Filtrer les éléments par date : vendredi, 20 juillet 2018
vendredi, 20 juillet 2018 22:51

ALERTE RN7 Mahaboboka Sakaraha:

Attaque et fusillade des dahalo malfaiteurs à 27 Km de Sakaraha, en direction de Toliara, 3km de Mahaboboka, route coupée.

 

Publié dans Fil info

Amin'izao zoma 20 jolay alina izao, dia manakana amin'ny vato eo ampovoan'ny arabe, 27 km miala ny Sakaraha raha ho any Toliara ireo dahalo, ary 3 km miala Mahaboboka.

Nisy kamiao voatora-bato, nisy sprinter izay nisy miaramila tao anatiny niezaka nitifitra ireo dahalo, fa manam-basy ihany koa ireo dahalo ka namaly tifitra.

Nihemotra avokoa aloha hatreto ny fiara, ireo dahalo kosa mamerina ny sakana izay nesorin'olona.

Noraran'ny polisy aloha hatreto ireo fiara tsy handeha hanoy ny dia ka dia maro ireo mijanona ao Sakaraha.

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 20 juillet 2018 21:27

Antalaha

Manohy ny fitokonana ireo mpampianatra

 

 

Publié dans Tselatra
vendredi, 20 juillet 2018 21:26

Ambalavao Tsieniparihy

Mitohy ny tolon'ireo mpampianatra.

 

 

Publié dans Tselatra

Nifanao fotoana teo amin'ny tokotaniben'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ireto mpampianatra marobe anio maraina.

Nanamafy izy ireo fa mitohy ny fitakiana ataon'ny mpampianatra manerana ny Nosy.

Nikasa ny ho eny amin'ny TVM Anosy kosa izy ireo handisoina ny filazan'ny DREN Analamanga sy ny Chef Cisco fa hoe miverina mianatra ny eto Analamanga.

Nisy ny fifampiresahana tamin'ireo mpitandro ny filaminana niandry ny vavahady, ny mba hiresahana amin'ny Talén'ny Tvm, fa nolazaina fa tsy ao i DG fa hisy mpanao gazety Tvm ho avy ao amin'ny MEN, haka sary anareo ary ho alefa amin'ny TVM, kinanjo niandry vasoka tao amin'ny ministera fa tsy nipoitra ny Tvm.

Publié dans Vaovao

Le Maire de la commune urbaine croupit aussi en prison pour avoir vendu illicitement le patrimoine de la Commune après investigation du Bianco.

Une équipe du Bianco, actuellement à Antsohihy, continue son enquête suite aux doléances reçues concernant la gestion financière et patrimoine de la commune urbaine.

(Agent-voyer: Fonction attribuée à une personne chargée de gérer les biens communaux, d'entretenir la voirie).

 

 

Publié dans Fil info

Nofoanana tamin'ny ora farany ny fahazoan-dalana izay efa nomena ny pasitera Mailhol sy ny antoko GFFM herinandro lasa izay hampiasa ny Complexe Sportif Ampisikina-Mahajanga rahampitso sabotsy.

Naverina niaraka tamin'ny taratasy fanakanana ny vola, satria izay hoy ireo tompon'andraikitra, ny teny midina avy any Ambony. Nohamafisina in-droa miantoana mihitsy ny fanakanana, omaly tolakandro tamin'ny 1ora sy sasany sy tamin'ny valo ora alina.

Voalazan'ny taratasy fanakanana fa tsy azo atao ny manao hetsika politika ao anatin'ny Complexe.

Publié dans Politique

Noraisin’ny tantsaha ho didiko fehy lehibe ny nilazan’ilay Senatera fa tsy tokony hihotra ny 100.000Ar ny kilaon’ny lavanila maitso aty SAVA.

Niteraka fahakiviana tamin’ireo tantsaha ihany koa ny fanelingelenana natao tamin’ny mpandraharaha vahiny iray izay sahy nampiakatra ny vidin’ny vanila manta ho 160.000 Ariary ny kilao.

Nandefasana mpitondra fanjakana mihitsy ity mpandraharaha nikasa hampiakatra ny vidim-bokatra ity namotopototra sao dia tsy ara-dalana ny antotan-taratasy ananany.

 

 

Publié dans Tselatra

Madagasikara dia manana ranomasina 1 225 259 km² na Zone économique exclusive, 370Km miala sy manodidina ny sisin-tanitsika. Raha 587 000Km² ny velaran-tany azo hitsahina, dia 1 812 259km² izany ny faritra azontsika ampiasaina, arovana, ary azo trandrahana, nefa isika 25 tapitrisa fotsiny.

Amin'ny tetikasa "Vitatsika io" izany dia:

Ilaina ny mandrindra io tany sy ranomasina eto amintsika io, ka asiana Préfet de la mer, miaraka amin'ny fanomezana andraikitra feno.

Itsinjara enina (6) izany ny ranomasina eo ambany fifehezan'ny Madagasikara, manaraka ilay fitsinjaram-paritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo.

Ka hisy izany Préfet de mer Avaratra andrefana, hisahana ny ranomasina amin'iny faritra iny, Préfet Avaratra atsinanana, dia toy izany koa ny ranomasina Afovoany andrefana sy Afovoany atsinanana, ary ny Préfet Atsimo andrefana sy Préfet Atsimo atsinanana.

Publié dans Editorial
vendredi, 20 juillet 2018 07:43

Pasteur Mailhol à Mahajanga 18 juillet 2018

Pasteur Mailhol à Mahajanga 18 juillet 2018

(Voir suite Galerie)

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2