Filtrer les éléments par date : lundi, 03 septembre 2018

Voatery nendahina avokoa fa nahazo tamin’ny faritra tsy azo hametahana afisy, hoy ny fanazavana. Tsy ananan-kavana ny lalàna, fa rehefa voarara dia esorina na zanaky ny faritra aza i Omer Beriziky.

Manao antso avo ny tokony hametrahana toerana voatokana hametraha ireny afisin’ny kandida filoham-pirenena miisa 36 ireny ny aty Sambava, raha ara-dalàna ny fanaovana azy ireny mialoha ny fampielezan-kevitra, satria efa saika ny toerana rehetra izao no ahitana azy ireny miparitaka ka mampimenomenona olona maro.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Omaly alahady maraina no nisehoan’ity haintrano ity teo Ambinanikely, Tolagnaro tampon-tanàna. Tamin’ny fotoana mbola tany am-piangonana ny olona no nitranga ny loza.

Trano miisa 8 no may, niaraka tamin'ireo entana maro lafo vidy tao anatiny, vao voafehy ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Tsy mbola fantatra hatreto ny tena fototry ny afo.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2