Filtrer les éléments par date : jeudi, 02 août 2018

Mitohy ny diaben'ireo mpampianatra ho any Mahazoarivo, rehefa nosakanan'ny mpitandro ny filaminana tetsy Fenomanana.

Araka ny fifampiraharahana teo an'arabe, dia hisy solotena 6 avy amin'ny mpampianatra no ho raisina eny Mahazoarivo. Tsy mahatapa-kahitra anefa ireo nirahin'ny praiminisitra andray ny mpampiatra, ny talen'ny kabinetra sy mpanolo-tsaina manokan'ny praiminisitra 2.

Efa amam-bolana maro ity olona ity, ary nangataka hatrany hiaona amin'ny praiminisitra ny mpampianatra, fa hatreto dia teny amin'ny televizionina hatrany no nahitana ny endriny, fa tsy nisy mihitsy hatramin'izay ny fihaoanana mivantana. Solotena hatrany no alefany, ka izay ve ilay fifampiresahina dradradradraina? Nefa hiaona mivantana fotsiny aza tsy atao, sa efa tsy manaiky izay vahaolana mety hifampidinihina?

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanao diabe hihazo an'ny Mahazoarivo ireo mpampianatra marobe mitokona, ka vao tonga teo Fenomanana dia misy barazy voalohany, ary mihatrana ny mpitandro ny filaminana, miaraka amin'ny solotenan'ny primature mangataka fifampiresahana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tonga hatramin’ny solontena avy any amin’ny faritra, mandray anjara amin’ity fitokonana etsy amin’ny tokontany malalaky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena Anosy, manamafy ny fitakiana ireo tombontsoa samihafa sy hamerenana ny hasin’ny mpampianatra sy mpanabe.

 

Publié dans Tselatra

Tsy mampiova ny hevitry ny Hetsika ho an’ny Fanorenana Ifotony (HFI) ny fisokafan’ny fandrotsahana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena, mamory olona eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izy ireo androany, manohitra ny hirosoana amin’ny fifidianana fa hanao fandaminana ireo zava-manahirana ny firenena hisorohana ny fiverimberenan’ny krizy aloha.

 

Publié dans Tselatra

Décrét tokana dia samy mahazo tany 1 000 m² ny Malagasy tsirairay, na zaza menavava aza, izay no maha Tanindrazanao an'i Madagasikara.

5% n'ny velaran-tanin'i Madagasikara izay omena ny tsirairay izay, ankoatran'ny tany izay efa misoratra aminao, na ireo tany omena ambolena sy amokarana.

Izay tompon'ny tany, no tompon'ny ambonin'ny tany, sy ny ambanin'ny tany miaraka amin'ny harena ao anatiny.

Mandraisa anjara hampandresena ny tetikasatsika:

Vitatsika io.

Patrick Raharimanana
Kandida ho Filoham-pirenena

Publié dans Editorial

Ny alatsinainy teo no nizotra marobe namonjy ny biraom-pifidiana ny ho filoham-pirenena ireo Zimbabweanina taorian'ny naneren'ny Tafika an'i Robert Mugabe hametram-pialana. Nisolo toerana azy i Emmerson Mnangagwa, tanakavanany teo aloha, izay nirotsaka ho fidiana, hifaninana amin'i Nelson Chamisa, mitarika ny antoko mpanohitra.

Raha heverina hivoaka rahampitso zoma ny vokam-pifidianana Filoham-pirenena, dia efa nanambara ny antoko mpanohitra MDC, fa "1er tour dé vita" ny voka-pifidianana eo an-tanan'izy ireo.
Ny vokam-pifidianana solombavambahoaka kosa dia efa nivoaka mpandresy ny antokon'ny fitondrana, izay lazain'ny mpanohitra fa hala-bato.

Publié dans Tselatra

Le Secrétaire Général sortant du COMESA fait ses adieux au Président de la République.

Arrivé au terme de son mandat, le Secrétaire Général du COMESA, Sindiso Ngwenya, est venu faire ses adieux au Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, également Président en exercice de l’Autorité de l’organisation régionale, dans la matinée du mercredi 1er août 2018.

Lors de la rencontre, il a remis officiellement au Président Hery Rajaonarimampianina la lettre de nomination du nouveau Secrétaire Général du Marché Commun des pays d’Afrique Orientale et Australe, en la personne de Mme Chileshe Kapwepwe.

Publié dans Economie

Le mouvement scout laïc « Kiadin’i Madagasikara » célèbre ses 85 ans cette année. Le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, a accepté d’être le parrain de cette grande célébration.

Le Comité d’organisation de ce jubilé est venu au palais d’Etat d’Iavoloha, dans l’après-midi du 31 juillet, pour remettre officiellement au Président le foulard, symbole du statut qui lui a été conféré.

Publié dans Sociale

Tonga niatrika ny lanonam-panokafana ny 1 oagositra, ny minisitry ny Fitsarana, HARIMISA Noro Vololona, sy ny Minisitry ny filaminana anatiny, ny Contrôleur général de police Erick Michel Wouli Soumah Idrissa, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe.

Voakilasy ho faritra faharoa anjakan’izany fitsaram-bahoaka izany ny Faritra SAVA, ka ato anatin’ny roa andro no hikaon-doha miaraka amin’ireo Benin’ny tanàna, ary hitohy amin’ny varavarana misokatra ho an’ny daholobe, hijerena ny antony mahatonga izany, ary no mety ho vahaolana hanafoanana azy.

Publié dans Vaovao

Vary nafaran’ny mpandraharaha iray eto Sambava izy ireto nefa simba, tsy misy azo raisina ka tsy maintsy nandraisana fepetra mba tsy hiparitahany eny an-tsena, ary nopotehina ny 31 jolay 2018, araka ny fanazavan’ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana aty SAVA, BE Christophe.

Efa fanindroany izao raha ny teto amin’ny mangazain’ity mpandraharaha ity no nahitana tranga toy izao. Tsy ny vary no lany daty fa noho fahelany tao anaty sambo no niteraka izao fahavoazana izao raha ny tatitra tonga taty aminay, hoy hatrany ireo avy tao amin’ny varotra sy ny fanjifana.

 

 

Publié dans A la Une