Filtrer les éléments par date : lundi, 09 juillet 2018

« Le gouvernement de Madagascar et le FMI ont travaillé main dans la main avec à l’esprit l’objectif de gérer les finances publiques de manière saine et transparente. Madagascar est satisfait du chemin parcouru ensemble et j’ose dire que les relations entre le FMI sont bonnes » a dit le Premier ministre Christian Ntsay lors d’une cérémonie ayant élevé Patrick IMAM, Représentant résident du Fonds Monétaire International, à la dignité de Commandeur de l’Ordre National Malagasy.

Ladite cérémonie s‘est tenue dans les locaux du Ministère des Affaires Étrangères, à Anosy.

Cette distinction honorifique lui a été décernée en guise de reconnaissance pleine et entière, de la part du Gouvernement, et ce pour ses quatre années de mission à Madagascar.

Publié dans Politique

Nandritra ny fihaonan'ny mpikambana ao amin'ny antoko AVANA ao amin'ny Kaominina Ampasikely, Distrikan'Amparafaravola iadidiany, no nilazan'i Dr Jean Louis Robinson fa mitaky ny famerenana ny fanisam-bato tamin'ny fifidianana 2013 izy ireo.

Manoloana ny fivoahan'ny datim-pifidianana dia nanambara i Dr Jean Louis Robinson fa vonona hiatrika ireo fifidianana isan'ambaratonga ny antoko AVANA ; efa tapitra rahateo ny fotoam-piasan'ny filoham-pirenena ka rariny raha hirosoana ny fifidianana.

Nisy moa ny fanavaozana ireo mpitantana ny antoko eny ifotony hiatrehana izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Feno Emmoreg ety an-toerana amin'izao rehefa nivoaka ny sekoly politeknika ireo mpianatra marobe nanao fitokonana.

Mirarakompana ny grenady lakirimozenina alefan'ny herim-pamoretan'ny mpitondra nahazo seza miaraka mitantana.

Hifamonjena ny rano fa maro ireo mpianatra no sempotra, amam-poliny maro ny grenady atoraka amin'ny mpianatra ato.

 

Publié dans Tselatra

Nanomboka ny 2 jolay ary hitohy hatramin’ny 11 jolay 2018 ny adina ara-panatanjahantena bakalôrea eto Antsohihy. Niato nanomboka ny zoma 6 jolay teo anefa izany noho ny fitokonan’ny mpampianatra mitaky ny tombontsoany.

Taorian’ny dinika tao amin’ny Cisco Antsohihy androany anefa dia tapaka fa hitohy rahampitso talata 10 jolay io adina ara-panatanjahantena bakalôrea io, ka mpampianatra avy amin’ny tsy miankina sy avy amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena no hanatanteraka izany.

Etsy ankilany dia tsy tontosa ny fanadinana andrana CEPE na “CEPE Blanc” tokony natao androany teto Antsohihy noho io grevin’ny mpampianatra io hatrany.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 09 juillet 2018 14:39

“Déchéance” depiote: Mangina ny HCC

Mijanona ho taratasy tsy misy tohiny eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena hatreto ny fangatahan’ireo antoko sy vondrona antoko isany, Parti Vert, VPM-MMM, Tiako i Madagasikara ary MAPAR ny hanonganana (déchéance) ireo depiote voafidy tamin’ireo antoko sy vondrona antoko ireo tamin’ny fifidianana natao ny 20 desambra 2013 nefa namadika palitao nony nahazo seza ao Tsimbazaza.

Miisa 22 ireo depiote voakasik’ireo fitoriana tonga eny amin’ny HCC, tsy mbola misy valiny hatramin’izao ireo na efa iray volana mahery aza no nipetrahan’ny fangatahana miendrika fitoriana eny Ambohidahy.

 

Publié dans Tselatra

Efa tsara omana ny fitsenan’ny vahoakan’i Toamasina sy ny mpino Katolika ny fahatongavan’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré eto an-toerana ny 13 jolay izao. Samy mikarakara ny mpino ao aminy ny paroasy ary samy manentana ny misy azy avy ireo isam-pokontany, toy izany koa ny tompon’andraiki-panjakana eto Toamasina.

Rahampitso talata 10 jolay amin'ny 3 ora tolakandro no higadona an-tanindrazana etsy Ivato Antananarivo ny Kardinaly Tsarahazana Désiré. Hivantana eny amin’ny Nonciature ao Ivandry misy ny fonenan’ny solontenan’i Papa eto Madagasikara izy aorian’izay, rehefa avy mandalo an'i Talatamaty, Imerinafovoany, Ambohibao, Ambohimanarina, Route du Pape, Alarobia.

Publié dans Vaovao
lundi, 09 juillet 2018 12:43

Sambava: Maizina ny tanàna

Notapahan’ny Jirama vonjimaika ny famokarana herinaratra manoloana ny grevy ataon’ny mpanjifa avy amin’ny kartie samihafa eto an-toerana, izay nirohotra niazo ny foibe famokarana io atoandro io, maneho ny tsy hafaliany amin’ny fahatapahan-jiro matetika.

Nosakanan’ny mpitandro ny filaminana moa ireo mpitokona, ary niangaviana hiroso amin’ny fifampiresahana hisorohana ny mety ho fanimban-javatra.

Amin’izao ora anoratana izao aloha dia tsy misy herinaratra eto Sambava tampon-tanàna, eny fa na amin’ireo kartie sokajiana ho saropady toy ny hopitaly aza.

 

Publié dans Tselatra

Adikako eto ambany ny teti-bola tsy nasiam-panitsiana tapaka tao amin'ny Antenimieram-pirenena izay nandraisan'ny député 73 anjara ihany koa.

Raha fintinina dia tsy misy sorabola ho fampakarana ny karama, na fampidirana mpiasa, na fampakarana indemnité mpampianatra velively ao, ka vola aiza izany, ary ahoana no amoahana vola tsy voasoratra anaty teti-bola?

Patrick

Publié dans Sociale
lundi, 09 juillet 2018 10:43

13 mai ou véritable combat

Samedi 7 juillet marqua la fin du mouvement du 21 avril qui a vu l’émergence des « députés de changement » qui était au nombre de 73 ou 53 selon la Haute Cour Constitutionnelle (HCC).

Malgré les nombres de morts (2 ou 6 !!), le mouvement s’est terminé en queue de poisson comme le dit l’adage malagasy « rava maina toa ny hiragasin’Ambanitsena » (finir comme les prestations de Hira gasy à Ambanitsena sans au revoir ni adieu). Même les députés TIM n'ont pas arboré leur écharpe.

Le mouvement s’essouffla après le départ des députés MAPAR, une fois que le gouvernement dit de consensus a été constitué par Ntsay Christian, candidat présenté par Andry Rajoelina (ou le MAPAR ?!!).

Publié dans Politique

“La prise en otage de l’éducation n’est plus tolérée malgré les revendications syndicales. Chacun doit assurer ses responsabilités”. Tel a été le message du Premier ministre Ntsay Christian lors de l’ouverture officielle de la Journée Nationale de la Nutrition à Antsirabe-Vakinankaratra le 6 juillet 2018.

Le Chef du Gouvernement a aussi rappelé que le travail des enfants est inacceptable.

 

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2