Sambava: Zava-pisotro lany daty iray 4x4 saron'ny sampandraharan'ny varotra sy ny fanjifana
Voatery nosimbana teny Ampandrozonana ireo zava-pisotro lany daty izay saron'ireo tompon'andraikitra nandritra ny fidinan'izy ireo tamin'ny tranom-barotra maromaro teto Sambava.
Nisy bisky sy fanafody lany daty sarona ihany koa.
Miarahaba ny Filoha Andry Nirina Rajoelina
Tafapetraka amin'ny fomba ara-pitsarana manetriketrika androany ianao Andriamatoa Filoha.
Voaray ny hafatra rehetra napetrakao androany, singaniko manokana ny fanirianao hisian'ny firaisan-kinan'ny rehetra hampandrosoana ny Firenena, ny fanirianao ny ametrahana any aoriana ireo hevitra tsy nitovizana sy ireo ady sy fifanenjehana nisy tamin'ny rehetra.
Nomarihanao teo imason'izao tontolo izao ny nangatahanao hitsanganan'ny rehetra ary hifandray tanana mba hiaraka ampandroso ny firenena.
Na tsy teny Mahamasina aza aho, dia nitsangana sy niray fo tamin'ny Malagasy rehetra nifandray tanana taminao araky ny antsonao.
Tsy hanisy na kely aza fisalasalana aho raha tena hitana ny teninao ianao, fa faniriako efa ela ny hiraisan'ny Malagasy rehetra samy hanome izay kely fahaizany sy ny traik'efa ananany mba tena ho Vitatsika marina io.
Patrick
Governemanta: Nametram-pialana i Christian Ntsay
Nametram-pialana ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ny governemanta rehetra notarihany.
Neken'i Filoha Andry Nirina Rajoelina izany fametraham-pialana izany, ary notendreny hipetraka amin'ny toerana avokoa ny Praiminisitra sy ireo minisitra rehetra amita ny asa an-davan'andro mandram-pijoron'ny Governemanta vaovao.
Gouvernement: Christian Ntsay a déposé sa démission
Le Premier Ministre Christian Ntsay a déposé sa démission ainsi que son gouvernement.
Fianianana: Mamarana ny lanonana ety Mahamasina ny fifampiarabana
Mbola hifampitaona eny Iavoloha ireo izay nasaina manokana.
Hitohy ny tolakandro ety Mahamasina ny fety miaraka amin'ireo mpanankanto.
Fianianana: Manakatona ny Matso ireo sakelika mpanao vy very ny aina na Commando
Fianianana: Manatanteraka ny Matso ny solontena isaky ny Vondrontafika eo anivon'ny Foloalindahy
Fianianana: Manatanteraka ny Matso ny solontena isaky ny Vondrontafika eo anivon'ny Foloalindahy
(Jereo Sary Tohiny)
Fianianana: Misafo ny Andihan-tafika ny Filoham-pirenena, amin'ny maha Filoha faratampony ny Foloalindahy azy
Fianianana: Misafo ny Andihan-tafika ny Filoham-pirenena, amin'ny maha Filoha faratampony ny Foloalindahy azy
(Jereo Sary Tohiny)
Fianianana: Niangavy ny rehetra hitsangana ary hifandray tanana ny Filoha Andry Rajoelina ho mariky ny firaisan-kina amin'ny fampandrosoana ny Firenena
Fianianana: Niangavy ny rehetra hitsangana ary hifandray tanana ny Filoha Andry Rajoelina ho mariky ny firaisan-kina amin'ny fampandrosoana ny Firenena