Filtrer les éléments par date : jeudi, 05 juillet 2018

Mitarika vonjimaika amin’ny isan’ny baolina matiny hatreto ilay kapitenin’ny ekipam-pirenena anglisy Harry Kane ; enina (6) ny baolina tafidiny hatreto.

Laharana faharoa, samy nampidi-baolina efatra (4) avy i Romelu Lukaku (Belgique) sy Cristiano Ronaldo (Portugal).

Samy nampidi-baolina telo (3) avy hatreto i Yerry Mina (Colombie), Diego Costa (Espagne), Kylian Mbappé (France), Denis Cheryshev (Russie), Artyom Dzyuba (Russie) ary Edinson Cavani (Uruguay).

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Mondial 2018

Avec la mise en place du bloc opératoire, la population de Tsihombe, et de tout le district, n’a plus besoin de rejoindre Ambovombe pour les interventions chirurgicales classiques ; les soins et les services sont gratuits, et, pour l’heure, il s’avère nécessaire de renforcer l’effectif du personnel médical.

Pour ce qui est du Lycée Technique Professionnel de Tsihombe, il dispense, pour le moment, des formations en bâtiment et travaux publics ainsi qu’en comptabilité et gestion. Il a été aussi réalisé sur fonds propres de l’Etat, et l’AFD, Agence Française pour le Développement, apporte son appui au programme d'enseignement en BTP.

Publié dans Sociale

A Tsihombe, le Président Hery Rajaonarimampianina a tenu à sensibiliser la population sur le respect des lois, et de la démocratie. Il a rappelé la volonté de tenir à des élections libres, inclusives et transparentes.

Par rapport au respect des règles et des lois, le Chef de l'Etat a relevé certaines campagnes avant l’heure. C’est comme pour un match de coupe du monde, a-t-il dit, il y a toujours un sifflet pour signifier le coup d’envoi.

(Voir suite Galerie Photo)

 

Publié dans Politique

Difotry ny rano sy atsanga tamin’ny 1995 ny velaran-tany 300ha tao an-tanànan’i Adamalandy ary tsy afaka novolena.

Nanapa-kevitra ny Fokonolona tompontany fa hanokatra lakandrano vaovao hahafahana manondraka indray io velarantany io ho azo ambolem-bary. Mirefy 3,5km ny halavan’ny lakandrano nohadiana, ary efa nanomboka roa volana lasa ny asa momba izany.

Publié dans Sociale

Hery Rajaonarimampianina a annoncé ce jeudi à Tsihombe que les études sont réalisées également en ce qui concerne la réhabilitation de la RN 10 reliant le district d’Ambovombe (région Androy) et Toliara (région Atsimo Andrefana).

 

Publié dans Fil info

Matoy nialohan’ny fotoana ny lavanila taty Sainte-Marie, ka ho fiarovana ny vokatra sy hisorohana ny halatra mety hiteraka tsy fandriampahalemana no nandrosoana ny taom-piotazana lavanila ny alarobia 4 jolay 2018 raha toa ka ny 15 jolay vao tokony hisokatra ny taom-piotazana ho an’ny faritra Analanjirofo.

 

Publié dans Tselatra

Fampiharana ny didim-panjakana laharana 2018-583 ny 26 jona 2018 milaza ny fampihenan-tsazy nomen’ny filoham-pirenena ho an’ireo voafonja mamita sazy io. Ny alatsinainy 2 jolay no tonga teo am-pelantanan’ireo mpandraharaha ny fonja eto Toamasina io didim-panjakana io.

Miisa 460 eo ireo voafonja misitraka ity fampihenan-tsazy ity, ka ny 76 tamin’ireo no tonga dia afaka avy hatrany io alatsinainy 02 jolay io ihany. Ireo ambiny kosa mbola miandry ny fe-potoana fahataperan’ny saziny teo anivon’ny fitsarana ny fivoahany.

Mananika ny 1.230 ireo voafonja miandry fitsarana sy ireo efa voasazy tazomina ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy Toamasina amin’izao, raha 800 eo no zakany.

 

Publié dans Tselatra

Tsy nijanona akory ilay kamiao mpitatitra fasika fototr’ity loza ity, androany maraina tamin’ny 9 ora30 teo. Teo ampisongonana fiara ilay kamiao, no nifaoka ilay Bajaj. Tsy misy ny aina nafoy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanazava ny mpitondratenin’ny CENI, Rakotondazaka Fano fa ny fanatanterahana ny fifidianana mialoha ny fotoana no antony nitazomana ho 50 tapitrisa Ariary, toy ny tamin’ny 2013, ny fandraisana anjara ara-bola amin’ny fanotàna ny bileta arotsaky ny kandida isanisany amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

Nambarany ihany koa fa hiampy 5.000 isa eo ny birao fandatsaham-bato, ho fampiharana ny voalazan’ny andininy faha-125 amin’ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018 fa tsy tokony hihoatra ny 700 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray.

Publié dans Politique

ALERTE: Manafika ao Ambatomainty faritra Melaky ny dahalo amin'izao ora anoratana izao.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 3