Filtrer les éléments par date : lundi, 27 août 2018

Tanterahina eto amin'ny Kianjan'ny Serasera sy ny LMD Andrainjato ny fanazavana momba ny Fisandratana 2030 ny marain'ity alatsinainy 27 aogositra ity.

Tonga itondra ny antsimpirihany momba izany ny filoham-pirenena rehefa avy nitokana fotodrafitr'asa ety amin'ny oniversiten'i Fianarantsoa sy ny onjam-peo Rofia misy ety an-toerana.

Misy ireo fitokanana tanterahana amin'ity fitsidihana ity, toa ny trano natokana hoan'ireo mpanao haiady, ny tohodrano any Vohitsambo Distrikan'Ambalavao. Eo ihany koa ny fampitaovana ny haino amanjerim-panjakana.

Publié dans Politique

Nisy nanala ny takela-by diavin’ny fiara eo amin’ny tetezan’Ambatankazo amin’ny lalam-pirenena faha-34, anelanelan’i Miandrivazo sy Mahabo. Mampidi-doza raha tsy mitandrina.

Ataon’ny sasany fitadiavam-bola eo ankehitriny. Miantso ny ministeran’ny Asa vaventy ny mpampiasa lalana hanamboatra ny simba satria, ankoatra ny loza mety haterany, dia tsy kely lalana ny ratsy sao eo no iandrasan’ny mpanakan-dalana kendritohina.

 

 

Publié dans Tselatra

Hotanterahina rahampitso talata 28 aogositra ny fanadinam-panjakana CEPE manokana, amin’ireo foibem-panadinana miisa 15 tsy nahatanteraka izany tamin’ny 14 aogositra lasa teo noho ny antony samihafa.

Ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Anosibe an’Ala ny 14 amin’ireo foibem-panadinana ireo, ary any amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Sambava ny iray.

 

Publié dans Tselatra