Filtrer les éléments par date : jeudi, 10 janvier 2019

Nivoaka ny valim-pifidianana ho filoham-pirenena, avy amin'ny CENI, any amin'ny Repoblika Demokratikan'ny Kongo, nivoaka mpandresy teo alohan'ny kandidam-panjakana i Félix Tshisekedi, anisan'ny antoko mpanohitra.

Tsy niandry ela dia efa sakoroka tany Kikwit, faritanin'ny Kwilu, manohitra izany vokam-pifidianana izany.
Nanenjana ireo polisy nanaparitaka ireo mpanao hetsika, ka dia lavo, maty ny roa, ary maro ireo naratra, misy ihany koa tobin'ny polisy vaky.

 

 

Publié dans Tselatra

Hijery ireo porofon’ny hosoka tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa, halefa amin’ny fafana lehibe (écran géant) no nahatongavan’izy fito lahy, toy ireo olona maro niazo ny Kianjan’ny 13 mey, araka ny fiantsoan’ny mpitarika ny fitakiana ny hamoahana ny marina tamin’iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa 2018 iny, hetsika niatomboka tamin’ny 29 novambra 2018.

Nosakanan’ny mpitandro ny filaminana ny fidirana io toerana malalaka manoloana ny Lapan’ny Tanàna io, ary niafara tamin’ny fisamborana izany.

Anisan’ireo voasambotra izy fito ireto tamin’ny sabotsy 5 janoary 2019. Notazomina amponja vonjimaika nanomboka tamin’ny alatsinainy 7 janoary izy ireo, dia izao hiakatra fitsarana anio izao.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2