Filtrer les éléments par date : mercredi, 06 juin 2018

Nahazo foto-drafitrasa vaovao fiandrasana bus miisa enina ny Kaominina ambonivohitr'i Mahajanga. Toerana izay sady misy alokaloka no misy fipetrapetrahana. Faritra maromaro no nametrahana izany foto-drafitrasa izany, toy ny eny amin'ny toby fiantsonana nasionaly Aranta, eny amin'ny bord de la mer, ny Makilok, manoloana ny lisea Philibert Tsiranana ary Manjarisoa.

Ho fanatsarana ny tanàna sy ho fanaporofoana amin'ny mponin'i Mahajanga amin'ny fangaharahan'ny fitantanam-bola eny anivon'ny Kaominina izao zava-bita izao raha ny nambaran'ny Ben'ny Tanàna Andriantomanga Mokthar Salim.

Publié dans Vaovao

Miato avokoa ny asa aman-draharaha sy ny fampianarana ao amin’ny Lycée Antsohihy. Nanomboka ny alatsinainy 4 jona izany, noho ny fitokonan’ny Mpampianatra sy mpandraharaha.

Amin’ny alatsinainy 11 jona no hiverina amin’ny laoniny ny fampianarana raha mivaly ny fitakian’izy ireo, izay miara-dalana amin’ny fitakian’ny sendikan’ny mpanabe manerana ny Nosy.

 

Publié dans Tselatra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha-44 ny maraina teo. Taxi-brousse an’ny kaoperativa Anjara Trans niainga tamin’ny 6ora maraina avy eto Ambatondrazaka hiazo ny renivohitra, no nifandona tamin’ny kamiao. Mpandeha miisa 6 no naratra mafy vokatr’izany, ary nentina maika namonjy ny hopitaly Andilanatoby.

Nangala-dalana ilay kamiao, no voalaza fa niteraka ny loza.

 

Publié dans Tselatra
mercredi, 06 juin 2018 13:30

Christian Ntsay

“Je suis ouvert aux dialogues”.

 

Publié dans Fil info