Filtrer les éléments par date : lundi, 07 mai 2018

Mitohy ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Lisea Teknika Antsirabe. Nanomboka ny alakamisy lasa teo izany tamin’ny alalan’ny carnaval, ary nitohy tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena sy fifaninanana hantsaran-tarehy nataon’ireo mpianatra ary fampisehoana goavana niarahana tamin’ireo mpanankato kalaza.

Tanjona ny hamitana ilay efitranon-tsekoly 4 ho tsangambaton’ny Jobily.

 

Publié dans Tselatra

Haneho amin'ny alalan'ny sorabaventy ny tsy fankasitrahany ny fitsabahan'ny vahiny anjara amin'ny raharaha tokantranon'i Madagasikara ny antoko Otrik'afo.

Ny talata 8 mey misandratra andro no hanatanterahan'izy ireo eo Anosy, manoloana ny hôtely Carlton, toerana andraisan'ireo iraka vahiny hanao fanelanelanana hamahana ny krizy eto Madagasikara.

 

Publié dans Tselatra

Tsy hijanona fotsiny amin'ny maha mpanomana fifidianana azy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), fa hitondra tolokevitra teknika mety hanampy ireo.mpanapa-kevitra amin'ny famahana izao krizy izao.

Rahampitso talata 8 mey, mandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety hatao etsy Nanisana no hampahafantaran'ny CENI izany.

 

Publié dans Tselatra

Fito mianadahy izy ireo no noraisin'ny foibe FFKM androany. Tamin'ny tatitra nataony tetsy amin'ny Kianjan'ny 13 mey dia nilaza i Me Hanitra Razafimanantsoa, iray tamin'ireo solontena tonga teny Ambohimanoro fa tsy hifampiraharaha amin'ny mpamono olona, mpanao kolikoky, mpanosihosy ny Lalampanorenana izy ireo.

Tamin'ny 30 aprily ireo solombavambahoaka mpomba ny fitondrana no efa noraisin'ny FFKM teny Vohipiraisana. Nisy sivy mianadahy izy ireo tamin'izay. Nitohy izany androany.

 

Publié dans Tselatra

Hanamafisana hatrany ny firaisankinan'ny Mpitandro filaminana no antony hanaovana izao hetsika izao, izay natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

Hisy koa fotoam-bavaka hiarahan'izy ireo amin'ny zoma 11 mey izao eny amin'ny Chapelle Militaire Analakininina hopitaly be.

Amin'ny alatsinainy voalohan'ny volana jona ny hazakazaky ny firaisankina manaraka.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Mihamafy ary niroso tamin'ny famoahana mpiasa tany amin'ireo orinasa sy ny sampandraharaham-paritra isan-karazany izany ny maraina teo.

Ny orinasa Jirama no nanombohan'ireo mpitolona izany, taorian'ny ampamoaka nataon'ireo mpitantana ny sendika nasionaly sy ny rezionaly tamin'ny sabotsy teo nanoloana ny Lapan'ny tanàna nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana.

Orinasan-tserasera maromaro manohana ny fitondrana ankehitriny no voalaza fa tsy nahavoaloa vidin-jiro mandritra ny taona maromaro.

Niverina nody avokoa ireo olona saika hanefa vidin-jiro sy manan-draharaha ao amin'ity orinasa ity.

Nanamafy ireo sendika nitarika ny tolona fa miato avokoa ny asa rehetra manomboka androany.

Publié dans Vaovao

Nesorina omaly tolakandro tamin'ny efatra ora ny "plomb" nanamafisana ny hidin'ny vavahady miditra ny seranan-tsambo nanomboka ny alin'ny zoma 4 mey araka ny naoty navoakan'ny Reseveran'ny ladoany Toamasina.

Miverina toy ny isan'andro ny asa aman-draharaha eo anivon'ny ladoany sy ny seranan-tsambo amin'izao.

 

 

Publié dans Tselatra

Mitohy tamin'ity anio ity ny hetsik'ireo solombavambahoaka ho an'ny fanovana. Nitety ireo sampandraharaham-panjakana ireo depiote, maka mpiasa hanamafy ny tolona fitakiana ny fametraham-pialan'ny Filoha Rajaonarimampianina.

Nikatona avokoa noho izany ireo asam-panjakana sy ireo tranom-barotra lehibe.

Milamina avokoa ny fanaovana izany, ny mpitandro ny filaminana manara-maso ihany fa tsy misy manakana na misetrasetra.

(Jereo sary tohiny Galerie na Album)

 

Publié dans Tselatra
lundi, 07 mai 2018 13:55

Mahajanga: Mikatona ny Jirama

Nisy andian'olona maromaro nilanja sorabaventy naka ireo mpiasa tao, hanatevin-daharana ny tolona tarihin'ireo solombavambahoaka 73.

Efa nikatona ny birao, nody ireo olona tonga handoa faktiora sy ireo nanan-draharaha tao.

 

Publié dans Tselatra

Milanja soarabaventy izy ireo, milaza fa hanamafy ny tolona tarihin'ireo solombavambahoaka ho an'ny fiovana.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2