Filtrer les éléments par date : samedi, 26 mai 2018

Manaiky ny didim-pitsarana navoakan’ny HCC ireo Vondron’ny Parlemantera, depiote sy senatera, manohana ny fitondrana. 

Nitondra teny azy ireo ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Riana Andriamandavy VII, izay mangataka ny firotsahan'i Hery Rajaonarimampianina ho kandidà filoham-pirenena.

Publié dans Tselatra

Niverimberina teo amin’ny Kianja 13 Mey androany ny “Miala Rajao !”. Tsy mijanona ny tolona raha tsy tonga hatramin'ny farany ny fitakiantsika, hoy Me Razafimanantsoa Hanitra.

Nanamafy ihany koa ny Député Tinoka Roberto. Nampita hafatra ho an'ny HCC fa ny vahoaka no Patron ka tsy misy fifanarahana politika izany eo, fa aoka ametram-pialana ny Filoha, hoy hatrany izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 
Publié dans Tselatra

Ny maraina teo no fotoana voatondro fa hametrahana ny Ampanjaka vaovao, Rasamimanana sy ny Fahatelo izay hiara-hiasa aminy hitantana ny Doany eny Tsararano, saingy tsy tontosa izany. Rehefa hiditra tao amin'ny toerana tokony hisy azy tao amin'ny valamena dia tsy hita ny fanalahidy fa nogiazan'ny mpiara-dia amin'ny Ampanjaka Soamody izay nesorina tamin'ny toerana maha mpanjaka azy.

Publié dans Vaovao

Misy lanonam-pitokanana toeram-pitsaboana tsy miankina AVOTRALA ao amin’ny Fokontany Mandrosoarivo-Mampikony II. Ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier no nandrasana hitokana azy, tsy tonga izy fa ny vadiny no nalefany nisolotena azy.

 
Publié dans Tselatra

Le santabary, les prémices du riz, dans l’Alaotra a été célébré ce 25 mai à Ambodirano, dans le District d’Amparafaravola.

Dans l’Alaotra, un des greniers à riz du pays, la production rizicole 2017-2018 est estimée à 520.000 tonnes. C’est la meilleure récolte enregistrée ces quinze dernières années, à la grande joie des paysans, avec les impacts que cela suppose au niveau de leurs conditions de vie.

Publié dans Fil info

Niakatra ny morom-parihy andro atoandro ilay zana-boay ka nampisahotaka ny olona ny zoma 25 mey.

Nifanome tanana ny olona nanao izay hisamborana azy. Manahy ny olona sao misy reniny ao anatin’io farihin’Anosy io, ka hampidi-doza amin’ireo tsy manan-kialofana matoritory eny amin'ny manodidina.

Publié dans Tselatra
samedi, 26 mai 2018 10:15

26 mai

Journée nationale de dépistage du cancer de la peau.

 
Publié dans Fil info

Nivoitra nandritra ny fivoriambe nokarakarain'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-Pirenena izay niantsoana ireo mpampianatra, talen-tsekoly ary ray aman-drenin'ny mpianatra tao amin'io sekoly io ny zoma 25 mey 2018 fa dia hiverina hampianatra ireo mpampianatra ao amin'ny lisea Nanisana ny alatsinainy ho avy izao.

Nitady antoka ireo ray aman-drenin'ny mpianatra ny amin'ny hizoran'ny fampianarana ao anatin'ny filaminana, ka namaly ny Minisitera fa efa misy ny naoty noraisina mandrara ny fidiran'ny mpanao fihetsiketsehana ao anatin'ny faritry ny sekoly.

Nankasitraka izao finiavan'ny mpampianatra izao ireo ray aman-dreny izay efa nanahy ny hahataona fotsy ity taom-pianarana ity.

 
Publié dans Tselatra

Pour la présidente du Syndicat des Magistrats de Madagascar (SMM) et présidente de la Solidarité Syndicale de Madagascar (SSM), « La Haute Cour Constitutionnelle de Madagascar se met hors la loi. Jamais vu une décision aussi honteuse et crapuleuse ! »

 

 
Publié dans Fil info