Filtrer les éléments par date : mercredi, 13 juin 2018

Maizina ny tanàna eto Sambava nanomboka androany. Notapahan’ny orinasa mpamokatra herinaratra ho an’ny JIRAMA ny famatsiana. Trosa miavosa aman-jatony miliara, tsy voaloan’ny JIRAMA no anton’io fanapahan-kevitra io.

Raha ny loharanom-baovao dia vola roa miliara, ampahan-trosa tokony haloan’ny JIRAMA, no nangatahan’ny mpampanofa ireo milina mpamokatra herinaratra, hoefaina. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia misedra olana ara-bola ny JIRAMA ka tsy manana fahafahana handoa io vola io raha tsy any amin’ny volana aogositra 2018 any.

Publié dans Sociale
mercredi, 13 juin 2018 18:19

Ministera Serasera: Fifamindram-pahefana

Saika notanterahina androany avokoa ireo fifamindram-pahefana teo anivon’ny ministera samihafa, anisan’izany moa ny teo amin’ny ministeran’ny serasera ary ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, izay teo anatrehan’Andriamatoa Harry Laurent RAHAJASON sy Rina ANDRIAMANDAVY VII.

Tanteraka ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta, saingy nisy tamin’ireo mpanao gazety marobe no nitsipaka amin’ny fahatongavan’ity ministra vaovao ity, izay notarihin’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Andriamatoa Gerard RAKOTONIRINA.

Publié dans Tselatra

Androany alarobia tolakandro tamin’ny 4ora, no nisehoan’ny fanafihana tao Ankatrakatraka, 20km miala an'i Bekopaka (Antsalova) amin’ny fizarantany mampisaraka amin’Andimaka. Fiara telo mitondra vazaha mpizahatany no notafihin’ny dahalo.

Ratsy ny lalana amin’io faritra io, ka mandeha mora ny fiara. Eo no manararaotra ireo dahalo, nivoaka tampoka avy any anaty kirihitra, manakana sady manambana basy ny mpamily ; ny hafa mandroba ny entana sy fananan’ireo mpizahatany.

Tsy nisy aina nafoy fa fitaintainana no betsaka. Eo ampanarahan-dia ireo olon-dratsy ny Zandary amin’izao fotoana izao.

Marihina fa vao telo andro lasa izay no nisy fiara dimy hafa nitondra mpizahatany ihany koa voaroba tao Ambalasatra.

 

Publié dans Tselatra

Le drame a eu lieu ce matin à Ambovomavo. Le jeune garçon s’est adressé à son père de rendre son argent, 3000 Ar ; le père lui a repondu qu’il n’est pas encore en mesure de le rendre. Emporté par la colère, le fils a pris une hache et a frappé son père sur le front.

Le coup lui a été fatal. Le père est mort sur le coup.

(Voir Suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info

Ils ont été appuyés par d’autres syndicats, brandissant des banderoles.

 

 

Publié dans Fil info

Mitohy ny tolon’ny mpanabe eto Antsiranana ary hihamafy hatrany izany raha ny nambaran’izy ireo tamin’ny fivoriambe androany maraina. Tsy ekena hoy izy ireo ny idiran'Atoa Horace Gatien amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Tsy mijanona raha tsy tanteraka ny fitakiana, hoy izy ireo.

Miala i Hery Rajaonarimampianina hoy ireo mpanabe fa izy no fototry ny olana eto Madagasikara. Mitohy isa-maraina eny amin’ny biraom-paritry ny fanabeazam-pirenena DIANA ny fivoriam-ben’ny mpanabe, handrindrana ny fitakiana ataon’izy ireo.

 

 

Publié dans Tselatra

Ny fomba amam-panao, tsy foanana satria izay fahasamihafana izay dia harena ho antsika, fa famaritana andraikitra administratif ihany ny fitsinjarana ho Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo.

Mandany vola sy manavesatra andraikitra fotsiny ny Distrika, Région, Province.

Avy dia omena ny Fokontany ny andraikitra feno ampandrosoana ny faritra misy azy.
Ny tetibola na budget, avy dia atao mivantana any, amin'ny alalan'ilay carte életronique, vao misy mividy entana dia avy hatrany dia mandeha mivantana amin'ny compte:

Publié dans Editorial

Resabe amin’ny tambazotra sosialy Facebook ny fisiana famohana fanaka amin’ny andro hariva, ny talata 12 jona 2018, tao amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ara-teknika ary ny Fampiofanana arak’asa etsy amin’ny Complexe Scolaire Ampefiloha.

Raha ny hita ao amin’ny pejy fesiboky syndicat mpiasa meetfp dia navoaka « antsokosoko » tao amin’ny « Bâtiment H 2ème étage » ireo entana ireo, ary avy ao amin’ny « biraon’ny minisitra ».

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Savorovoro ao amin’ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra ary ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra Antaninarenina ao anatin’ny fotoana voatondro hanaovana ny fifamindram-pahefana amin’ny minisitra teo aloha Rakotomamonjy André Neypatraiky sy ny minisitra vaovao Maharante Jean de Dieu.

Manohitra ny handraisan’ity farany io andraikitra io ny ankamaroan’ny mpiasa. Niditra an-tsehatra ny mpitandro ny filaminana.

 

 

Publié dans Tselatra

“Ndao mba hiaraka aminay, hiaraka hanala an’i Bebe”, io no hirahiran’ireo mpandraharahan’ny hetra eto Antsirabe nandritra ny diabe nataon’izy ireo, ny marainan’ity alarobia 13 jona 2018 ity.

Mbola fanamafisana ny fitakiana sendikaly ataon’ny mpiasa no atao raha ny fanazavan’ny solontenan’ireo mpiasa, Rakotomahefa Tantelinirina. Nambarany fa tsy miditra politika izy ireo nefa kosa ny famerenana ny asan’izy ireo nomena ny orinasa tsy miankina AMETIS no antony.

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2