Filtrer les éléments par date : jeudi, 20 septembre 2018

Naharitra ny fakana am-bavany an' ireo mpiasan'ny Kaominina Sambava hatramin'io hariva io, tsy tratra androany io na dia niezaka aza ny avy amin'ny Fitsarana ka voatery hitohy rahampitso manomboka amin'ny fito ora maraina indray.

 

Publié dans Tselatra

Andro vitsy monja taorian'ny fanafihana kioska teo amin'ny bois sacré, nahaverezana vola 20 tapitrisa Ariary sy nahafatesana mpiambina iray, tra-tehaka ny talata 18 septambra teo izy roalahy, izay nandray anjara mivantana sy olona telo mianadahy hafa niray tsikombakomba.

Sarona niaraka tamin'izy ireo ny moto marika ABM, nentina nilefa rehefa avy nangalatra, sy moto iray hafa marika Kinlon, novidiana tamin'ny vola nangalarina, ambim-bola 2.900.000 Ariary, ary ity finday ity izay porofo tsy azo nialana an'ny kioska notafihina.

10 tapitrisa Ariary ny lelavola mivaingana lasan'ireo jiolahy tamin'io fanafihana niseho ny sabotsy 15 septambra io, ary 10 tapitrisa Ariary kosa tao anatin'ireo finday fandefasana sy fandraisana vola.

Publié dans Tselatra

Ny Benin’ny Tanàna, ny Sekretera jeneralin'ny Kaominina, ny Comptable, ary ny Percepteur miisa 03 ireo natolotra ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha androany maraina. Tamin’ny 8ora 15mn no niainga teto Sambava.

Publié dans A la Une
jeudi, 20 septembre 2018 09:10

Analavory-Itasy: Mamono ny pesta

Mpivady matin'ny pesta aretin-tratra.

 

Publié dans Tselatra