Filtrer les éléments par date : mardi, 11 septembre 2018

Izay no tapaky ny Birao maharitry ny Antenimierandoholona nivory io maraina io. Filoha Lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny faritanin'Antananarivo Randriambololona Mananjara. Izy no misolo toerana an’i Rivo Rakotovao, izay lasa filoham-panjakana vonjy maika.

Nisy nanantena ny hiverenan’i Honoré Rakotomanana eo amin’ny toerana, saingy HVM misolo HVM no fanapahan-kevitra farany tao, izay hampahafantarina ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana.

Efa lehiben'ny Faritra Analamanga tamin'ny 2015, Randriambololona Mananjara. DAGT (Directeur de l'Administration Générale et Territoriale) tao amin’ny Faritra Itasy izy talohan’izay. Voafidy ho Senatera, lohalisitry ny antoko HVM tato amin'ny faritany Antananarivo izy tamin'ny 29 desambra 2015.

Misahana ny fampandehan-draharaha eo anivon’ny Antenimierandoholona ny filoha mpisolotoerana. Miverina amin’ny toerana maha filohan’ny Antenimierandoholona i Rivo Rakotovao rehefa voafidy, ka mahavita ny fianianany ny filoham-pirenena vaovao.

 

 

Publié dans Politique
mardi, 11 septembre 2018 22:15

Lisi-pifidianana: Anaovana fitsirihana

Amperinasa ny kaomisioana manokana hanao fitsirihana ny lisi-pifidianana. Mandrafitra azy io ny “expert” avy amin’ny Frankôfônia, Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana (CENI), solontenan’ny kandida, mpanao politika ary fiarahamonim-pirenena. Haharitra folo andro ny asany, aorian’izay dia hanao tatitry ny asa nataony io komity io.

Nialoha an’io ny fanadiovana nataon’ny CENI ny lisitra nanesorana ireo anarana miverimberina. 150.000 teo no hita, nisy 4000 vary mangatsiaka.

Hanovana inona ity fitsirihana ity? Efa nikatona tamin’ny 15 aprily ny lisi-pifidianana (RALE), tsy hisokatra intsony ka tsy ho afaka hampidirana izay tonga taona. Ny Fianakaviambe iraisam-pirenena etsy ankilany manosika ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 7 novambra 2018.

 

Publié dans Politique
mardi, 11 septembre 2018 19:43

Cisco Faratsiho

55,89% ny taham-pahafahana BEPC 2018.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 11 septembre 2018 19:41

BEPC - Cisco Morondava

86,97% de taux de réussite, en hausse par rapport en 2017.

 

Publié dans Fil info

Nifamotoana ny tia adin’akoho teto Sambava ny alahady teo. Ho ampidirina anaty banja ny akohon’Abdalah antsoina hoe : “Peta-tsanga patte blanche”. 20.000Ar ny loka. Ao, hoy izy, izaho mihitsy no hiditra mpitsara ary hitazona ny famataran’andro.

Vao hanomboka anefa ny lalao dia teo izy no nitambosotra ka nifandrobahana nentina teny amin’ny SALFA Loterana Ampandrozonana, saingy teny an-dalana dia tapitra ny ainy.
Dia nanjombona ny tontolon’ny fampiadiana akoho teto Sambava.

Naterina eny an-trano fonenany Fokontany Soavinandriana Sambava ny razana. Mpamily ny asan’i Abdalah fahavelony.

 

Publié dans Tselatra
mardi, 11 septembre 2018 19:27

11 septembre

Journée mondiale de lutte contre le terrorisme.

Publié dans Fil info