Filtrer les éléments par date : mardi, 12 juin 2018

Raha ny nambaran'ireo mpanolotsainan'ny Tanàna, izay maro an'isa, dia efa nisy hatrany ny fanairana ataon'izy ireo fa manao anjolofo ny Ben'ny Tanàna sy ny mpiara-dia aminy, noho ny fahatokisany ny fitondram-panjakana ho miaro azy.

Raha ny fantatra dia nisy fivoriana tsy ara-potoana tokony hanomboka ny androany 12 jona, ka hanampahana lahadinika maromaro, toy ny fifidianana fanoloana ny toeran'ireo mpikambana eo anivon'ny Biraon’ny mpanolotsainan'ny Tanàna, izay nametram-pialana ara-dalàna, fandinihina ny fitsipika anatin'ny mpanolotsaina, fividianana fiara "Pompier" ho an'ny Tanànan'Antsirabe, ary fandinihina ny teti-bola nasiam-panitsiana izay mahakasika ny fandraisana ireo Polisy monisipaly vaovao, polisin'ny tsena sy ny FDL.

Publié dans Vaovao

Nofaritan’ny praiminisitra Ntsay Christian manokana androany ny hoe: inona moa izany ankizy tsy ampy taona ampiasaina eo amin’ny seha-pihariana lavanila izany ? Aoka tsy hodian-tsy fantatra fa misy fifandraisana ny fanajana ny zo eo amin’ny lafiny toe-karena io hoy izy.

Ny firenena manafatra lavanila aty Madagasikara dia tsy hanaiky intsony raha toa ka mbola mahita izany fampiasana ankizy tsy ampy taona eo amin’ity seha-pihariana ity, ka mety hisy fiantraikany amin’ny fifandraisana amin’ireo mpiara-mihombon’antoka amintsika amin’ny lafiny vola izany, hoy hatrany ny praiminisitra Ntsay Christian.

Publié dans Sociale
mardi, 12 juin 2018 15:02

Governemanta tota no navadibadika

Namana daholo isika no ao, fa hialako tsiny, fa governemanta hitady seza, hitady vola, hitady fahefana ho an'ny tombotsoany manokana, ho an'ny tombotsoan'ny antokony sy ny Kandida tohanany, mpamadika ny Tolona nilokalokana.

Publié dans A la Une

Betsaka ny resaka na lalàna efa natao amin'ny fitsinjaram-pahefana tena izy, fa dia samy namikitra nitazona ny fahefana ho an'ny vondrona antokon'olom-bitsy hatrany. 

Novesarana rafitra poakaty tsy misy fahefana, tsy misy vola.

Ialana ny rafitra fanjanahantany ka dia ho tsinjaraina Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo i Madagasikara.

Tsy misy ny misaratsaraka, samy mahazo ranomasina andrefana, atsinanana. Atao eo anivon'ny Fokontany ny fampandrosoana rehetra, ka dia omena azy ny andraikitra rehetra sy ny tetibola.

Rehefa ampiasaina ilay Karatra mavo ho an'ny mpanjifa ary Karatra maitso ho an'ny mpivarotra sy mpandraharaha (Carte électronique) dia azo eo noho eo ny hetra, voafehy ny kolikoly, hihena ny tsy fandriam-pahalemana, ka hiakatra avo 5 heny avy hatrany ilay tetibolam-panjakana 5 000 miliara Ariary ankehitriny, ho lasa 25 000 miliara Ariary izany ka ny:

Publié dans Editorial
mardi, 12 juin 2018 13:45

No comment

No comment

 

 

Publié dans Fil info

Raindahiny amin'ny fanendahana, vono olona ary vaky trano, nokarohina efa ela ary nampiaiky ny mponin'i Tsararano Ambony, Tsararano Nosikely, Ambalavola ary Fiofio izy sy ny ekipany.

Saron'ny polisy avy ao amin'ny Boriborintany faha-2 eto Mahajanga ny 9 jona teo izy efa-dahy ireo ny niaraka tamin'ny entana nangalariny sy ny vehivavy iray nampiantrano azy ireo teny amin'ny Cambil Port.

Publié dans Vaovao

Tovolahy miisa 7 no voasambotra voarohirohy ho tompon'antoka tamin'ny raharaha fanakan-dalana teny amin'ny PK 36, RN4, teny Besely ao anatin'ny Kaominina Ambalakida, ny alin'ny 5 jona lasa teo, tokony ho tamin'ny 8ora alina.

Nirefotra ny basy tamin'io fotoana io. Soa fa tsy nisy ny naratra fa fiara 4x4 iray lasibatra no nisy fahasimbana.
Famaky sy lefona, antsy maranitra, basy poleta 1 sy basy vita gasy 2 no nampiasain'ireo dahalo nandritra ny asa ratsy nataony. 12 lahy no tena tompon'antoka tamin'ny asa ratsy fa mbola izy 7 lahy ireto no izao sarona izao.

Hatolotra ny Fampanoavana ireto tanora zazalahy ireto aorian'ny famotorana atao azy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Manao dingana lehibe i Kim Jong-un sy Donald Trump. Arahina fifanaovan-tsonia fifanarahana ny fihaonana mivantana sy manan-tantara eo amin'ireo filoha roalahy, Korea Avaratra sy Amerika, ireo any Singapour.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nigadona teto Sambava androany tamin’ny 8 ora maraina teo ny praiminisitra Ntsay Christian. Fitsidihana voalohany ataony ivelan’Antananarivo, taorian’ny nahaterahan’ny Governemanta vaovao ity.

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena amin’ny ady fampiasana zaza tsy ampy taona izao fitsidihana izao araka ny nambarany teo ampahatongavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ambodisatrana.

Mitarika adihevitra mikasika ny Ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona izay tanterahina ao amin’ny Resto Capricorne izy amin’izao fotoana izao.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Tselatra

Pour des élections transparentes, inclusives, et des résultats acceptés par tous


« Madagascar est à un tournant dans sa marche vers la démocratie. La classe politique malagasy a montré qu'elle a gagné en maturité, et que l'intérêt suprême de la Nation a primé sur toute autre considération ». Telle a été, en substance, les propos du Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, lors de la présentation du nouveau Gouvernement, conduit par le Premier Ministre Ntsay Christian, au Palais d’Etat d’Iavoloha, ce lundi 11 juin.

La nomination des 30 nouveaux membres du Gouvernement, après celle du Premier Ministre, Ntsay Christian, a démontré que le dialogue, par le Chef de l’Etat est la voie appropriée pour aplanir les divergences politiques. Dans une allocution à l’issue de la présentation, il a notamment déclaré qu’il s’agit de préserver la paix sociale, et, surtout, pour éviter que Madagascar ne sombre dans la crise.

Publié dans Politique
Page 1 sur 2