Filtrer les éléments par date : mercredi, 18 juillet 2018

Kamiao iray avy namonjy tsena tany Beala hihazo an'ny Bezaha no nivadika tao Isalo (Andavak'akio) tamin'ny alahady 15 jolay teo. Mevesatra loatra ary tampaka teo ampidinana ny hisatra.

Olona 10 hatreto no fantatra fa namoy ny ainy, 4 maratra mafy noentina aty Toliara, amampolony maromaro maratra avokoa.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Dingana amin'ny fanatontosantsika ireo tetikasa lehibe entina mampandroso ny Firenentsika ny fandresentsika amin'ny fifidianana Filoham-pirenena.

Mila ny fandraisana anjara mavitrika avy amintsika rehetra izany, na ara-bola, na ara-pitaovana, na ara-tsaina sy ara-panahy.

Ho tanterahitsika ny fampidirana ny rehetra hianatra, hiasa ary ireo fotodrafitrasa maro, toy ny autoroute mandidina an'i Madagasikara, ny Canal des Pangalanes sy ireo nouvelles villes, ny fanamboarana trano, ny port, aéroport goavana, ny lalamby ampitohy an'i Cap d'Ambre Antsiranana amin'ny Cap Sainte Marie any Androy hanaraka ny sisin-dranomasina atsinanana, ny rano madio sy ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny angovo, ny fambolena hazo sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary indrindra ny fandriam-pahalemana. Ny ady amin'ny Kolikoly sy ny tsy maty manota.

Publié dans Editorial
mercredi, 18 juillet 2018 14:35

Antsirabe: Miitatra ilay fandrobana tao Betafo

Niitatra teto Antsirabe ny fandrobana ny tranon’ilay mpandraharaha niharan’ny fandrobana sy rava fananana tao Betafo ny Alatsinainy teo, vokatry ny feo niely fa misy mangala-jaza mihazo halatra taova. Manana trano eto Andrefantsena-Antsirabe ihany koa ilay mpandraharaha ka omaly Talata maraina dia efa niely ny feo fa hisy andian’olona avy any Betafo handrava ny tranony, izay mpanofa no mipetraka ao.

Mailo ireo mpanofa vao nandre izany ka nanala avy hatrany ny entana azo raisina, ary nampian'ny fokonolona tao Andrefantsena mihitsy aza. Ny tolakandro dia tomefy olona tokoa teo an-toerana, izay efa toa niandriandry zavatra fotsiny.

Publié dans Vaovao
mercredi, 18 juillet 2018 14:14

NO COMMENT

Un sage chinois conseille son empereur : « Si vous voulez détruire un pays ennemi, inutile de lui faire une guerre sanglante qui pourrait durer des décennies et coûter cher en pertes humaines. Il suffit de lui détruire son système d’éducation et d’y généraliser la corruption. Ensuite, il faut attendre vingt ans, et vous aurez un pays constitué d’ignorants et dirigé par des voleurs. Il vous sera alors très facile de les vaincre ».

(Photo Archives Gasypatriote Sambava - EPP Antsiatsiaka Bevontro)

 

Publié dans Fil info
mercredi, 18 juillet 2018 12:16

Fianarantsoa: Naato ny fanadinana EPS

Nanomboka ny 16 jolay ny fanadinana fanatanjahan-tena bakalorea eto Fianarantsoa sy ny manodidina, saingy naato izany taorian'ny fivoriana ny harivan’io ihany. Notontosaina tao amin'ny biraon'ny Prefe izany fihaonana izany.

Raha ny tokony ho izy dia maharitra 15 andro ny fotoana anatanterahana ity adina ara-panatanjahantena ity. Efa nahazo fiantsoana, na convocation, ireo mpianatra hiatrika izany. Fa nihaona ny mpikambana ao amin'ny Sempama eto an-toerana sy ny mpanadina EPS ary ny solontenan'ny Ofisy misahana ny bakalorea, ka noraisina io fanapahan-kevitra niraisana io.

Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe, iza no nandefa sy nizara ny fiantsoana ireo mpianatra mba hanatrika ny fanadinana ireo?

Publié dans Sociale

Rehefa mamokatra ny mpandraraha iray, na fambolena, na fiompiana, na jono, na indostria, na asa tanana na service dia mizara roa ny tsena mety amarotany ireo vokatra ireo:

1- Ny Tsena anatiny:

Izany hoe ireo mpanjifa eto an-toerana, na manodidina ny toeram-pamokarana, na miampita distrika sy faritany no mividy ny entana na service amidiny.
Hetra redévance, sy ny TVA ihany no vola aloany amin'ny fanjakana eo amin'ny entana amidiny.

Zava-dehibe eo izany ny fahatsaran'ny làlana amoaham-bokatra, ny fahamoran'ny fitanterana, ny fitehirizan'entana sy ny fandriam-pahalemana.

2- Ny Tsena ivelany:

Misy kosa entana izay nahitana mpividy any ivelan'ny Firenena, na entana sarotra jifaina eto an-toerana, noho ny mbola tsy fananana indostria ampiasana izany, na azahoana tombony kokoa ny famarotana azy any ivelany noho ny atsaran'ny vidin'entana.

Publié dans Editorial

Le Conseil hebdomadaire des Ministres a été avancé en ce mardi, du fait de la tenue, en Zambie, du Sommet du COMESA les 18 et 19 juillet, le Chef de l’Etat en assurant la présidence depuis 2016.

En marge de l’ordre du jour, le Président de la République a appelé le gouvernement à poursuivre les efforts et le travail qui amèneraient aux élections dans l’apaisement.
Ci-près le relevé des décisions :

Publié dans Politique
mercredi, 18 juillet 2018 09:21

Lusaka: 20ème Sommet du COMESA

Le Président de la République de Madagascar, Hery Rajaonarimampianina, également Président en exercice du COMESA (Marché commun de l'Afrique orientale et australe), est arrivé ce 17 juillet 2018, en fin d’après-midi, à Lusaka, capitale de la Zambie. Il va participer au 20ème sommet des Chefs d’Etat et de Gouvernement qui se tiendra ce mercredi 18 et le jeudi 19 juillet.

Il a été accueilli au Kenneth Kaunda International Airport par la Ministre des formations supérieures de la Zambie, Nkandu Luo, et le Secrétaire Général du COMESA, Sindiso Ndema Ngwenya.

Publié dans Politique

Namoaka naoty ny prefektioran’i Mahajanga ny maraina teo fa tsy azon’iza n’iza atao afa-tsy ny ben’ny varavarana ihany ny mifamezivezy ao amin’ny Doany Miarinarivo efadahy Manankasina nanomboka omaly 17 jolay 2018 maraina ary hatramin’ny fotoana tsy voafetra.

Noraisina io fanapahan-kevitra io ho fandaminana amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fampandriana fahalemana eny amin’ny Doany. Raikitra indray mantsy ny sakoroka teny an-toerana ny alatsinainy teo. Nisy ny naratra vokatry ny tora-bato sy ny vely kibay.

Publié dans Vaovao

Vonona ny hanohana ny tetikasa fotodrafitrasa eto Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena. Nivoitra io, tetsy Anosy ny alatsinainy 16 jolay 2018, nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Asa Vaventy sy ny Fotodrafitrasa, Andriantiana Jacques Ulrich sy ny delegasiona notarihin’ny solontena maharitra ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Coralie Gevers.

Voaresaka nandritra io fihaonana io ny fandinihina ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta eo amin’ny sehatry ny asa fanamboaran-dalana ao anatin’ilay tetikasa vaovao antsoina hoe « Appui à la connectivité de transports ».

Publié dans Vaovao