Filtrer les éléments par date : jeudi, 12 juillet 2018

Notanterarihana tao amin'ny Espace Royal Bateravola ny tolakandron'ity alakamisy 12 jolay ity ny famoriana ireo sampana mpanaradia ny antoko TGV ifotony.

Ny biraon'ny mpikambana mpanorina ny antoko eto amin'ny farintany no nitarika ny fotoana.

Fantatra tao anatin'izany fa eto Fianarantsoa no hamaranan'i Andry Rajoelina ny fitsidihana faritra izay tanterahiny amin'izao fotoana izao.

Nambata teto ihany koa fa ny 01 aogositra ho avy izao no hanatanterahana ny kongresy nasionalin'ny antoko ao an-drenivohitra.

Publié dans Tselatra

Taorian'ny Manakara omaly, dia manohy mianatsimo atsinanana hatrany ny Pasteur Mailhol, izay efa nanambara fa kandida ho Filoham-pirenena.

Androany ity Filohan'ny antoko GFFM ity, dia nifamotoana tamin'ny vahoakan'ny Farafangana, izay nahavory olona marobe tokoa na dia efa maizina aza ny andro.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 12 juillet 2018 18:31

Inona ilay Kardinaly

Misy antanatohatra eo amin'ny Fiangonana Katolika.

- Ny Petra na Mopera no misahana ny Paroasy na ireny fiangonana hitantsika eo anivon'ny Fokontany ireny;
- Ny Eveka no misahana ny Diosezy, na région raha ampitovitoviana amin'ny rafi-panjakana. Ny Cathédral no paroasy sahanin'ny Eveka.
- Ny Pape misahana ny Diocèse de Rome.

Tsy mifampitsabaka andraikitra ireo, na dia manana fahefana ihany aza ny Pape.

Ny Arseveka, dia Eveka iray misahana fandrindrana Diosezy maromaro na ilay hoe Archidiocèse.

Publié dans Sociale

Sinoa no tena mpandray ny vokatra lojy avy any Soafia tonga eto Mahajanga. Tato ho ato anefa dia mamilafila miharo fanararaotana no ataon’ireo Sinoa mpamongady ireo. Tsy marin-toerana fa miaka-midina ny vidy andraisan’izy ireo ny lojy. Tsy mandray amin’ny gony (bag to bag) toy ny fanao hatrizay koa ireo Sinoa fa manivana ka izay tiany sy ilainy ihany no raisiny ary miovaova ny vidiny .

Publié dans Economie

Antonio Sanchez-Benedito, quittera Madagascar au terme d’un mandat de quatre années. Il est venu faire ses adieux au Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, dans la matinée de ce 12 juillet, au Palais d'État d'Iavoloha. Il s’est déclaré satisfait et heureux de voir que ces quatre années ont donné une nouvelle impulsion aux relations entre les deux parties.

Publié dans Politique

Tsy afa-po amin'ny fitakiana nataony ireo mpampianatry ny Lisea Teknika Antsirabe ka nidina an-dalambe ny andron'ny alakamisy 12 jolay 2018. Nialoha an'io moa dia nisy ny fivoriana niarahana tamin'ireo ray aman-dren'ny mpianatra nanazavana ny tolona ataon'ny mpampianatra ka nahatonga ireo ray aman-dreny nanohana ny hetsiky ny mpampianatra io.

Publié dans Tselatra

Tsaho avokoa no niely tamin’ny tambazotran-tserasera omaly milaza fa misy Silamo manao trafika taova ao amin’ny tanàna atao hoe Antsahondra, Kaominina Manohisoa, Distrikan’i Betafo. Tanàna miorina an-kavoana i Antsahondra ary Malagasy, mpifindra monina no nanorim-ponenana ao efa ho efa-taona izao.

Ny mahatonga ny ahiahy dia ny fisiana 4x4 mivezivezy ao, fanorenana trano lehibe iray ka io no nisy nanely tsaho fa Mosquée. Notafihin’ny Fokonolona niaraka tamin’ny Zazamainty sy Zazamena (Andrimasompokonolona) tao Antsahondra omaly fa hoe : mangala-jaza ; vao avy nisy tovolahy mpiandry voalaza fa very saingy tafatsoaka ka tafaverina ny ampitson’ny nahaverezany ka ny fitantarana miendrika fijoroana vavolombelona nataony no nampirongatra ny hatezeran'ny olona, ka nampirohotra azy ireo hanafika tao Antsahondra.

Publié dans Vaovao

Fiaramanidina manokan’ny kaompania MTA no nitondra ny Kardinaly Tsarahazana Désiré. Nitsena azy teny Ambalamanasy ny Prefen’i Toamasina, ny lehiben’ny Faritra Atsinanana ary ny avy amin’ny Arsidiosezin’i Toamasina.

Misy ny karnavaly lehibe miazo ny Katedraly Ampasimazava misy toeram-piasana sy toeram-ponenan’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré.

 

 

Publié dans Tselatra
jeudi, 12 juillet 2018 13:24

Elections discriminatoires

Le Comité Electoral National Indépendant (CENI) déclare que le montant de la caution pour les élections présidentielles de 50 millions MGA (Ariary) est maintenue, compte tenu du caractère anticipé de ce prochain suffrage. 

Ce montant servira en partie à la prise en charge de la confection du bulletin unique. 50 millions de MGA équivaut à 300 mois de salaire d’un Smicar !

Mais la Décision n° 15-HCC/D3 du 3 mai 2018 portant sur la loi organique n°2018-008 relative au régime général des élections et référendum est claire sur la contribution aux frais d’impression des bulletins uniques :

Publié dans Politique

Nanomana fitsenana makotroka ny Kardinaly Tsarahazana Désiré ny mpino Katolika sy ny vahoakan'i Toamasina tamin'ny fahatongavany androany eto an-toerana.

(Jereo tohiny sary na Album Photo)

 

Publié dans A la Une
Page 1 sur 2