Filtrer les éléments par date : mardi, 17 juillet 2018
mardi, 17 juillet 2018 23:07

Fanabeazana fa tsy fampianarana

Fahadisoan-kevitra mihitsy ny fiheverana hoe ny diploma na ny examen no tanjon'ny fampianarana. Na koa hoe misy fotoana vonjena ka tsy maintsy vitaina amin'ny daty voatondro ny examen.

Matoa izy natao hoe ministeran'ny Fanabeazana fa tsy ministeran'ny fampianarana, dia fibeazana izany no ratovina, miaraka amin'ny fahaizana.

Koa tsy mahagaga raha be no nianatra eto amintsika fa tsy manam-pahendrena, ka dia hita amin'ireny fiainantsika andavan'andro ireny, samy miampita arabe eny amin'izay tiany, mampidina fitaratra elektrikana fiara tsarabe, nefa manipy hoditr'akondro ety ivelany.

Manjaka ny kolikoly, ny mpitondra mangalatra, manipy vary fotsy sy tee-shirt kely, dia roboka avokoa ny olona mifidy.

Raha tiana potehina ny firenena, dia aza mandefa baomba ao, fa ny fampianarany sy ny fanabeazany no poteho.

Publié dans Editorial

Nitrangana savorovoro teto an-drenivohitry ny Distrikan’i Betafo ny harivan’ny Alatsinainy 16 Jolay 2018. Feo niely amina fisiana hala-jaza sy vono olona, toy ny nitranga tany Antsahondra-Manohisoa no nitarika famotehana sy fandrobana fananan’olona teto.

Publié dans A la Une

Namaly ny antson’ny APELM (Association des professeurs des écoles libres de Madagascar) sy ny mpianatry ny oniversite ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ka nanolotra fitaovana hanampiana azy ireo amin’ny hanatanterahany ny « cours » maimaimpoana hanampiana ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana izay hiatrika fanadinana (T5, T9, Terminale).

Ny alarobia 18 jolay avy hatrany no hanomboka ny “cours” ho an’ny faritra Analamanga, efa noraisina ny fepetra hiarovana ny filaminana amin’izay hoy ny minisitra Horace Gatien. Voalaza mantsy fa mahazo fandrahonana ho faty ny filohan’ny APELM, Rakotonirina Justin Etienne noho izao tolo-tanana ataon’izy ireo izao.

Publié dans Vaovao

Nampihaonin’i Praiminisitra Ntsay Christian ny minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, Maharante Jean de Dieu, sy ny mpitondratenin’ny mpiasan’ity ministera ity androany, fihaonana savaranonando hitadiavana vahaolana hampandehanana ny asa.

 

Publié dans Tselatra

Tamin'ny fanombohana dia nanakana ny tsy hanaovana ity fanadinana CEPE andrana ireo SEMPAMA tao an-toerana. Voalaza anefa fa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny Cisco Soalala sy ireo mpampianatra manao fitokonana ka nisy ny marimaritra niraisana nahafahana nanatontosa ny fanadinana.

 

Publié dans Tselatra

Fanohizana ny zavatra vitan'ny teo aloha ary hanakaiky kokoa ny vahoaka no vina ho an'ny filoha vaovaon'ny fikambanana Rotary Club lac Alaotra, Rakotondranaivo Andry. Hoezahina mba hiantefa any amin'ireo tena sahirana ara-pivelomana ny asa soa izay tanterahan'ny fikambanana.

Nanambara ny filoha teo aloha, ny dokotera Razafindramanana Rija, fa iriany ny hitohizan'ny ezaka amin'ny fanatsarana ny tobim-pahasalamana, indrindra fa ny CHRR Ambatondrazaka.

(Jereo sary Tohiny)

Publié dans Tselatra

Tsy mandry fahalemana ny Distrikan'Ikalamavony, mila ho isan'andro no andrenesana fanafihan-dahalo amin'ireo kaominina ao anatin'ity distrika ity. Eny fa eto an-tampon-tanana aza voatafika. Manampy trotraka ny haratsian-dalana, izay hararaotin'ireo olon-dratsy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Filaharambe no nataon'ny mpanabe teto an-drenivohitr'i DIANA androany nanambaran'izy ireo fa tsy hisy fanadinana andraisan'izy ireo anjara raha tsy mivaly ny fitakiana.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
mardi, 17 juillet 2018 14:21

Ambatoboeny: Tsy raikitra ny CEPE blanc

Saika ho tanterahina tamin'ny herinandro teo ny adina ara-panatanjahantena na EPS BAC nefa tsy tanteraka izany noho ny fitokonan'ny mpampianatra.

Publié dans A la Une
mardi, 17 juillet 2018 14:08

Blanchiment d’argent

Madagascar figure au 4ème rang des pays les plus pauvres au monde selon le Fond Monétaire International (FMI), avec un Produit Intérieur Brut (PIB) de 424 Us$ par an ! C’est-à-dire qu’un Malagasy gagne moins de 4350 MGA par jour !

En réalité ce ne sont que des résultats à partir de projections et autres calculs statistiques. Des enquêtes et observations révèlent que certains 4’mis mendiant sur le trottoir gagnent 5-10 000 MGA à chaque fin de journée !

Trêve de plaisanterie, dans les pays les moins avancés (PMA) comme Madagascar, les contrastes sociaux sont impressionnants.

Publié dans Editorial
Page 1 sur 2