Filtrer les éléments par date : mardi, 15 janvier 2019

Nandefa taratasy ho an'i Filoha vaovao Andry Nirina Rajoelina ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, nirary soa azy amin'ny andraikitra fanarenana goavana atao eto Madagasikara.

Nanamafy ny fiaraha-miasa misy eo amin'ny firenena roa tonta, izay nakamban'ny tantara ary mpifanolo-bodirindrina.

Tsy afaka anatrika ny fianianana amin'ny asabotsy 19 janoary kosa ny tenany, fa dia haniraka ny sekreteram-panjakana miadidy ny Europe sy ny raharaham-bahiny hisolo-tena azy amin'izany, ary manasa sahady ny Filoha malagasy ho any Paris anohizana ny dinika sy anomezana aingavao amin'ny fiaraha-miasa.

 

 

Publié dans Tselatra

Nanapa-kevitra ny Fitsarana ady heloka iraisam-pirenena (Cour pénale internationale), fa tsy ampy ny porofo anenjehana ny Filoha teo alohan'ny Côte d'Ivoire Laurent Gbagbo, sy ny minisitry ny tanora teo aloha, Blé Goudé. Mandidy avy hatrany ny amotsorana azy ireo ny fonja hitazomana azy any La Haye.

Raha tsiahivina, dia taorian'ny fifidianana ho filoham-pirenena tany Côte d'Ivoire, dia nifaninana tamin'ny fihodinana faharoa i Laurent Gbagbo sy Alassane Ouattara, praiminisitra ny desambra 2010. Nambaran'ny Komity mpikarakara ny fifidianana (mitovy amin'ny CENI) fa lany 54.10% i Alassane Ouattara, nefa rehefa namoaka didy ny Conseil Constitutionnel (Ohatran'ny HCC) dia i Laurent Gbagbo indray no lany tamin'ny isam-bato 51.45% rehefa nisy birao nofoanana.

Publié dans Politique

Araka ny andininy faha-2 amin’ny hevitry ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana laharana 01-HCC/AV tamin’ny 16 febroary 2018 dia tapitra amin’ny 5 febroary 2019 misasakalina ny fahefan’ny Antenimieram-pirenena sy ny asa niandraiketan’ireo solombavam-bahoaka voafidy tamin’ny 29 desambra 2013 mandrafitra azy.

Hatreto tsy mbola voafaritra ny datim-pifidianana solombavam-bahoaka, tsy mbola misy rahateo fiantsoana mpifidy, izay tsy maintsy atao farafahakeliny 90 andro mialoha ny latsabato.

 

Publié dans Tselatra

Vao mirotsaka ny orana dia sahirana amin’ny fivezivezena ny mponina ety Ilanivato-Boriboritany Faha-4 Antananarivo renivohitra, satria dia mandifotra ny arabe ny rano, vokatry ny fahatsentsenan’ny tatatra, fanorenena tsy manara-dalàna.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Efa-dahy mitam-basy no naka an-keriny an’ity karana, Indo-pakistanais, 42 taona ity ny alatsinainy 14 janoary tamin’ny fito ora hariva, teny amin’ny rue Colbert.

Nentin’ireo mpaka ankeriny tamin’ny fiara Renault Laguna hatramin’ny zanak’i Houssen Zavar sy ny mpamiliny. Nisy fiara Renault Clio miloko mena nanaraka avy ato aoriana.

Fotoana fohy taorian’ny fakana an-keriny dia najanon’ireo teny amin’ny rue François de Mahy ny zanak’i Houssen Zavar sy ilay mpamiliny, nanohy ny lalana niazo an’i Lazaret Avaratra kosa ireo mpaka ankeriny sy ilay karana.

Nametraka sakana amin’ireo sakeli-dalana mivoaka ny tanàna ny mpitandro ny filaminana vao nahazo fampandrenesana. Mitohy ny fikarohana.

 

Publié dans Tselatra

Rehefa nasaina hampanao conférence internationale tany Egypte aho, dia ny tahotra an'ireto arabo no nibahana tato antsaiko.

Nekeko ihany anefa ny andeha, satria Conférence sur la Paix en Afrique no resaka.

Rehefa andeha atsy Afrika, dia matetika mandalo ato Afrika atsimo na Kenya no lalana, tamin'izay mbola tsy nisy an'io vol Ethiopian airlines io.
Nahafinaritra ahy ny nandeha tato Afrika atsimo, mbola iverenantsika aoriana io, fa dia firenena anisan'ny mandroso mihitsy raha i Afrika atsimo.
Fa rehefa nanisy Visa i Afrika atsimo, dia i Kenya no mora aleha, satria ny azy mandoa timbre izay fotsiny dia efa tafiditra any aminy.

Hizotra ho any Egypte ary aho, niainga avy tatsy Afrika atsimo. Andeha ny compagnie Egypt Air. Tsara ny compagnie, na ny pilotage na ny fandraisana. Miteny angilisy ry zareo. Tsy misy miteny frantsay izany intsony vao miditra ny Afrique, afatsy ireo firenena zanatany teo aloha.
Mitehaka sy mahorakoraka ououuoou ny vehivavy, rehefa migadona ny fiaramanidina.
Alina izahay no tonga.

Publié dans Editorial