Filtrer les éléments par date : mercredi, 04 juillet 2018

Nitrangana fanafihana mitam-basy tao Andilanatoby ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 4 jolay 2018. Tokantrano iray no lasibatr’izy ireo, voasava hatrany amin’ny valindrihana nikarohan’izy ireo ny vola.

Tonga namonjy ny Zandary avy ao Ambodinonoka, saingy nanaovan’ireo jiolahy fangalam-piery. Nifindra nanafika tao Ambodinonoka toerana niaingan’ny Zandary indray mantsy ireo jiolahy.

Publié dans Vaovao

Androany alarobia 4 jolay tamin’ny 3ora tolakandro no nisehoan’ny loza teo tampon’Ihorombe, 35 km atsimon’i Ihosy tampon-tanàna manaraka ny lalam-pirenena faha-7.

Fiara mpitatitra manao zotra Antsirabe-Toliara no vaky kodiarana teo ampandehanana mafy, ka izay no nampitsikasina azy tamin’ny arabe, niteraka ny loza.

Naratra ny 12 tamin’ireo mpandeha tao anatiny, ka voa mafy ny 5 tamin’ireo. Nanamora ny fitaomana ireo naratra ny fisian’ny Ambulance ao amin’ny hopitalin’i Ihosy.

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina androany teny amin’ny ministeran’ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Nanisana ny fandraisan’ny Vondrona Eropeana anjara ao anatin’ilay kitapom-bola iombonana ao amin’ny tetik’asa ho fanohanana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara na ny Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar (SACEM).

Izany moa no natao dia hoentina hikarakarana fifidianana madio, azo antoka, demokratika, milamina ary andraisan’ny rehetra anjara eto amin’ny firenena Malagasy.

Publié dans Politique

Manomboka mivoaka ny feo, ary tonga eny ampoto-tsofin’ny mpampianatra fa namoaka volavolam-bahaolana manoloana ny fitakian’ny mpampianatra izay anton’ny fitokonana saika manerana ny Nosy, sy ny tetiandro hanatanterahana azy ny komity mpanaramaso iraisan’ny ministeran’ny Fitantananam-bola sy ny Tetibola, ministeran’ny Asam-panjakana, ny Fanavaozana ny Fitantanan-draharahampanjakana, ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Lalàna Sôsialy ary ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Publié dans Vaovao

Notafihin’ny dahalo tao Ampandra, Kaominina Analaiva ny 20 jona 2018. Omby niiisa 225 no indray very tamin’io. Nanao fanarahan-dia ny Fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Tratra tao Tanambao, Kaominina Mandabe, Distrikan'i Mahabo, ny 3 tamin’ireo omby, nisy 100 hafa koa hita tao Andranotakatra ao amin’io Kaominina io hatrany.

Dahalo 5 lahy no voasambotra, ka ny 3 azon’ny Miaramila, ny 2 azon’ny Zandary. Voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana samihafa nitranga tamin’iny faritr’i Menabe iny izy ireo.

Re anefa ankehitriny fa misy manamboninahitra ambony sy mpanao politika ato Menabe, manao tsindry amin’ny hamotsorana ireo olona voasambotra ireo. Tranga izay ahiana hampiraviravy tanana ny mpitandro ny filaminana ary koa mety hampahazo vahana ny fitsaram-bahoaka, ity farany izay nilazan'ny praiminisitra Ntsay Christian fa tsy azo ekena intsony, fa atolotra ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana, izay olon-dratsy.

 

 

Publié dans Vaovao

- Manana solontena manerana ny Nosy ny Gasypatriote, ka ireny mpanao gazety na correspondant any ireny no mitrandraka ny vaovao sy sary any an-toerana.

Malalaka tokoa izy ireo amin'ny vaovao omeny sy ny fanehoan-kevitra tiany ampitaina ao anatin'izany.
Miankina amin'ilay mpanao gazety any an-toerana izany ny fomba fanoratra sy ny teny ampiasaina ao anatiny.

Publié dans Sociale

Potika ny ankamaroan’ireo foto-drafitrasa iraisana ao amin’ny « Parc de l’Est », ato amin’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe. Isan’ny toeram-pitsangatsanganana nahasarika ny olona rehefa faran’ny herinadro io toerana io teo aloha saingy ravain’ny olona ireo seza hakana ny vy ao anatiny.

Fananan’ny Kaominina ambonivohitra izy io, ary nisy fikarakarana niarahana tamin’ny fikambanana tsy miankina, saingy rava tanteraka izany, hany ka toa fieren-jiolahy ny « Parc de l’Est » ankehitriny.

Tsy fantatry ny mpitondra ve sa tsy raharahiany tsotra izao ?

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
mercredi, 04 juillet 2018 13:27

Morondava: « Opération » moto

Maro loatra ny loza ateraky ny moto eto an-drenivohitry ny faritra Menabe vokatry ny tsy fanarahana ny Lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

Hanao fanentanana ho amin’izay fanarahan-dalàna izay ny Polisim-pirenena eto Morondava ka haharitra 20 andro izany, aorian’izay dia hisy fanasaziana ireo mpitondra moto izay mbola minia mandika ny Lalàna mifehy ny fifamoivoizana, toy ny tsy fitondrana aroloha, tsy fisian’ny jiro, tsy fananana « permis »…

 

 

Publié dans Tselatra

Ny fihaonan’i Angleterre sy Colombie no nanakatona ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, tanterahina any Russie ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018.

Nirava sahala 1 noho 1 ny roa tonta tao anatin’ny 90 minitra, fe-potoana ara-dalàna. Tsy niova ny isa taorian’ny fanalavam-potoana. Taorian’ny « tirs au but » no nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 4 noho 3 i Angleterre.

Hihaona amin’ny ampahefa-dalana, holalaovina amin’ny sabotsy 7 jolay, i Angleterre sy Suède. Ity farany izay nandrava ny nofinofin’i Suisse, resy tamin’ny 1 noho 0.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Mondial 2018
mercredi, 04 juillet 2018 13:18

Anivorano Avaratra: Mijaly rano ny mponina

Sahirana amin’ny fahazoana rano fisotro ny mponina aty amin’ny Kaominina Anivorano, Distrikan’Antsiranana II. Nampanatena ny hamaha olana ity fitondrana Rajaonarimampianina ity saingy tsy tanteraka izany hatramin’izao. 

Efa nisy paompy fatsakana 40 eo teto an-toerana nefa tsy misy mandeha na iray aza amin’izao.

Lavadrano no akana rano amin’izao, tena sahirana ny mponina ka miantso ny hamahana olana.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2