Filtrer les éléments par date : lundi, 18 juin 2018

Vita sonia teto Toamasina ny zoma 15 jona teo ny sonia fanomezam-bola fito miliara Ariary ny ivon-toerana CTCP (Centre de Transformation et de Conservation des Produits) ao Analamalotra Toamasina Surburbain. Avy amin’ny Tahiry Eoropeana ho an’ny Fampandrosoana andiany faha-9 sy faha-10 ny famatsiam-bola.

Maro ny vokatra vokarin’ny CTCP Analamalotra toy ny poavra mena (baie rose) izay mahavita 15 taonina isam-bolana amin’ny fotoana fahavokarany, eo koa ny sakay sy ireo antsoina hoe : “pate de fruits” izay amidy hatrany ivelany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Economie

Tsy hisy hody maina tanam-polo ireo mpilalao mandray anjara amin’ity fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra tanterahina any Rosia ny 14 jona ka hatramin’ny 15 jolay 2018 ity, fa hotoloran’ny Federasiona iraisam-pirenena amin’ny baolina kitra (FIFA) vola avokoa.

Ankoatra izay fampanantenana ataon’ny firenena fiavian’ireo ekipa miisa 32 mandray anjara, dia hahazo 128 934 000 000 Ariary (38 000 000 dolara) avy amin’ny FIFA ny ekipa tafavoaka mpandresy ka handrombaka ny amboara amin’ny 15 jolay 2018. Hahazo 95 004 000 000 Ariary (28 000 000 dolara) kosa ny ekipa resy amin’ny famaranana.

Publié dans Mondial 2018

Miantraika amin'ny vidin-javatra ilain'ny mponina andavan'andro ny fahasimban'ny tetezana ao Antaratasy RN5, nihotsaka tsy nahazaka ny vesatry ny kamiao nandalo teo aminy.

Fiara latsaky ny 2 taonina no hany zakan'ny tetezana. Vokany dia tafakatra 6 000 Ariary ny vidin'ny lasantsy amin'ny varomaizina, 5 000 Ariary ny gazoala.

 

Publié dans Tselatra
Page 2 sur 2