Filtrer les éléments par date : vendredi, 17 août 2018

Nanambara ny firotsahany ho filoham-pirenena ny filoha am-perinasa Hery RAJAONARIMAMPIANINA tetsy amin'ny Colbert Antaninarenina io tolakandro io.

Nilaza izy fa dia hitohy ny asa ary na dia eo aza ireo mpanenjika dia hiroso hatrany ny diany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina tetsy amin’ny Centre de Conférence International Ivato – Antananarivo mandritra ny roa andro, 17 sy 18 aogositra ny « Forum Economique International de Madagascar (FEIM)», andraisan’ny mpahay toekarena avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mpandraharaha, mpanapa-kevitra, mpanao politika, mifanakalo traikefa sy mitondra vahaolana iadiana amin’ny fahantrana sy ny kolikoly.

Misy kandida filoham-pirenena dimy, nasaina hanao famelabelarana amin’ity FEIM andiany voalohany ity, dia Razafindraosolo Zafimahaleo na Dama, Jean Ravelonarivo, Saraha Rabeharisoa, Jean Omer Beriziky ary Pastera Mailhol Christian Dieudonné.

Misy delegasiona avy any Torkia, Repoblika Demokratikan’i Congo, Rosia, India ary Côte d’Ivoire mandray anjara ihany koa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Economie

Telo lahy no tratra niaraka tamin’ny basy fampiasan’izy ireo, ka miaramila no nisambotra azy ireo. Nanolotra ny Zandary ny harivan’ny alatsinainy 13 aogositra teo izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nametra-pialana ny alatsinainy 13 aogositra teo Atoa Rasitefanoelina Bruno Talen’ny kabinetran’ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe, Paul Razanakolona. Efa Talen’ny fampielezan-kevitr’ity farany tamin’ny fifidianana in-droa nisesy, dia ny fifidianana ho solombavambahoaka sy ny fifidianana ho Ben’ny tanàna ka nahavoafidy azy Atoa Rasitefanoelina Bruno.

Re fa tsy nahafaly ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Ben’ny Tanàna iny nandraisana an’i Andry Rajoelina teto Antsirabe, izay raisin’ireo mpiara-miasa ho fivadihana palitao ankitsirano izao, manampy trotraka ny fitantanana ny tanànan'Antsirabe heveriny ho tsy madio sy tsy mangarahara.

 

 

Publié dans Tselatra

La prise de position de Paul Razanakolona en faveur de l’IEM de l’ancien président de la Transition Andry Rajoelina crée des remous au sein de son staff. Son directeur de cabinet a démissionné, d’autres responsables seraient sur le départ aussi.

 

 

Publié dans Fil info

Le parti Hery Vaovao ho an'i Madagasikara ou HVM a accordé sa pleine confiance à Rajaonarimampianina Rakotoarimanana Hery Martial pour mener la campagne présidentielle de 2018.

Publié dans A la Une
vendredi, 17 août 2018 12:18

Morondava: Tokanana ny tranon’ny Trésor

Tonga nitokana ny fotodrafitrasa teto Morondava Centre ny maraina teo ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina.

Mitohy amin'ny fitokanana vovon-drano miisa 16 eny amin’ny Kaominina Bemanonga ny diany aty an-drenivohitry ny faritra Menabe.

 

Publié dans Tselatra

Lanonana eo amoron-dranomasina no hamaranana ny fankalazana faha-15 taonan’ny antoko Tiako I Madagasikara, rahampitso sabotsy 18 aogositra 2018 tolakandro.

Nahazo alalana avy amin’ny Kaominina ambonivohitr’i Toamasina sy ny Prefektioran’i Toamasina ity hetsika ity.

Nokasaina hatao teo Mahamasina ny fanokafana io fankalazana io ny 8 jolay 2017 saingy nosakanan’ny Prefen’Antananarivo ny fanatanterahana izany tao amin’ny kianjaben’i Mahamasina, na dia efa teo ampelan-tanany aza ny fahazoan-dalana avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra ary koa nahazo rariny tamin’ny Fitsarana ady maika aza ny antoko.

Misy mpihira sy mpanakanto maro anafana ny lanonana.

 

 

Publié dans Tselatra

Vao maraina dia efa nametraka sakana miazo ireo faritra efatra azo tsidihana ato amin’ny tsingin’i Bemaraha, Distrika Antsalova ny Fokonolona tarihin’ireo Ben’ny Tanàna manodidina ity faritra arovana ity.

Mitohana ny fiara, miveri-maina ireo vazaha nikasa handeha maraina hitsidika ny tsingy amin’ireo « circuit » efatra misy.
Mahatsiaro ho tompony mangataka atiny ny vondron’olona ifotony sy ireo kaominina misy ny Tsingy, tsy misitraka ny tombontsoa aminy, hoy ny Ben’ny Tanànan’i Bekopaka Franklin Miandrizoky.

Publié dans Tselatra
vendredi, 17 août 2018 08:17

17 août

Journée internationale du chat noir.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2