Filtrer les éléments par date : vendredi, 18 janvier 2019

Natolotra ny Fitsarana ary nidoboka am-ponja vonjy maika ilay mpandrahara lavanila iray malaza aty amin'ny Faritra SAVA.

Nisy nitory ireo nanana trosa aman-tapitrisa taminy tao Antalaha ka taorian’izany dia nandeha ny fikarohana azy ka ny alatsinainy 14 janoary teo iny no voasambotra tany Antsiranana izy dia naterina teto Sambava ary natolotra ny Fitsarana tany Antalaha.

Nizara roa anefa ireo olona manana trosa aminy ka ny ampahany nangataka ny mba hanafahana azy sao sanatria raha misazy any izy dia tsy hahaverina ny vola intsony, fa ny ampahany indray tsy manaiky izany ka henja-droa ny tady.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 18 janvier 2019 15:13

Fianianana: Manomboka tonga ireo vahiny

Migadona eto Madagasikara ny Filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozi, nasaina amin'ny fianianan'i Filoha vaovao Andry Nirina Rajoelina, izao atao etsy Mahamasina rahampitso sabotsy 19 janoary 2019.

 

 

Publié dans Tselatra

Nandrasan'ny maro ilay fifanolorana ny lakilé nandritra ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny Filoha vaovao Andry Nirina Rajoelina teny Iavoloha, fa rehefa tonga nanoloana ilay lakilé, dia tsy nanolotra izany ny filoha teo aloha, asa na tsy nisy lamina momba izay, fa ny mpanao gazety dia efa tomefy tamin'ilay resaka hoe avereno aminy ny lakilé. Niaraka naka sary nanoloana teo ireo Filoha roa nifandimby.

Publié dans Tselatra

Hifarana amin'ity anio ity, rehefa naharitra hadimiana, ny hetsika fanaovam-baksiny faobe iadiana amin'ny kitrotro. Andiany voalohany ity, notanterahina tamina Distrika miisa 25.

 

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 18 janvier 2019 13:51

CPI: Laurent Gbagbo reste en prison

CPI: Laurent Gbagbo reste en prison

Publié dans Fil info

Bala 9 mm miisa enina, niaraka tamin'ny basy vita gasy roa, ary ny fanafody gasy, no indray saron’ny Zandary avy eo anivon'ny vondron-tobiparitra Moramanga, ny alin'ny 12 janoary 2019 tao amin'ny efitrano fisotroana iray teto Moramanga tampon-tanàna.

Fiaraha-miasan'ireo Zandary tamin'ny vahoaka eto Moramanga no nahatrarana ireo olon-dratsy izay efa niomana ny hanao fanafihana mitam-piadiana, ary efa nandraman’ireo jiolahy napoaka tao amin'ny Fokontany Ambohitranjavidy ny bala iray.

Efa eo andalam-pisam-borana ireo jiolahy iray tetika amin'izy ireo ny Zandary.

 

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 18 janvier 2019 13:40

Iavoloha: Passation de pouvoir

Ce matin, la passation de pouvoir entre le président sortant Hery Rajaonarimampianina et le nouveau Président Andry Nirina Rajoelina a été effectuée au Palais d'Etat d'Iavoloha, en présence du président par intérim Rivo Rakotovao.

Après la signature des documents administratifs, Andry Rajoelina a accompagné son prédécesseur Hery Rajaonarimampianina, qui a pris sa voiture.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info
vendredi, 18 janvier 2019 11:49

Iavoloha: Fifamindram-pahefanana

Tontosaina io maraina io eny Iavoloha ny fifamidram-pahefana eo amin'ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy Andry Nirina Rajoelina, Filoha vaovao, izay hatrehan'i Rivo Rakotovao, nandimby toerana vonjy maika.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 18 janvier 2019 09:06

Fitaterana: Andao indray hoe mba andeha TGV

Anisan'ny fitaterana niatombohan'ny teknolojia ny lamasinina.

Ilay Britanika Richard Trevithick tany amin'ny fiandohan'ny taonjato fa XVIII-XIX (1797 - 1799) no namorona ny lamasinina mandeha amin'ny herin'ny entona, raha i James Watt no nanjaka tokana tamin'ny lamasinina mandeha amin'ny kitay sy saribao.

Nampiasaina tamin'ny fitaterana ireo entana mavesatra sy fitrandrahana harena an-kibon'ny tany izy io (Exploitation minière). Ny antony dia tsotra, sady tsy mandany vola firy nefa mahazaka entana maro ny lamasinina.

Teo no nipoiran'ny teknolojia indostrialy rehetra, ny mécanisation, ny automatisme, eny lovaintsika amin'ny fampiasana fiarakodia, ordinateur sy robot ankehitriny avokoa izany.

Publié dans Editorial
vendredi, 18 janvier 2019 09:03

Fanomanana Fianianana

Nolokona ny trottoir ary nametahana saina teny amin'ny faritra Ambohidahy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2