Filtrer les éléments par date : lundi, 21 mai 2018

Nahita vitsika tsy fahita raha tsy ao Ambatovy ny mpikaroka ao an-toerana. Nomena anarana hoe : “Ambatovy” ireto karazam-bitsika vaovao ireto, ary nampidirina amin’ireo haivoary Malagasy tsy fahita eto ambonin’ny tany ihany koa.

Ankoatra izay dia hita ao Ambatovy ny 225 amin’ireo zava-maniry “orchidées” 1.000 karazany misy eto Madagasikara, ka ny 09 amin’izany dia karazany vaovao tsy fahita eran-tany ary eo am-panomezana anarana azy ireo ny teknisiana sy manampaizana Malagasy sy vahiny ankehitriny izay hivoaka tsy ho ela ny valiny.

Publié dans Sociale

Ny alahadin’ny Pantekosta 20 mey, tokony tamin’ny 07 ora maraina no nahitana tao amin’ny fokontany Mahasoa, Kaominina Ambokarivo, Distrikan’i Toamasina II, ity loza nampivarahontsana ny mponina ity.

Publié dans A la Une

Olona efatra no saika natelin'ny ranomasina teny Grand Pavois ny marainan'ity alatsinainin'ny pantekôty ity.

Nitaingina irony lakana mpikarama mitondra mpitsangatsangana manamorona ny ranomasina ireny izy ireo no nivadika tampoka ilay lakana. Soa ihany fa efa nihatrana teny ny Zandary mpanara-maso ny sisin-dranomasina niaraka tamin'ny vedety haingam-pandeha ka tsy nampanano sarotra ny famonjena azy ireo. Zaza 4 sy 12 taona ary olon-dehibe roa ireto nieren-doza ireto.

Publié dans Tselatra
lundi, 21 mai 2018 19:06

21 mai

Journée Mondiale de la diversité culturelle pour le dialogue et le développement.

 

Publié dans Fil info

Voatendrin'i Papa François, omaly alahadin'ny Pantekoty, ho Cardinal ny Arsevekan'ny Toamasina Désiré Tsarahazana, ka tsara hitondrana fanazavana fohy momba ny rafitra Katolika.

Ny Katolika na ny EKAR - Eglizy Katolika Apostolika Romanina - dia misy ireo Kristianina Laika vita batemy, misy ireo Relijiozy, frera, masera ary mopera.

Ny Fiangonana dia manana rafitra, ny Paroasy, na ilay Fiangonana hitatsika eny amin'ny fiaraha-monina isam-pokontany ireny.
Misy ny Diosezy, izay mifandraika mitovitovy amin'ny Région eto amin'ny Firenena, ary misy ny foibe any Vatican.
Ny Diosezy dia mety misy Distrika maromaro ao anatiny.

Publié dans Sociale

Omaly alahadin'i Patekoty 20 mai 2018, teo amin'ny PK26 miala an'Antananarivo hiazo an'Antsirabe, dia nisy kamiao maty tao anaty fiakarana sy fiholanana.

Tokony tany amin'ny 12ora latsaka, ny atoandro no nisy kamiao citerne mpitondra solika niakatra ary hioatra ity kamiao maty ity, no nisy sprinter taxi-brousse avy any Antsirabe, no nipoitra tampoka avy any ambony ka dia nifanehitra tamin'ilay kamiao citerne.

Niezaka niala ity sprinter, ka hany heriny dia nalefany taty amin'ny sisiny, ka dia nivarina tao anaty lakan-drano.

Publié dans Tselatra