Filtrer les éléments par date : jeudi, 05 avril 2018

Télécharger 3 Lois organiques élections

Publié dans Fil info

Tonga naneho ny tsy fankatoavany ny lalàna, izay nolaniana teny amin'ny Antenimieram-pirenena, ireo avy amin'ny antoko MAPAR, ny TIM, ny MMM, ary ireo tsy miankina, tetsy amin'ny HCC Ambohidahy, ary nitohy teny amin'ny BIANCO Ambohibao izany avy eo.

(Jereo Tohiny Sary)

Publié dans Politique

Une délégation de la SADC, dirigée par le Ministre des affaires extérieures de l’Angola, Manuel Domingos Augusto, a été reçue par le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, au Palais d’Etat d’Iavoloha, dans la matinée de ce 5 avril 2018. L’ambassadrice d’Afrique du Sud, Maud Dlomo, accompagnait également la délégation.

Publié dans Fil info

Manomboka androany 5 aprily eto Antsirabe ary haharitra hatramin'ny 7 aprily ny fankalazana ny Andron'ny rano, izay tokony ho natao tamin’ny 22 marsa. Fampiratiana sy famelabelaran-kevitra no nanamarihana izany, nanoloana ny lapan'ny tanànan'Antsirabe.

Isan'ireo faritra manankarena rano i Vakinankaratra, hoy Rakotonirina Raijavola, Talem-paritry ny Rano sy ny Angovo ary ny akoran'afo Vakinankaratra, kanefa dia mbola ambany ny tahan'ny fahazoana rano fisotro madio ho an'ny mponina satria raha 27% eo ho eo ny taha ambony indrindra eran'i Madagasikara dia vao 22% ny an'i Vakinankaratra manontolo, ka mbola ilàna ezaka goavana ny fanatanterahana izany sy ny fiarovana ireo tahirin-drano misy.

Publié dans Sociale

Ritra ny tahirin-dasantsy eto an-drenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro. Manjaka ny varomaizina. 6000 Ariary ny litatra androany maraina, niakatra ho 8000 Ariary izany nanomboka io hariva io. Vokatr’io dia niakatra ny sarandalana amin’ny fiarakaretsaka sy taxi-moto.

Mbola misy kosa tahiry gazoala, saingy mety tsy haharitra ela izany dia ho ritra raha tara vao misy famatsiana.

Mety ho sabotsy na any amin’ny fiandohan’ny herinandro any vao ho tonga ny famatsiana vaovao. Miainga amin’ny fiara avy any Toamasina, ary taterina amin’ny lamasinina avy eo Moramanga miazo an’Ambatondrazaka.

 

Publié dans Tselatra

Noho ny 2 aprily izay tena daty fanamarihana ny Andron’ny Zandarimariam-pirenena Malagasy nifanindry tamin’ny fetin’ny Paska dia nahemotra ho androany ny fanamarihana izany.

Taona fahadimy ho an’ny fanamarihana ity taona 2018 ity ho an'i Madagasikara, fankalazana nalaina tahaka tamin’ny zandarimaria frantsay izay manana ilay antsoina hoe : Sainte Geneviève.

Hetsika maro no nanamarihana izany raha ho an’ny farimpiadidian’ny Zandarmaria Mahajanga manokana.

Publié dans Tselatra

Andian-jazavavy maromaro no nandeha niditra tao anaty bar iray teny Tsaramandroso nisotrosotro, rehefa nanefa vola dia tsikaritry ny tompon’ny toeram-pisotroana fa vola sandoka no nomen’ izy ireo, iray alina Ariary miisa efatra.

Nampandre ny manam-pahefana avy hatrany ny olona lasibatra ary natao ny fikarohana.

Tratra tamin’izany ireo mpivady izay nanaparitaka ny vola ny alahadin’ny Paska ary mbola nahatratrarana vola iray alina Ariary maromaro tao an-tokotanin’izy ireo.

Publié dans Vaovao

Nisafidy ny asa fanadiovana ny Fiadidian'ny Zandarimariam-pirenena eto Fianarantsoa mba ho fanamarihana ity Andro nasionaly tokony natao ny 2 aprily ity. Teo amin'ny zaridaina antsoin'ny rehetra hoe : Magro Ampasambazaha no nanatontosana izany androany 5 aprily. Mitohy amin'ny fanomezan-drà izany rahampitso zoma.

Fantatra tamin'ny fihaonana teto fa nitombo ny isan'ny dahalo lavon'ny mpitandro filaminana sy ny Fokonolona ho tohin'ny fanenjehana azy ireo ny alahadin'ny Paka teo iny. Niampy dahalo 5 hafa izany. Miisa roa kosa ireo dahalo voasambotra sy mandalo famotorana amin'izao fotoana izao.

Publié dans Tselatra

Tonga teto anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) Ambohidahy Antanananarivo nametraka fitarainana sy taratasy mitantara ny fomba tsy ara-dalàna nandaniana ireo volavolan-dalàna fehizoro telo mikasika ny fifidianana ireo depiote.

 

Publié dans Tselatra

Le Madagasikara Firaisankina tient son congrès national ce jeudi à l'hôtel Panorama Andrainarivo à l'issue duquel son président national, Dr Jules Étienne fera sa déclaration de candidature à la présidentielle.

 

Publié dans Fil info
Page 1 sur 2