Filtrer les éléments par date : mercredi, 01 août 2018

Tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina no nanaovany fanambarana fa : “androany 1 aogositra 2018, izaho Andry Rajoelina dia manambara amin'ny fomba ofisialy fa manolo-tena ho an’ny Tanindrazana ka hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, hirotsaka ho fidiana hiadidy ny fampandrosoana ny Repoblikan’i Madagasikara”. Tsy kandidan’antoko aho hoy izy nanoloana ireo mpomba azy sy mpanao politika manohana azy, nahitana Senatera HVM.

Publié dans Politique

Nandeha ihany ny adina ara-panatanjahantena bakalorea teto Mahajanga androany, na tsy nankasitraka ny hanatontosana izany aza ireo mpampianatra mpanao fitokonana.

Niara-niatrana tamin'ireo mpianatra hiadina teny amin'ny kianja Rabemanajara ireo mpampianatra ireo, ary nanamafy fa tsy handeha ny EPS bakalorea. Tonga ara-potoana anefa ny mpitandro ny filaminana nandamina ka mampiditra ireo mpianatra sy nanala ireo mpanao fitokonana.

Publié dans Tselatra

Nanolotra ny tso-drano ho an’ny filatsaha-kofidian’i Fanirisoa Ernaivo ho filoham-pirenena taty amin’ny Distrikan’Ambalavao ny raiamandreny aty an-toerana ny andron’ity alarobia 1 aogositra ity.

Publié dans A la Une

Mitaky ny fialan’ny Talen’ny kabinetra sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny minisitra Yvette Sylla ireo mpiasa mitokona nanomboka tamin’ny alatsinainy.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 01 août 2018 22:13

Fanirisoa Ernaivo: Midina ifotony

Mitsidika an'i Faritr'i Matsiatra Ambony ny andron'ity alarobia 1 Aogositra ity. Hanatanteraka fidinana any amin'ny distrikan'Ambalavao izy araky ny fandaharam-potoana.

Mikarakara sy manomana izany ny antoko Zama na Zanak'i Madagasikara.

Tamin'ny 10h30 teo izy no nigadona tamin'ny fiaramanidina teto Fianarantsoa.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 01 août 2018 22:08

Solika: Niaka-bidy indray

50 Ariary isaky ny litatra ny fiakarana mihatra amin'ireo toby mpaninjara solika nanomboka io maraina io.

 

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Ambatolahy, tanàna iray somary anaty ala ao anatin’ny Kaominina Ranomafana, Distrika Ifanadiana. Dahalo mitam-basy efapolo lahy no niditra ny tanàna nanomboka tamin’ny 5ora sy sasany hariva. Tovolahy iray no maty voatifitra, roa hafa naratra voafira famaky.

Nitsoaka nanavotr’aina tany anaty ala ny ankamaroan’ny mponina, izay tavela noteren’izy ireo hanome vola sy fitaovana ary fiaravaka sarobidy.

Notetezin’ireo dahalo ny trano efa ho dimapolo tafo ao Ambatolahy nandritra ny ora rao latsaka. Lasa ny lelavola 1,8 tapitrisa Ariary, noraofin’izy ireo ny entana tamin’ireo «épicerie» tao an-tanàna tombanana any amin’ny 4 hetsy Ariary.

Tonga nanavotra ny mponina ny Zandary avy ao Ranomafana, nisy ny fifamaliana tifitra tao anaty haizina vao vaky nandositra ireo olon-dratsy.

 

Publié dans Tselatra

Manomboka androany 01 aogositra 2018 ny fametrahana ny taratasy filatsahana ho fidiana Filoham-pirenena, tapitra amin'ny 21 aogositra izany fetr'andro izany.

Niara-nandinika teto hatrany isika, ny amin'ireo tetikasa vaventy entintsika anovana marina ny Firenentsika sy ny fiainantsika tsirairay avy.

Tsy hanao resaka lava intsony aho satria kely ny fotoana, misy 300 000 isan'andro eo isika no manaraka tsy tapaka ny vaovao omena eto, izay andaniana vola sy fotoana maro tokoa, mila ny ezaka rehetra avy amintsika aho, mila vola sy fifanampiana avy amintsika, mila antsika anangana ireo komity mpanohana, mila antsika andresy lahatra ireo havana sy namana isan-tsokajiny, eny na ireo lavitra tsy mahita ny serasera eto aza.

Publié dans Editorial