Filtrer les éléments par date : mardi, 19 juin 2018

Ny ekipan’i Senegal no nibata fandresena voalohany tamin’ireo solontena dimin’i Afrika (Egypte, Maroc, Tunisie, Nigéria, Sénégal) mandray anjara amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra atao any Rosia ity. Nandresy an’isa 2 noho 1 nanoloana an’i Pologne androany i Sénégal, tamin’ny lalao voalohany natrehiny.

 

 

Publié dans Mondial 2018

41 taona, ilay mpanazatran’ny ekipam-pirenena Senegaley, Aliou Cissé no zandriolona indrindra amin’izy 32 lahy mpanazatran’ireo ekipa mifaninana amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra, andiany faha-21 tanterahina any Rosia ity.

I Óscar Tabárez izay mpanazatran’i Uruguay kosa no zokiolona indrindra amin’ity andiany ity, 70 taona ny lehilahy.

Publié dans Mondial 2018

Fandresena indroa nisesy, 5 noho 0 nanoloana an’i Arabia Saodita sy 3 noho 1 nanoloana an’i Ejipta, no vokatra azon’i Rosia tamin’ny lalao roa natrehiny. Ampy hiakarany amin’ny dingan’ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra io.

Fiadian-toerana laharana voalohany ao amin’ny vondrona A misy azy sisa ny lalao fahatelo hatrehiny izay hifandonany amin’i Uruguay.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Mondial 2018

Lalao roa, faharesena roa. Izay no vokatra azon’i Ejipta ao amin’ny vondrona A misy azy amin’izao Mondial izao. Resin’i Rosia mpampiantrano tamin’ny isa 3 noho 1 izy ireo androany.

Tsy hanova na inona na inona ny lalao fahatelo hifanandrinan’i Ejipta amin’i Arabia Saodita. I Ejipta izany no ekipa voalohany hangoron’entana amin’ity Mondial ity. Rava teo ny nofinofin’i Mohamed Salah, mpilalao nandrandrain’ny Ejipsiana tokoa. Namono “penalty” izy androany tamin’ny fihaonany tamin’i Rosia, izay baolina tokana azon’i Ejipta.

 

Publié dans Mondial 2018

Noporofoin’i Japoney fa tsy tonga hitsangatsangana izy ireo amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra tanterahina any Rosia ity, fa hitady fandresena ; ary dia vitan’izy ireo izany tamin’ny lalao voalohany natrehiny androany, ka nandreseny 2 noho 1 an’i Colombie, ao amin’ny vondrona H.

 

 

Publié dans Mondial 2018

L’Ambassadeur de Grande-Bretagne, Philip David Boyle, et la Représentante Spéciale de la Présidente de la Commission de l’Union Africaine, Hawa Ahmed Youssouf, ont successivement rendu une visite de courtoisie auprès du Premier ministre Christian Ntsay ce mardi 19 juin 2018.

Selon Philip David Boyle, sa première rencontre avec le Premier ministre lui a permis de comprendre la vision du Chef du Gouvernement, et plus précisément ses objectifs concernant l’organisation des élections et la lutte contre la corruption. Aussi, l’Ambassadeur a-t-il saisi l’occasion pour expliquer le rôle de la Grande Bretagne au niveau de la coopération bilatérale qui existe entre les deux pays.

Publié dans Politique

La rencontre entre le premier ministre de consensus Christian Ntsay et l’ancien président de la République et président national du parti Tiako i Madagasikara a bel et bien eu lieu.

Le premier ministre l'a déclaré en conseil du gouvernement qui s’est tenu ce mardi matin 19 juin 2018, à Mahazoarivo.

Une source digne de foi indique que la rencontre a eu lieu à Faravohitra, chez Marc Ravalomanana et en présence de Violet Kakyomya, Coordonnateur Résident du Système des Nations Unies et Représentant Résident du PNUD, le vendredi 15 juin 2018 après le culte d'action de grâce au temple Anatirova Manjakamiadana, pas le lundi 18 juin 2018 comme on a fait savoir à la presse.

Ni l’objet de la rencontre ni l’accord, s’il y en a, sont tenus au secret.

 

Publié dans Fil info

Ny alatsinainy 18 jona tamin’ny folo ora latsaka fahefany alina no nitranga ny fanafihana teto amin’ny Resto Line Antaimby Sambava.

Raha ny fanazavan'ny tompontrano dia fanaony ny mandefa ny mpiasa mody mialoha rehefa tapitra ny ora voafaritra hiasana ka matetika ireo mpanjifa farany izay mbola misakafo na misotro farany dia izy mivady sisa no mikarakara izany.

Omaly io ary dia olona telo lahy no sisa mbola nisotro ka efa nakatona kely moa ny varavarana ka tao anatin’izany no noharaoritin’ireto nikapoka tamin’ny hazo efa tsara omana nohentin’izy ireo, ary ny iray kosa avy hatrany nitsofoka tany amin’ny efitra fatorian’ny tompontrano ka namaky ny fitoeram-bola.

Publié dans Vaovao

Minisitra mpifandrafy ara-politika dia ny minisitry ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ireo Andrim-panjakana Andriamandavy VII Riana (HVM) sy ny Minisitry ny Asam-panjakana, ny Fanavaozana ny Fitantanan-draharahampanjakana, ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Lalàna Sôsialy Ramaholimasy Houlder (MAPAR) no lasa mpitondratenin’ny governemanta.

Hisian’ny mangaraharaha amin’ny fampitam-baovao sa fampiombonana ny fianakaviana politika talohan'ny 2013 ve no antony, hoy ny mpanara-baovao.

 

Publié dans Tselatra

Sakoroka teto an-drenivohitry ny faritra Menabe androany talata 19 jona. Tratra tao an-tokontan’ity rangahy iray ao Ampasy ny dian’ireo dahalo sivy lahy nanafika tao Betania ny alin’ny alatsinainy 18 jona 2018.

Nosamborin’ny fokonolona, ary nentin’izy ireo eny Betania aloha ilay rangahy mialoha ny hanoloran’izy ireo azy ny Zandary rahapitso alarobia.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2