Filtrer les éléments par date : vendredi, 10 août 2018

Le numéro UN du MTS fera sa déclaration de candidature à la présidentielle lors d'un show au Coliseum Antsonjombe le 19 août prochain, deux jours avant la clôture du dépôt de candidature auprès de la Haute Cour Constitutionnelle.

Ce sera sa troisième tentative aux présidentielles, car le neveu de l'amiral Didier Ratsiraka, ancien député de Toamasina I, puis Maire de la ville du Grand port, s'est déjà aligné aux présidentielles de 2006, puis en 2013 et a récolté quasiment cinq cent mille voix.

Il occupa respectivement les postes de ministre des travaux publics (2014-2016), puis ministre du tourisme (2016-2018).

 

 

Publié dans Fil info

Dr Jules Étienne Rolland (Madagasikara Fivoarana), Rasolofondraosolo Zafimahaleo dit Dama Mahaleo (Manajary Vahoaka) ary Rabary Andrianiaina Paul (MIASA). Ireo no kandida telo nanatitra antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana androany.

Raha efa samy nanao fanambarana fa ho kandida iretsy roa voalohany dia ity fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana androany ity no namaly ny ankamantatra fa ho kandida tokoa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary ary hamafisiny amin'ny horonantsary fohy ao amin'ny pejy fesibokiny izany.

Fito izao no nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana nanomboka ny 1 aogositra. Amin'ny 21 aogositra 2018 amin'ny 5 ora hariva ny fara-fandraisana dosie eny Ambohidahy.

 

Publié dans Tselatra

Androany zoma 10 aogositra misandratr’andro ity minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina tao anatin'ny governemanta Kolo Roger ity, sy ny “mandataire” no tonga nametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana Ambohidahy.

Manana hatramin’ny 21 aogistra amin’ny 5ora hariva ity kandidan’ny antoko MAFI (Madagasikara Fivoarana) ity hamenoany ny dosie tsy feno.

15 isa ireo antontan-taratasy ilaina, ka atao dika anakiroa miampy ny lisitr’ireo taratasy rehetra, mandrafitra ny dosie firotsahan-kofidiana ho an’ny fifidianana filoham-pirenena.

 

 

Publié dans Tselatra

Mpanao gazety tao amin’ny Radio Madagasikara (RNM) i Fidelis Razafimahefa fahavelony. Izay no mpanaraka sy mpitatitra ny vaovaon’ny filoha Philibert Tsiranana, tamin’ny Repoblika Voalohany.

Mpamokatra fandaharana sady tonian’ny fampahalalam-baovao teo anivon’ny RNM izy, ary isany fandaharana nahafantarana azy ny “Didy aman-dalàna”.

 

Publié dans Tselatra

Hankalazaina aty an-toerana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora. Hetsika izay karakarain’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena.

Ity fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tanora na JIJ ity dia iray amin'ireo fomba lehibe hanavaozana ny fanoloran-tenan'ny olom-pirenena tsirairay ho an'ny tanora. Tahaka ny isan-taona, ny 12 aogositra, ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia manamafy indray ny fanoloran-tenany hampandroso ny tanora amin'ny ambaratonga rehetra amin'ny fankalazana ny JIJ.

Hetsika maro no efa notanterahina nialoha ny fankalazana ofisialy, niarahana tamin'ireo mpiara-miombonantoka toy ny Vondrona Iraisam-pirenenan'ny Asa, ny Ministera ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra tsy Miankina, ary ny fanohanan'ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana.

 

Publié dans Tselatra

Le parti présidentiel va défendre le bilan du quinquennat de Hery Rajaonarimampianina et va solliciter logiquement sa candidature à sa propre succession à la prochaine présidentielle.

 

Publié dans Politique

C’est une plateforme de soutien à l’actuel locataire d’Iavoloha, Hery Rajaonarimampianina, pour sa propre succession. Le Voromahery, auquel se regroupent les entités et associations, a été présenté à la presse ce 10 août au Carlton.

 

 

Publié dans Fil info

Ohatran'ny petit village na tanàna kely io toerana misy ny mpanao politika io. Mifankahalala avokoa ny rehetra, miresaka tsara, tsy misy miady izany, miara-misakafo mihitsy aza. Ny mpanohana any no miady mifamono sy mifandrangitra, eny miady mivady sy mifanatsatoka antsy sy mifampitifitra basy mihitsy, fa ny mpitarika tsy misy mikorontana izany.

Izay no tsy mba hinoako io resaka fampihavanana ny mpanao politika io, fa fanasaziana ireo nangalatra sy ny mpanao kolikoly no mila atao, dia arahina sy ampiharina ny Lalàna, fa tsy ekena izany tsy maty manota izany, ka hialokaloka ao ambadiky ny fampihavanana fotsiny, ka mody miala tsiny kely ny fahadisoana teo aloha.

Izao dia fantatra fa miketrika ny hampihemotra io fifidianana io reo.

Maro koa ireo kandida lazaina fa vaovao, no ry zareo ihany no mamatsy vola azy, efa misy aza ny mampanamboatra tee-shirt 3 000 000 isa, raha kely indrindra izany dia any amin'ny 6 millions de dollards any, na 18 miliara ariary na 90 milliard fmg. Aiza no ahitan'ny kandida an'izany, fa resaka ka atao.

Publié dans Editorial

Tifitra variraraka no nasetrin’ny mpiambina ny filoha Didier Ratsiraka ireo vahoaka maro nanao « Diaben’ny fahafahana » ny 10 aogositra 1991, niazo an’i Mavoloha. Maro no namoy ny ainy.

Tsy misy hetsika manokana atokan’ny Fanjakana hahatsiarovana ireo lavo tamin’izany.

 

 

Publié dans Tselatra