Filtrer les éléments par date : mardi, 08 mai 2018

Nanolotra ireo fiarakodia « Karenjy – Mazana II » ireo, tamin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana, ho an’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier.

Izao no natao, hoy ity farany, dia “ho fampandehanana misimisy kokoa ny asa sahanina eo anivon’ity departemanta ity. Ary nosafidiana ny “Karenjy” satria tafiditra ao anatin’ny politikan’ny Fitondrana ny fanjifana sy fampiroboroboana ny Vita Malagasy ».

Publié dans Economie

Fiara tsy mataho-dalana miisa telo no nitondrana azy ireo no sarona nandritra ny fisavana nataon’ny mpitandro ny filaminana teto Ihosy androany tolakandro.

Ny famotorana no hamantarana ny tompony, ny toerana nihavian’ireo rongony sy ny hitondrana azy ary ny amin’ireo fiara.

 

Publié dans Tselatra

Mpianatra avy ao amin'ny LTP sy CEG Razaka ary LRN ireto nanatevin-daharana ny Hetsiky ny fanovana ireto androany.

Mizarazara ny hevitry ny ray aman-dreny eto an-toerana manoloana ny tranga.

 

Publié dans Tselatra

Et cela aurait coûté 250.000 euros au Ministère de la Communication et des Relations avec les Institutions. Cette compétition planétaire se déroulera en Russie du 14 juin au 15 juillet 2018.

 

Publié dans Fil info

Manifestations publiques à caractère politique: Instruction du ministère de l'Intérieur et de la Décentralisation

Selon cette correspondance, toutes manifestations à caractère politique dans les salles et les lieux clôturés sont autorisées mais elles doivent faire l’objet d'une demande d'autorisation préalable auprès du représentant de l'Etat territorialement compétent.

 

Publié dans Fil info

Nangataka ireo mponina mba handraisan’ny Fanjakana fanapahan-kevitra maika ny hanomezana ny tany ho an’ny vahoaka.

Tany manana velarana 52ha no miteraka olana eto Andranoalanana. 7ha amin’io no voalaza fa lasan’ny mpanam-bola saingy tsy izay no miseho hoy ny mponina fa dia nofefeny tamboho ao avokoa ny tany manontolo.

Tonga taty an-toerana noho io olana io ny mpanolontsain’ny praiminisitra, Raholiniarivo Solonavalona Paolo Emilio, saingy manahy ny maro sao ho fampanginana politika no nahatongavany satria raha zohina ny tantara dia tsy misy sahy mikitika ity tany ity ireo solontenam-panjakana eto an-toerana fa ny misambotra sy mandefa olona any am-ponja no nisy hatramin'izay.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Ny alin'ny alatsinainy hifoha ity talata 8 mey ity no nisehoan’ny fanafiana ny Tobin-dry Masera Lasalety tao Ambano-Antsirabe II, izay toeram-piompiana sy fambolena izy io. Jiolahy niisa fito ary nitondra basy kilalao sy kibay no nanafika.

Nofatoran'ireo jiolahy ny mpiambina ary novakian'izy ireo ny varavaram-by nidirana tao an-trano. Noteren’ireo jiolahy hamoaka vola 20 tapitrisa ariary ry Masera. Noheverin’ireo jiolahy fa mitazona ny vola azo nandritra ny Kerimesin’ny Fiangonana ny faran’ny herinandro teo ireto masera ireto ka izany no tena notadiavin’izy ireo raha ny fanazavan’ireo Relijiozy.

Publié dans Vaovao

Nampiantso ny mpanao gazety io maraina io, tetsy Nanisana ireo mpikambana ao amin'ny Komity mahaleotena momba ny fifidianana, na ny CENI.

Napetrak'izy ireo tamin'izany fa tsy maintsy vahana alohan'ny faran'ity volana mey ity izay olana politika, mba ahafahana miroso ankahalalahana sy ampitoniana amin'ny fifidianana Filoham-pirenena.

Ka takiana ho faritana amin'izany:

- Ny Lalàm-pifidianana;
- Ny fametrahana fitoniana hiatrehana fifidianana;
- Ny tetiandro momba ny fifidianana.

Nisy soso-kevitra 3 azo isafidianana anefa naroson'izy ireo, izay samy manaja ny Lalampanorenana avokoa:

Publié dans Politique

Les membres de la Commission Electorale Nationale Indépendante ont tenu une conférence de presse, à Nanisana, ce matin 08 mai 2018, durant laquelle son président a proposé 3 scénarios pour sortir de cette crise pré-électorale:

Publié dans A la Une

Mpianany ihany, izay kilasy T4, ao amin'ny ZAP Antsahavaribe, CISCO Sambava, no niharan’ity fanararaotana ara-nofo ity.

Niaiky ny zavatra nataony ramose, saingy nangataka ny mba hanaovana raharaham-pihavanana ka hanolotra omby iray ho an’ny Ray aman-dren’ilay ankizivavy, fa tsy nety ireto farany fa nitondra ny raharaha tao amin’ny Ben’ny Tanàna Antahavaribe, ary ity indray nandefa azy teo anivon'ny mpitandro ny filaminana mifehy ny faritra misy azy, dia ny Zandarimaria Amboangibe.

Natolotra ny Fampanoavana Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha omaly alatsininy 07 mey 2018, taorian’izay no nivoahan’ny didy savaranonando itazomana azy am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2