Filtrer les éléments par date : vendredi, 03 août 2018

Nomen'ny Fitsarana fahafahana vonjimaika avokoa ireo lohandohan'ny mpisorona tamin'ny raharaha fanafihana ny banky Microcred Mahajanga. Efa-dahy izy ireo no afaka taorian'ny fitsarana azy ireo androany.

Publié dans A la Une

D’après l’Arrêt n°05-HCC/AR du 03 août 2018 portant constatation de vacance de siège de Député et remplacement dudit Député décédé, la vacance d’un siège de Député à l’Assemblée nationale est constatée, à la suite du décès de Razafimily Constance après saisine du Président de l’Assemblée nationale.

Le candidat Alson, deuxième de la liste Leader Fanilo de Vangaindrano est proclamé député à l’Assemblée nationale.

 

Publié dans Fil info

Dimy andro taorian'ny fifidianana izay natao ny alahady 29 jolay lasa teo, dia nivoaka ny valim-pifidianana vonjimaika omaly alina 02 aogositra fa mitarika 41,42% ny filoha ankehitriny, Ibrahim Boubacar Keïta, ary 17,80% ho an'ny lehiben'ny mpanohitra Soumaïla Cissé, ary 43,6% ny tahan'ny mpandray anjara.

Nahiana ny korontana tamin'ny fifidianana noho ny fisian'ireo djiadista nanafika amin'iny faritry Sahel iny, na dia teo aza ny fidirana an-tsehatry ny tafika satromangan'ny firenena mikambana efa 5 taona izay, niaraka tamin'ny tafika frantsay Barkhane.

 

 

Publié dans Tselatra

Nisintaka tamin’ny lohamasinina ireo Wagon, ka niala ny lalamby ireto farany ka izay no niteraka ny loza raha ny loharanom-baovao. Roa no namoy ny ainy, valo naratra, ka efatra nalefa ao Moramanga.

Teo amin’ny PK 206, akaikin’ny faritry ny JIRAMA Andekaleka no nitrangan’izany androany, raha niala tao Toamasina hiazo an’i Moramanga ilay fiarandalamby.

 

 

Publié dans Tselatra

Nivoaka mpandresy tamin'ny fihodinana voalohany ny filoha Emmerson Mnangagwa, nandimby vonjy maika an'i Robert Mugabe, taorian'ny fifidianana nifanadrinany tamin'i Nelson Chamisa, lehiben'ny mpanohitra.

Nahazo 50,8% i Emmerson Mnangagwa, 75 taona, ary 44,3% kosa ny azon'i Nelson Chamisa.

Publié dans Tselatra

Ny 7 ka hatramin’ny 21 aogositra ho avy izao, no hotanterahina any Chine ity fifaninanana iraisam-pirenena Gothia Cup China ity. Handray anjara ny ekipan’ny AJESAIA latsaky ny 16 taona avy eto Madagasikara.

Nitsodrano azy ireo mba hahomby sy nanome vatsin-dalana ho azy ireo androany, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analekely, ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana.

Publié dans Sport

Le port de son écharpe est quelque peu différent d’un sénateur HVM à l’autre, au lieu de la porter de l’épaule droite au côté gauche à Madagascar, certains la mettent à l’envers. Protocole dit-on !

 

 

Publié dans Fil info

Nitsidika ny ozinina manodina fako tantanan'ny Le Relais de Madagascar ny Minisitra Roland Ravatomanga ny marain'ity zoma 3 aogositra ity.

Izany dia fidinana ifotony entina mamantatra ny fomba fandraisana sy fanodinana ny fako an-tanandehibe araky ny fehinkevitra nivoaka tao anaty atrikasa tontosa tao Antsirabe tamin'ny herinandro lasa.

Napetraka ho modely eran'i Madagasikara ilay teknika ampiharina ao amin'io orinasa nahazo ny marika "eco-cert" io raha ny voalaza nandritra izao fitsidihana izao.

Publié dans Vaovao

Naratra mafy tsaboina ao amin’ny CHRR Farafangana ireo ankizy roa voadonan’ny fiara iray nitondra manampahefana niala teto an-drenivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana niazo an’i Vangaindrano hitsena ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, hitokana zava-bita.

Nirimorimo fandeha ilay fiara Renault nitondra manampahefana, tsy nijanona na dia nandona ireo zaza aza.

Raisin’ny fanjakana an-tanana ny fitsaboana azy ireo.

 
 
Publié dans Tselatra

Le candidat du Parti Libéral Démocrate de Sarah Rabeharisoa à l’élection présidentielle du 7 novembre 2018, sera présenté mardi 7 aout prochain lors d’une cérémonie à l’Astauria Antanimena-Antananarivo.

 
 
Publié dans Fil info
Page 1 sur 2