La Réunion Kely: Trano "sachets" miisa 14 no may
Ny alahady 16 septambra vao mangiran-dratsy no niseho ny haintrano. Fianakaviana miisa 56 no tsy manankialofana.
Nitarika ny solontenam-panjakana nitondra ny voatsirambin'ny tanana ho an'ireo traboina ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly Alahady.
Vola: Herintaona izao no nivoahan'ireo ravim-bola vaovao 1000Ar, 500Ar, 200Ar ary 100Ar
Herintaona aty aorian'ny nivoahan'ireo vola vaovao ireo, maro amin'ny Malagasy no tsy zatra ary misy mampifangaro, eny voafitaka amin'ny vola 5000Ar sy 500Ar noho ny lokon'izy ireo mitovitovy.
Tamin'ny 17 jolay 2017 no navoakan'ny Banky Foiben'i Madagasikara hanankery eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara ny ravim-bola vaovao 20.000Ar, 10.000Ar, 5.000Ar ary 2.000Ar. Ny nivoahan'ireo vola ireo no ela dia niparitaka koa ny vola sandoka vaovao.
Bakalorea 2018: Tsy hisy "note éliminatoire"
Tsy sakana ny tsy fahatongavana tamin'ny taranja Filozofia ny maraina teo, tsy hisy ny naoty manintsana avy hatrany na "note éliminatoire".
Afaka mbola manao adina an-tsoratra amin'ny zoma, andro farany amin'ny fanadinana ireo mpiadina tsy nanao adina ara-panatanjahantena.
Nilamina tamin'ny ankapobeny ny tapakandro maraina ny fanadinana bakalorea nanerana ny Nosy.
Faratsiho: Nisy nanafika ny fiara nitondra laza adina bakalorea
Nisy nanafika tao Antsapanimahazo amin'ny lalam-pirenena faha-43, ny alin'ny sabotsy 15 septambra, fiara 4x4 an'ny Cisco Faratsiho, nitondra ny lehiben'ny foibem-panadinana sy ny laza adina.
Nisy ny fifandonana, nitifitra ny Zandary niaro ny fitondrana ny laza adina ka nahavoa ny iray tamin'ireo jiolahy, izay no nampitsoaka azy ireo. Naratran'ny torabato ny lehiben'ny foibem-panadinana, nisy fahasimbana ny fiara.
Afaka nizotra soa amantsara ihany ny fanadinana bakalorea teto Faratsiho, na teo aza io fanafihana io.
Mahajanga: Hita i Maminiaina, dimy andro taorian'ny hala-jaza niseho tao amin'ny hopitaly Androva
Tafaverina soamantsara amin’ny ray aman-dReniny i Maminiaina, ilay zazavavy kely vao teraka nisy nangalatra tao amin’ny Complexe Mère-Enfant PZaGa Androva ny marainan'ny alarobia 12 septambra 2018.
Naterin’olon-tsy fantatra teny amin’ny bazary Morafeno, manandrify ny fivarotana vilany ary natao tao anaty harona ity zaza menavava ity.
Ramatoa handeha hivarotra vao maraina no naheno azy nitomany tao anatin’ilay harona ka nampandre avy hatrany ny polisy monisipaly izay tsy lavitra teo.
Bakalorea 2018: Ny taranja Filozofia no hanokatra ny laza adina
Manomboka ny maraina teo manerana an'i Madagasikara ny fanadinana Bakalorea, mamarana ny taom-pianarana 2017-2018.
184.708 ny isan'ny mpiadina voasoratra anarana miatrika izany manerana ny Nosy.
(Jereo Sary Tohiny)