Filtrer les éléments par date : vendredi, 06 juillet 2018

« Ce fut un bel acte d'amour, de bravoure, et d'altruisme ». Ces propos du Président de la République résument le geste héroïque de la jeune Rafaramalala Heriniaina Eulalie, 16 ans, qui a sauvé un bébé de 10 mois d’une noyade certaine, lors de l'accident du taxi-brousse sur la RN 1, à Andranomena,Arivonimamo, le dimanche 1er juillet.

Cette élève de la classe de troisième du collège FJKM d’Ambohinierenana, Imerintsiatosika, a été reçue par le Chef de l’Etat, dans la matinée de ce 6 juillet au Palais d'Iavoloha. Elle était accompagnée de ses parents et du Ministre de la communication, Rina Andriamandavy VII.

Publié dans Sociale

Nanao fitokonana teo anoloan'ny DREN Atsinanana ireo mpampianatra sy mpanabe eo anivon'ny SEMPAMA Nosy androany maraina io.

Taorian'izay dia nitety lalana izy ireo nihazo ny Cisco Toamasina I sy Cisco Toamasina II nilaza ny tsy faneken'izy ireo ny nambaran'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Horace Gatien sy ny fitorahana lakrymôzena ireo namany tao Antananarivo, ka nilazan'izy ireo amin'ny hiaka natao hoe : "Tsy velon'ny gazy lakrymôzena ny mpampianatra, tsy matahotra ireny koa ny mpanabe, mitohy ny tolona mandram-pisian'ny fanovana satria manao tsinontsinona ny mpanabe sy ny mpampianatra ataon'ny Fanjakana".

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 06 juillet 2018 19:01

Sambava: Vary simba 10 taonina no nodorana

Nampiahiahy ny mponina ny nanovan’ireto mpanafatra vary tampoka ny lokon’ny gonim-bary ka nanavaka ny vary simba sy lo tamin’izay mbola azo raofina.

Niditra an-tsehatra ny avy amin’ny sampandrahanan’ny varotra rehefa nahazo fampilazana mialoha ka niroso tamin’ny figiazana sy famotehana ireo vary samba miisa 200 gony ireo, omaly 05 Jolay, mba tsy hiparitaka ka hisy fiantraikany amin’ny fahasalamam-bahoaka.

“Sady nodorana no nalevina”, hoy ny fanazavan’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana aty SAVA, Be Christophe.

Publié dans Sociale

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy androany 06 jolay 2018 ity fiara ‘’Toyota Fortuner 2018 full option’’ ity, izay ho an'ny Faritra SAVA.

Vola madiodio avy tamin’ny tamberim-bidy ho an'ny Faritra no nividianana azy.

Marihina eto hoy ny lehibeny Faritra SAVA Velomaro Faustin fa "volam-bahoaka no nahafahana nividy azy ity ho ampiasaintsika ato amin’ny Faritra, ka raha hampiasa azy izahay dia mitaky tamberin’andraikitra.

Publié dans Vaovao

L’équipe nationale de rugby sénior, les 15 Makis de Madagascar, a été reçue par le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, dans la matinée de ce 6 juillet, au Palais d'Iavoloha, avant son départ pour la Zambie, afin de disputer la Rugby Africa Silver Cup, du 8 au 14 juillet. Il s’agit de la seconde compétition de première division organisée par Rugby Afrique, qui prévoit deux poules, avec trois matchs chacune ; par la suite, les vainqueurs de chaque poule s’affronteront en finale, le 25 août, pour déterminer le gagnant du tournoi. Madagascar se trouve dans la poule Sud, avec le Botswana et la Zambie ; quant à la poule Nord, elle est composée de la Côte d’Ivoire, du Sénégal et de l’Algérie.

Publié dans Sport

Misy iraka mpisavalana avy amin’ny Vondrona Eoropeana tonga eto Madagasikara tamin’ny 29 jona lasa teo, iraka izay tarihin-dRtoa Concha Fernadez de la Puente.

Misy manampahaizana manokana telo, ny iray manampahaizana mikasika ny fifidianana, ny faharoa mikasika ny fitaovana na “logistique” ary ny fahatelo momba fandriampahalemana miaradia aminy, tonga hanao tombana ny zavatra azo atao sy mety ilana ny fanaraha-maso ny fifidianana hatao eto Madagasikara.

Publié dans Politique

Manome voninahitra ny lanonana aty an-toerana amin’ity andron’ny zoma 6 jolay ity ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, Randrianarisoa Guy Rivoniaina.

Isan-taona, isaky ny sabotsy voalohany amin’ny volana jolay no natokana ho Andro iraisam-pirenena ho an’ny kaoperativa, izany dia nankalazaina nanomboka ny taona 1923.

 

 

Publié dans Tselatra

Miteraka resabe eto amin’ny Kaominina Malakialina, Distrikan’i Mampikony androany ny fisian’ny taratasy entin’ny Ben’ny Tanàna izay voafidy avy amin’ny HVM, taratasy voasonian’ny lehiben’ny Distrikan’i Mampikony manolo Sefo Fokontany miisa 8 amin’ireo 21 ato amin’ny Kaominina Malakialina.

Fahefana avy aiza no ananan’ny Ben’ny Tanàna mitondra taratasy fanoloana Sefo Fokontany, ary maninona no amin’izao ankatoky ny fotoana hanatanterahana fifidianana izao no misy fanoloana sefo Fokontany, hoy ireo Sefo Fokontany voakasika.

 

Publié dans Tselatra

Nampafantarina omaly 05 jolay 2018 ny fahatongavan’ireo vomanga nafarana avy amin’ny FIFAMANOR (Fiompiana Fambolena Malagasy Norvezianina) any Antsirabe Vakinankaratra.

Ny fitondram-panjakana no niantoka azy, hoy ny Talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana aty SAVA, Dr Belahy Canut Dieudonné.

Hozaraina amin’ireo Kaominina rehetra ato amin’ny Faritra SAVA ireto vomanga ireto ka afaka telo na efa-bolana dia efa hahazoam-bokatra izany hoy hatrany ny avy amin’ny sampan-draharahan'ny fambolena.

Publié dans Economie
vendredi, 06 juillet 2018 14:54

Ivandry: Karana vavy nisy naka an-keriny

Karana vavy iray, fantatra amin’ny anarana Sabera Vasram, no nisy naka ankeriny tamin’ny 1ora atoandro teo teny Ivandry, akaiky ny Pullman.

Publié dans A la Une
Page 1 sur 2