Filtrer les éléments par date : mercredi, 30 mai 2018

Hamory ireo filoha efatra efa nitondra an’i Madagasikara ny Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM), dia Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina. Raha tsy misy ny fiovan’ny fandaharam-potoana dia ny alakamisy 31 mey 2018 amin’ny 3ora tolakandro no hanatanterahana izany eny amin’ny Centre de Conferences International Ivato.

Hitohy ny zoma 1 jona 2018 ny fihaonana antampony. Nasaina handray anjara amin’izany ny FFKM, ireo herivelona politika rehetra, ny fianakaviambe iraisam-pirenena, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CFM Maka Alphonse.

Publié dans Tselatra

Nivoitra tamin’ireo sorabaventy niranty nandritra ny hetsika nataon’ireo mpampianatra manohana ny tolon’ny fanovana tarihin’ireo depiote 73 eo amin’ny kianjan’ny 13 mey izany androany.

Nankahery ny mpanabe rehetra hitolona hatramin’ny farany ireo mpitarika mba hitaky ny karama sahaza ary nankahery ny ray aman-dreniny amin’ny fanadinana rehetra ho avy fa misy ny famerenana ho an’ny mpianatra.

Hitohy amin’ny diabe ny hetsika ny zoma 1 jona sy ny sabotsy 2 jona 2018.

(Jereo sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

La 7ème édition du Salon du Tourisme « International Tourism Fair Madagascar » (ITM) se tiendra au Village Voara ex-Francophonie, Antananarivo du 31 mai au 03 juin 2018.

 

Publié dans Fil info

L’Article. 9 de la Loi n°2014-043 relative à la Haute Cour de Justice stipule que : « Tous les membres de la Haute Cour de Justice, du Ministère public, le greffier de ladite Haute Cour, avant d’entrer en fonction, prêtent serment devant la Cour Suprême en audience solennelle présidée par le Président de Chambre le plus ancien dans le grade le plus élevé, dans les termes suivants :

« Mianiana aho fa hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny andraikitro ka hitsara araka ny lalàna, ny rariny sy ny hitsiny, tsy hijery tavan’olona, hitana sy tsy hamboraka na oviana na oviana ny tsiambaratelon’ny diniky ny fitsarana, hitandro lalandava ny fahamarinana sy ny fahamendrehana takian’ny maha-Mpitsara ahy ao amin’ny Fitsarana Avo».

La prestation de serment est constatée par un procès-verbal.
Une fois le serment reçu, aucune démission n’est admise ».

 

Publié dans Fil info

Le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina a fait déposer, ce 30 mai 2018, une demande d’avis auprès de la Haute Cour Constitutionnelle.

Cette demande d’avis a été faite, d’une part, pour éviter toute fausse interprétation, et, d’autre part, pour s’assurer que l’exécution de la Décision n°18-HCC/D3, du 25 mai 2018, soit réalisée dans le respect des dispositions constitutionnelles en vigueur.

Les éclaircissements demandés à la HCC portent notamment sur la signification de certains « considérant », et de certains articles de ladite décision, ainsi que sur les bases constitutionnelles des actes et des mesures d’exécution que le Président de la République et les autres institutions sont censées prendre en vertu de la Décision n°18-HCC/D3, du 25 mai 2018.

 

 

Publié dans Fil info

Tsy nazahoana serasera manokana ny eo anivon'ny toby fitehirizana solika eo Ambalakely, ny fitantanana izany eto an-toerana.

Fa ireo mpaninjara sy mpitatitra io akora io no manamafy fa mitohy ny famatsiana solika na dia eo aza ny fitokonana tanterahan'ny fadintseranana.

Voakasik'izany avokoa na ny eto amin'ny Kaominina Fianarantsoa sy ny manodidina na any amin'ny faritra Vatovavy Fitovinany sy Atsimo Antsinanana.

 

 

Publié dans Tselatra

Notafihin’ny dahalo tao Ambohimiera, Ifanadiana androany tokony ho tamin'ny 8 ora maraina. Zandary iray no naratra voafira teo amin'ny lohany. Lasan'ireo dahalo ny basy teny aminy.

Vao tamin’ny 14 martsa 2018 no nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ity tanàna ity. Nodoran’ny dahalo ny tanàna tamin’izay. Fanamiana teny an-koditra sisa ny an’ny mponina.

Efa notafihin’ny dahalo koa tao tamin’ny 2015, izay nahafatesana Zandary iray sy nahaverezana basy iray.

Fanindroany amin’ity nitranga androany ity izany izao ny basin’ny Zandary lasan’ny dahalo.

 

 

Publié dans Tselatra

Nanomboka ny talata 29 mey no nikonokonona izany ireo mpampianatra sy mpandraharaha ary ny alarobia 30 mey dia nampiato tanteraka ny fampianarana izy ireo mandritra ny fotoana tsy voafetra.

Isan’ny fitakiana’izy ireo, ny ho mpiasam-panjakana raikitra ireo Vacataire sy ny E.C.D, izay nampanatenain’ny Minisitra nandritra ny fanokafana ny taom-pianarana teto Antsirabe, ka tafiditra amin’ilay 2.500 mpampianatra ho raisina, ny fanovana ny « Contractuel » ho « Nomination sur titre » satria ireo mpampianatra lazaina fa raisina dia manao contrat isaky ny 2 taona mandritra ny 6 taona ka mbola azo roahina ampidiran’ny lehibe ny fianakaviany, ny fanitsiana ny mari-karama sy ny sata manokan’ny mpampianatra teknika ho fampandrosoana an’i Madagasikara, ary ny tambin-karama isan-tsokajiny code 501 – 505 – 512 sy ny 570 izany.

Publié dans Tselatra

Mikatona ny birao, tsy mandray olona ny mpiasa na dia mipetrapetraka eo an-tokotany ihany aza ny sasany, ankoatra ireo tsy miakatra birao intsony.

Hatreto dia sahirana ireo mpandraharaha mikasa hikarakara taratasy ao an-toerana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Manjaka ny varomaizina manoloana ny tsy fisian’ny solika amin’ireo toby mpaninjara eto an-toerana noho ny fikorontanan’ny famatsiana ateraky ny fitokonan’ny ladoany ao Toamasina.

Tafakatra 8000 Ar amin’izao ny litatry ny lasantsy amin’izao, ary 7000 Ariary ny gazoala raha mahita.

 

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2