika avy amin’ny Préfet de Police Antananarivo, jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian.

Publié dans Tselatra
mercredi, 02 janvier 2019 11:29

Kianja 13 mey: Raikitra ny grenade lachry

Kianja 13 mey: Raikitra ny grenade lachry

Publié dans Tselatra

Vao maraina dia ny mpitandro ny filaminana no nameno ny Kianja. Hatreto dia tsy mahomby ny fifampiraharahana ataon'ireo tompon'andraikitry ny hetsika sy ireo lehiben'ny Emmoreg eny an-toerana.

Ny prefet tsy hita, ary tsy azo an-telefonina.

Ireo mpitarika ny hetsika moa dia nikarakara écran géant anehoan'izy ireo ampahabemaso ireo karazana halabato hitan'izy ireo.

Milamina hatreto ireo vahoaka marobe mitaky ny marina momba ny fifidianana, miandry ny fandaminana, mitondra sy milanja sainam-pirenena.

 

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 02 janvier 2019 11:16

RN4 Ankazobe: Sprinter nivadika

Tra-doza io maraina io tamin’ny lalam-pirenena faha-4, teo amin'ny 8km tsy hidirana an’Ankazobe, ny fiara mpitatitra iray, Sprinter, mampitohy an’Antsiranana amin’Antananarivo. Mpandeha maro ny naratra, nisy iray maty tsy tra-drano.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2