Filtrer les éléments par date : dimanche, 12 août 2018

Omaly hariva raha iny mbola teo am-pisakafoanana hariva iny indrindra ny fianakaviana iray teto Ampohafana, Kaominina Marojala no niditra ny dahalo efa-dahy nitondra basy lava iray sy poleta.

Aiza ny lavanila, ary raha nikasa ny hanohitra ilay raim-pianakaviana dia tifitra no nasetrin’ireo dahalo azy, izay niantefa teny amin’ny vavany. Taorian’izay dia nofatoran’ireo dahalo ny zanany roa, 17 taona sy 15 taona.

Publié dans Vaovao

Nisintaka ramatoa vokatry ny ady lava ao an-tokantrano izay matetika noho ny ara-bola. Tamin’ny volana jolay 2018 no tapaka ny tady tamin’izy roa. Nanorina fiainana vaovao tao Toamasina ramatoa. Nijanona tao Sandrakatsy Mananara Avaratra rangahy. Manina sa latsa-panenenana rangahy, 41 taona, ka tapa-kevitra ny hamerina an-dramatoa vadiny.

Nanatona mpandraharaha lavanila izy, nandresy lahatra an’io milaza fa mahita lavanila tsara any ambanivolo Sandrakatsy. Ifandrombahana moa ny fividianana lavanila, ka tsy nisalasala ilay mpandraharaha, nentim-pahatokisana ary nanome azy vola 16.500.000 Ar hividianana lavanila.

Publié dans Vaovao
dimanche, 12 août 2018 20:06

Alaotra Mangoro: Hary fitaovana ny dahalo

Basy miisa valo, miaraka amin’ny bala, no saron’ny miaramila avy ao Toamasina nandritra ny fampandriantany nataon’izy ireo tamin’ireo faritra roa mifanila dia Alaotra Mangoro sy Betsiboka nandritra ny enim-bolana. Basy Kalachnikov ny telo tamin’ireo, Mas36 ny roa, ary iray avy ny basy “calibre 12”, “fusil à pompe” ary basy poleta.

Fitaovam-piadiana fampiasan’ny mpitandro ny filaminana avokoa ireo tra-tehaka teny ampelan-tanan’ny dahalo ireo.

 

 

Publié dans Tselatra

Hita tamin'ny 3 ora tolakandro teo ny vatana mangatsiakan'ilay ilan'ny zaza kambana maty an-drano tamin'ny lakana dobo omaly teny amin'ny manodidina an'i Katsepy-Mahajanga. Zaza 8 taona sy lehilahy iray manodidina ny 38 taona no tsy mbola hita hatramin'izao.

 

Publié dans Tselatra

Ny EPP Maherifody Antalaha irery ihany, amin’ireo EPP miisa 1300 mahery amin’ny sekolim-panjakana ato amin’ny DREN SAVA no hany nahavita fanadinana andrana CEPE.

Hotanterahina amin’ny talata 14 aogositra 2018 izao ny fanadinam-panjakana CEPE ho an’ny taom-pianarana 2017-2018.

 

Publié dans Tselatra

Natolotra ny Fampanoavana amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antalaha ny marainan’ny sabotsy 11 aogositra 2018, ilay Zandary milanja galona “Hors classe” voatondro ho namotsotra dahalo raindahiny antsoina hoe : Jacquinot. Nomen’ny Fitsarana fahafahana vonjimaika moa izy, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

Ny sabotsy 4 aogositra 2018 ity dahalo ity no voasambotry ny Fokonolona ary natolotra ny Zandary; ny ampitson’io anefa dia votsotra ary niteraka savorovoro teto Sambava.

Hita faty, tsy nisy rojovy, teto Sambava ny marainan’ny alakamisy 9 aogositra 2018 moa ilay dahalo, izay tsy nahazoam-panazavana ny antony mariny nahafaty azy.

 

Publié dans Tselatra
dimanche, 12 août 2018 15:51

12 août

Journée Internationale de la jeunesse.

 

Publié dans Fil info

Mécanicien fiaramanidina 29 taona tany Amerika no nangalatra fiaramanidina Bombardier Q400 an'ny compagnie Horizon Air / Alaska Airlines, tao amin'ny seranam-piaramanidina Seattle, avaratra andrefan'ny Amerika, ka vao niainga hisidina dia efa notsenain'ny fiaramanidina mpiady amerikanina F15 roa.

Natao ny fifampiresahana tamin'ity mécanicien ity hiverenany, fa nilaozany nanao fampisehoana vol acrobatique, tonneau, looping teo ambonin'ny renirano be manakaiky ny ranomasina.

Publié dans Vaovao