Filtrer les éléments par date : jeudi, 07 juin 2018

Ao anatin'ny tetikasan'ny Vitatsika io dia entina amintsika eto ny resaka tetibola sy famatsiam-bola.

Ho antsika mbola misalasala hoe aiza no ahita vola fa mahantra isika. Mila mpamatsy vola any ivelany hatrany isika.
Tsy marina.

Ity aseho anareo ity ny tetibolam-panjakana amin'ity taona 2018 ity.

Raha tsorina dia 6 400 miliara Ariary eo ny fitambarany.
5 000 miliara Ariary eo no azo avy amin'ny hetra eto an-toerana, izany hoe vola nalaina taminao isaky ny mividy zavatra ianao.

Samy mandoa isam-batan'olona 250 000 ariary isan-taona izany isika Malagasy 20 tapitrisa. Ka raha 5 ao an-trano isika dia 1 250 000 ariary na 6 250 000 fmg izany no anjara naloantsika tamin'ny fanjakana tamin'ity taona 2018 ity.

Publié dans Economie
jeudi, 07 juin 2018 14:57

Mission difficile de Christian Ntsay

Après une passation assistée par la Communauté Internationale et les anciens membres du précédent gouvernement, Christian Ntsay recueille le flambeau de la main de Mahafaly Solonandrasana? au palais d’Etat de Mahazoarivo.

Publié dans A la Une

Manohy ny fitokonana eto Antamponivinany ireo mpampianatra sy mpanabe, androany maraina, manohana ny tolon’ny fanovana. Mikatso ny fampianarana amin’ny sekolim-panjakana saika manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa efatra ato Amoron’i Mania.

 

 

Publié dans Tselatra

Nirava maina ny fampianarana teny amin'ny LTP Mahajanga nanomboka ny maraina teo. Mitokona ny mpampianatra sy ny mpandraharaha, miara-mirona amin'ny any amin'ny foibe any Antananarivo mahakasika ireo fitakiana ny tombotsoa maro isan-karazany tsy nositrahin'izy ireo hatramin'izay sy ny amin'ny tokony handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra sy mpandraharaha tsy mbola tafiditra ao anatin'izany.

Efa niverina nianatra ny LTP Mahajanga taorian'ny fitokanana teo aloha, izay efa nilamindamin-dratsy rehefa nisy ny fifampiresahana tamin'ireo tompon'andraikitry ny ministera mpiahy. Nipoaka indray nanomboka androany ny an'ireo mpampianatra sy mpandraharaha.

Publié dans Tselatra
jeudi, 07 juin 2018 13:40

Mahazoarivo: Famindram-pahefana

Notanterahina ny alarobia 06 jona 2018 ny fanaovan-tsonia, famindram-pahefana, teo amin'ny praiministra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny praiministra vaovao Ntsay Christian Louis, izay avy amin'ny marimaritra iraisana.

Marihina moa fa natolotry ny antoko MAPAR ity praiminisitra vaovao ity.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Tao Namoly, toerana misy ny valanjavaboary Andringitra no nanatanterahana ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny tontolo iainana taty amin’ny faritra Matsiatra Ambony ny talata 05 jona 2018.

Hetsika maro samihafa no nentina nankalazana izany toy ny fambolen-kazo, fifaninanana tononkalo, fifaninanana manangona fako plasitika, vakodrazana.

Ady amin’ny plasitika no lohahevitra nentina nankalazana izany taty.

 

 

Publié dans Sociale

Fanafihana ny ONG Sodifanana tao Miaramasoandro-Vatofotsy ny 12 mey 2018 no nahasamborana ireo jiolahy sasany raha ny fanazavana nentin’ny Contrôleur Général de Police Ramilison Célestin, lehiben’ny Polisy eto Antsirabe.

Ordinatera sy finday ary vola no lasa tamin’io fanafihana io. Ny 15 mey 2018 dia tazan’ireo niharam-boina tao anaty toeram-pisotroana ny roa tamin’ireo jiolahy, satria tsy nisaron-tava izy ireo nandritra ny fanafihana ka dia tadidiny tsara.

Niantso mpitandro filaminana ireo, ka nisambotra avy hatrany azy roalahy ary notanana am-ponja vonjimaika satria mbola nitohy ny fanadihadiana.

Publié dans Vaovao

Taorian'ny fanendrena ny Praiministra Ntsay Christian hitarika ny governemanta vaovao, mankasitraka ny fanapahan-kevitra noraisin'i Andry Rajoelina mpitarika ny vondrona maro an'isa ao amin'ny Mapar ny TGV Fondateur sy ny vondron'ny mpiasam-panjakana miaradia amin'ny tolon'ny fanovana eto Fianarantsoa tamin'ny fanendrena ny Praiministra izay manaraka ny andininy faha-54 ao anaty ny Lalampanorenana.

Nambaran’izy ireo tao amin'ny Espace Royal Bateravola, eto Fianarantsoa, ny harivan'ny talata 5 jiona 2018, fa “olona tena manana traik'efa sy azo antoka i Ntsay Christian” ka “manohana ny fijoroan'ny governemanta tarihiny, mba hisian'ny fifidianana azo antoka”.

Nohamafisin’ireo mpanao fanambarana fa fanovana hatrany ifotony ireo tompon'andraikitra efa tsy nahomby sy nanao kolikoly no fanomezana hasina ny rà latsaka noho ny tolona.

(Jereo sary tohiny)

 

Publié dans Vaovao

La Haute Cour Constitutionnelle n’a pas encore statué, du moins jusqu’à ce jour du 07 juin 2018, sur les requêtes du Groupe parlementaire Tiako i Madagasikara, représenté par son Président Mr Randriamandimbisoa Félix, du 29 mai 2018, aux fins de déchéance des Députés Ravahimanana Guillaume Marie Ubald (Miarinarivo) et Andriamitantsoa Rahasindraibe Benjamin (Antananarivo Avaradrano);

Publié dans Politique

50 000 étudiants universitaires

500 000 élèves professionnels publics ou privés

Bac+3 miakatra: 250 000 ariary/isam-bolana
Bac - Bac+3: 125 000 ariary/isam-bolana
BEPC- Bac (Ecole Professionnelle publique ou privée): 50 000 ariary/isam-bolana

* Bac+3 miakatra: 15 000 x 250 000 ariary/isam-bolana = 3,750 miliara ar x 9 mois = 33,750 miliara ar/an = 11,250 millions de dollars/an
* Bac - Bac+3: 35 000 x 125 000 ariary/isam-bolana = 4,375 miliara ar x 9 mois = 39,375 miliara ar/an = 13,125 millions de dollars
* BEPC- Bac (Ecole Professionnelle): 500 000 x 50 000 ariary/isam-bolana = 25 miliara ar x 9 mois = 225 miliara ariary = 75 millions de dollars

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2