Filtrer les éléments par date : dimanche, 16 septembre 2018

Ny harivan’ny zoma 14 septambra 2018, no niseho ny loza. Fiara kely “plaque rouge” mpisava lalana, entin’ny mpitandro ny filaminana miasa eo anivon’ny Fiadidiana ny Praiminisitra no nifaoka zaza roa, tamin’ny lalana tsy tokony izorany “sens interdit”. Naratra mafy ireo zaza ireo ary tsaboina ao amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha-Antananarivo.

Publié dans Tselatra

Tontosa androany tolakandro teo amin’ny Kianja Monisipaly Mahamasina – Antananarivo ny famaranana ny « Coupe du Président ». Nivoaka mpandresy ny FTM Manjakaray rehefa nandavo an’isa 48 noho 40 ny ekipan’ny Savonnerie Tropicale.

 

Publié dans Sport

Tonga androany tamin’ny 10 maraina ireo biletàm-pifidianana manokana na biletà SPECIMEN natonta tatsy Afrika Atsimo, araka ny famandrihana nataon’ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana na CENI.

Araka ny fanazavan’i Thierry Rakotonarivo, filoha lefitry ny CENI, dia homena biletà SPECIMEN 75 avy ireo kandida miisa 36 nenken’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenena hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny 7 novambra ny fihodinana voalohany, hanaovany fampahafantarana sy fampianarana amin’ny fampiasana azy. Manao dika mitovy ny kandida isanisany raha tsy ampy azy io 75 io.

Homena 50 avy isaky ny distrika ihany koa ireo fiarahamonim-pirenena misehatra amin’ny fifidianana, hanaovany fampianarana sy fanabeazana ny vahoaka mpifidy.

 

Publié dans Tselatra

Hotanterahina manomboka rahampitso alatsinainy 17 septambra 2018 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana Bakalôrea.

Miisa 184.708 ny mpiadina voasoratra anarana mitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 298, ka amin’ny sokajy ankapobeny ny 175.526, mitsinjara ho 13.005 ny “série A1”, 120.327 ny “série A2”, 4.874 ny “série C” ary 37.320 ny “série D”. Ao amin’ny sokajy teknika kosa ny 9.182, ka 8.602 ny “professionnel” ary 580 ny “technologique”.

75 taona, ary“série D”, ny zokiolona amin’ireo mpiadina, ary 11 taona “série A2” ny kandida zandriolona indrindra.

Nitsodrano ireo mpiadina rehetra manerana ny Nosy ny minisitry ny fampiarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Rasoazananera Marie Monique, hahomby amin’izany fanadinana izany.

 

Publié dans Tselatra

Nivoaka ny valim-panadinana BEPC manerana ny faripiadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra. Nahatratra 48,81 % ny taham-pahafaham-panadinana tamin'ity taom-pianarana ity.

Azo jerena ao amin'ny tranokalan'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena www.education.gov.mg sy anontaniana amin'ny laharana 601 amin'ireo tambanjotran-tserasera (TELMA / ORANGE / AIRTEL) ny valim-panadinana.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Folaka an-datony ilay tovolahy. Niroboka naka baolina latsaka tao anaty rano mamatsy ny farihin'i Mandroseza, ny zoma teo, dia tsy niverina intsony nefa tokony hiatrika fanadinana bakalorea rahampitso.

 

Publié dans Tselatra

Fiara kely Mazda hiazo an'Antananarivo no nifanehitra tamin'ny Sprinter nitondra mpandeha avy ao Antananarivo ho any Antsirabe teny amin'ny lalam-pirenena faha-7 androany maraina.

Mafy ny fifandonana. Mpandeha iray, tompon'andraikitra amina sampana ao amin'ny FJKM Atsimon'i Mahamasina, tao amin'ilay fiara kely no maty tsy tra-drano, efatra hafa naratra mafy, anisany ny mpitandrina ao amin'ny FJKM Atsimon'i Mahamasina, ary tsaboina ao amin'ny HJRA Ampefiloha-Antananarivo. Fito tao amin'ilay Sprinter no voa mafy.

Zavona maraina no voalaza fa nitarika ny loza.

 

 

Publié dans Tselatra

Mpiambina iray maty voatifitra, vola manodidina ny 20 tapitrisa Ariary no lasan'ny jiolahy nitondra fitaovam-piadiana nandritra ny fanafihana kioska manao Mobile Money, na irony fandefasana sy fakana vola irony, teny amin'ny Bois Sacré Mahajanga.

Tamin'ny 7 ora latsaka folo minitra maraina, ora fanateran'ny mpampiasa ny vola hampiasaina mandritra ny tontolo andro no nisehoan'ny fanafihana.

Avy hatrany ny lehilahy iray dia nanao sinto-mahery ny vola haterina. Iny handeha hanaraka ireo jiolahy iny no nitifiran'izy ireo ilay mpiambina ka nahafaty azy teo noho eo.

Roa lahy no nanao ny fanafihana, ny iray nisaron-tava ary ny iray kosa tsy nanafina endrika. Basy poleta no nampiasain'izy ireo.

Publié dans Vaovao