Filtrer les éléments par date : dimanche, 01 juillet 2018

Fiara mpitatitra mampitohy an’i Manalalondo, Distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy  no niharan-doza teo amin’ny tetezana Ombifotsy, amin’ny lalam-pirenena voalohany akaikin’Ambatonapoaka, raha niainga maraina avy ao Antananarivo.

Nandona omby, avy eo niala lalana, ka nitsoraka tany anaty rano, notatazan’ny vato ilay fiarabe.

Publié dans Tselatra

Notokanana ny zoma 29 jona teo ny Bloc Commercial, nanome endrika ny tanànan'i Toamasina. Herimpon’ny fiadidiana ny tanànan’i Toamasina, araka ny nambaran’ny Ben’ny Tanàna Elisée Ratsiraka, no nenti-nanana azy niaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka sy ny fiaraha-miasa amin'ireo matihanina amin'ny fanorenana ary ny mpivarotra sy ny vahoaka izay hampiasa azy.

Publié dans Sociale

Tontosa ny sabotsy 30 jona maraina tao amin'ny piscine olympique CRJS Toamasina ny fanokafana ofisialy ny lalao ara-panatanjahantena eo anivon'ny mpiasampanjakana, izay fanatanjahantena fitaizam-batana, tafiditra anaty programan'ny ASIEF na ny Associaton sportive Inter-ministérielle pour l’entretien des fonctionnaires.

Nosantarina tamin'ny matso nataon'ireo mpandray anjara, narahan'ny fianianan'ireo mpitsara ankilany sy ireo mpilalao andaniny fa hanaraka tsara ny fepetra misy.

Publié dans Sport

Après la "création" (nomination) par le Pape François au rang du Cardinal de Saint Siège, l’Archevêque de Toamasina et Président de la Conférence épiscopale des Évêque à Madagascar, rentrera au pays ce mardi 10 juillet 2018. 

Publié dans A la Une

Higadona ny talata 10 jolay amin'ny 3 ora tolak'andro etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, rehefa avy nanao ny fombafomba reheta tany Vatican Rome ny 28 sy 29 jona lasa teo.

Hiazo ny lalana Ambohibao, Ambohimanarina, route du Pape izy io talata io, ary hivantana eny amin'ny Nonciature Ivandry.

Ny ampitso alarobia 11 jolay amin'ny 5 ora hariva kosa izy no ho raisin'ny Diocezin'Antananarivo amin'ny fanampoam-pivavahana izay atao ao amin'ny Fiangonana Katolika Antanimena.

Publié dans Tselatra

Le Président de la République Hery Rajaonarimampianina est arrivé à Nouakchott, capitale de la Mauritanie, dans la matinée du 30 juin 2018, pour participer au 31ème Sommet des Chefs d’État et de Gouvernement de l’Union Africaine. C’est la première fois de son histoire que la Mauritanie abrite cette conférence qui verra une quarantaine de Chefs d’État et de Gouvernement de 55 pays africains dont le thème est : « Gagner la lutte contre la corruption, un chemin durable vers la transformation de l’Afrique ».

Publié dans Politique

Nisy omaly ny fivoriana fanomanana nataon’ny komity mpanomana ny tolon'ny mpanabe eto Vakinankaratra ao amin’ny FMFV (Fivondronamben'ny Mpiasan'ny Fanabeazana eto Vakinankaratra) nanomanana io hetsika goavana hotanterahina eto Antsirabe renivohitr'i Vakinankaratra ny alatsinainy 2 jolay.

Nanova ny paik'ady rehetra ny FMFV mba ho fanamafisana ny fitakiana manoloana ny fizirizirin'ny mpitondra tsy mamaly ny fitakian'ny mpanabe.

Mikatona daholo ny sekoly amin’ireo CISCO miisa 7 ato anatin'ny DREN Vakinankaratra, tsy misy sekoly mivoha manomboka io alatsinainy 2 jolay io raha ny filazan’ny komity mpanomana, ka eo amin’ny tokotanin'ny DREN izy ireo no hanao rodobe hifamotoana amin’izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Tselatra

La Journée mondiale du bandeau blanc contre la pauvreté est aussi célébrée le 1er juillet.

 

Publié dans Fil info