Mahajanga: Tonga ny tolak'andro teo i Andry Rajoelina
Tonga maro ireo olona nitsena an'i Andry Rajoelina ny tolak'andron'ity zoma 22 jona ity.
Tsy nisy ny sakatsakana toy ny nitranga farany teo raha nikasa ny ho aty Mahajanga ity filohan'ny tetezamita teo aloha ity.
Port-Bergé: Nodoran'ny Besaboa ny résidence distrika
Mpikambana iray amin'ny Besaboa voarohirohy tamina halatra ka voasambotra ary nampidirina amponja. Nafindra fonja ao Mampikony.
Tsy nanaiky izany ny Besaboa, ka tonga nanao andiany mitaky ny hamotsorana an'io naman'izy ireo io.
Nodoran'izy ireo ny tranon'ny lehiben'ny distrika, nisy trano hafa may sy simba ihany koa.
Besaboa aman-jatony maro no mivory eto Port-Bergé miandry ny famotsorana io naman'izy ireo notazomina am-ponja any Mampikony io.
Tolagnaro: Trano telo lefon’ny afo
Teo Tanambao, akaikin’ny EPP no nitranga ny loza, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 20 jona 2018. Tsy nisy aina nafoy fa ny fahasimban-javatra no betsaka, nalaky voafehy ny afo mba tsy niitatra.
Faritra atsimo: Ho foanana ny Kere, ampidirina ny rano, asiana barazy ny Reniranon'i Mandrare
Fantatry ny rehetra fa ny faritra atsimon'ny Nosy, Androy, Amboasary atsimo, Ambovombe, Antanimora, Bekily, Beraketa, Bekitro, Jafaro, Beloha, Tsihombe, hatrany Faux Cap dia kere sy tsy misy rano madio fisotro sy ambolena avokoa. Manjaka ny dahalo, tsy misy ny fandriam-pahalemana, ratsy ny làlana.
Ny rano anefa dia betsaka tokoa amin'iny faritra iny, fa tsy voafehy, ka mivarina andranomasina avokoa. Porofon'izany ny habehan'ny renirano toy an'i Mandrare, izay mivelatra nefa mora ritra.
Ny harena ankibon'ny tany dia feno, nefa manjaka tokana ny vahiny sy ireo mpandroba malagasy miray tsikombakomba aminy.