Filtrer les éléments par date : lundi, 02 juillet 2018

Teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey, androany, ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa no namaly ampahibemaso ny resaka niely ny faran’ny herinandro iny, fa nosamborina. “Tsy misy matahotra eto”, hoy izy ary “mbola hijoro hatramin’ny farany” hanohy ny tolona.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Hihaona amin’ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra i Russie sy Croatie rehefa avy nanilika tamin’ny « tirs au but » 4 noho 3 an’i Espagne ho an’itsy voalohany, ary 3 noho 2 an’i Danemark ho an’ny faharoa rehefa samy nirava sahala 1 noho 1 taorian’ny 120 minitra ny lalao roa notontosaina omaly.

 

 

Publié dans Mondial 2018

Nidina an-dalambe ireo mpampianatra an-jantony maro ato Vakinankaratra ny marainan’ity alatsinainy 2 jolay ity niainga teo amin’ny tokontanin’ny DREN Vakinankaratra. Nambaran’Atoa Ratovonjanahary Njakasoa Robert fa tsy tompon’antoka amin’ny mety hisian’ny “taona fotsy” izy ireo fa ny mpitondra fanjakana izay manao tsinontsinona ny fitakian’ny mpampianatra.

Maninona ny mpitatitra vao indray andro monja no nitokona dia nivaly ny fangatahany, kanefa ny mpampianatra dia efa hananika ny telo volana no nitokona, kanefa fampanantenana poakaty foana no azon’izy ireo. “Satria ve tsy dia misy ilana azy ny mpampianatra?”, hoy hatrany izy ireo nanamafy.

Publié dans Vaovao

Nampahafantarina nandritra ny fankalazana ny fetin’i Masindahy Piera, izay mpiaro ny seminera zandriny eto Ambatondrazaka izy 29 mirahalahy ireo, izay iandraiketan’ny Pretra Eric Raharison.

Ankalazaina isaky ny 29 jona ny fetin'i Masindahy Piera, fa omaly alahady no nankalazana izany ho an'ny ankamaroan'ny Fiangonana Katolika.

Nisy ny hetsika ara-javakanto notontosain’ireo seminerista namarana ny fankalazana omaly alahady.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Le grand industriel et homme de communication Charles Andriantsitohaina tire sa révérence. Il avait 96 ans. L’enterrement aura lieu mercredi.

 

 

Publié dans Fil info

Ancien journaliste de la Radio Tsioka Vao, de Viva et tout dernièrement de On Air Radio et ancien Chargé d’affaires et non moins Consul adjoint par intérim à Marseille, Ramanandraibe Maurice Tsihiavonana, de son vrai nom, a succombé ce lundi des suites d’une longue maladie à l’Hôpital Militaire de Soavinandriana-Antananarivo.

(Voir suite Photo)

 

Publié dans Fil info

Nidina an-dalambe manodidina ny tanàna, manao fampisehoan-kery ireo mpampianatra manao fitokonana eto Antsirabe nanomboka ny maraina teo. Feno azy irey ireo ny arabe mahazo an’i Mahazoarivo sy Avaratsena iny, ary dia nitohana nanaraka izay ny fifamoivoizana.

Manohy ny diabe hiazo ny lapan’ny tanàna sy ny distrika ireo mpanao fitokonana amin’izao.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Manohitra ny fitsofohan’ireo taxi-ville, tonga mitatitra olona hatrany amin’ny suburbaine na ireo tanàna manodidina ivelan’i Sambava tampon-tanàna ireo taxi-brousse manao zotra rezionaly. Etsy ankilany anefa dia mahazo fahazoan-dalana manokana, « autorisation spéciale » ireo taxi-ville, ka io no mampifanolana ny roa tonta.

Nisy ny sakan-dalana tamin’ny faran’ny herinandro teo. Nobahanan’ireo taxi-brousse ny lalana tsy nahafafahan’ny taxi-ville nandeha ivelan’ny renivohitra.

Publié dans Vaovao

Tonga maro eto Antamponivinany ny mpampianatra, manohy ny fitokonana sy ny fitakiana ataon’izy ireo hanatsarana ny fari-piainana sy ny tontolo iasan’izy ireo.

Miaraka amin'ny mpanao mozika mihitsy ny mpanao fihetsiketsehana amin’ity anio ity.

 

Publié dans Tselatra

Betsaka ny tanora no tsy an'asa, tsy mianatra, tsy misy fialam-boly, tsy misy fotodrafitrasa amin'ny sport atao, betsaka ireo film sy hirahira tsy hay fototra sy mamoafady, ny Ray aman-dreny tsy maharaka intsony ny fanabeazana, ny fiaraha-monina mikorontana tsy manabe ny tanora intsony, ny mpitondra be kolikoly, tsy manome modely.

Fositra manimba ny tanora ny zava-mahadomelina izay misarika azy, ka dia programa goavana amin'ny tetikasa "Vitatsika io" ny hiatrehana izany ady amin'ny zava-mahadomelina izany manomboka any amin'ny fenenjehana ireo mamboly izany sy izay manamboatra azy, ny kolikoly ao anatiny ary ny famarotana sy fanondranana izany any ivelany.

Publié dans Sociale
Page 1 sur 2