Filtrer les éléments par date : lundi, 30 avril 2018

“Manantitra ny fiarahabana ny mpiasa malagasy rehetra” ny Filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ary “mirary fety sambatra ho antsika”, amin’izao ankatoky ny 1 mey, fankalazana ny Fetin’ny Asa izao. “Ny soa iombonana no aoka hobanjinintsika hatrany”, hoy izy.

Nambarany fa “asondrotra 8% ny marikaraman’ny mpiasam-panjakana manomboka ny volana Mey izao”.

 

Publié dans Tselatra

“Fitondram-panjakana izay tarihiko dia mahafantatra, mihaino, mandinika ny hetahetanareo, ary manome vahaolana araka izay azo tanterahina. Miangavy aho ny hitandroana ny maha-Malagasy, ka hifampitondrantsika toy ny Ray aman-dreny sy zanaka : raha misy ny tsy mampitovy hevitra dia tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana sy fifanakalozan-kevitra no ahavitàna mamaha olana”; hoy ny Fanambarana nataon’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny alin’ny faha-30 aprily 2018.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 30 avril 2018 21:55

Fonctionnaire: Hausse de salaire 8%

Le Chef de l'Etat Hery Rajaonarimampianina annonce une hausse de salaire de 8% à partir du mois de mai 2018, une décision prise la veille du 1er mai, Fête du travail.

 

Publié dans Fil info

Tamin’alahelo tokoa no nandrenesanay ny raharaha fanondranana an-tsokosoko karazan-tsokatra arovana manokana maherin'ny 10.000 tany Toliara tamin'ny herinandro lasa teo, ary tsapanay fa mbola goavana ny ady atrehina amin’io sehatra io, anisan’izany ny fangalarana ireo sokatra izay efa nogiazana ary koa ny fahitana fa maro ireo sokatra no novonoina mba atao sakafo.

Na eo aza izany dia miarahaba ny fandraisan’andraikitra haingana sy mirindra nataon’ny governemanta izay nitarika tamin’ny famerenana ireo biby sy ny fisamborana olona telo ahiahiana ho tompon’antoka tamin’izany. Miarahaba manokana ny Sampandraharaham-paritry ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Ekolojia ary ny Ala ao Toliara (DREEF), ny Mpampanoa Lalàna amin’ny maha-solontenan'ny Minisiteran'ny Fitsarana any an-toerana azy sy ny BIANCO ao Toliara ary ireo manampahefana avy amin’ireo Fokontany any an-toerana noho ny fiaraha-miasa sy ny faharetan'izy ireo manokana tamin'ity raharaha ity.

Publié dans Sociale

Omaly alahady 29 avrily, tamin’ny valo ora alina, no nitrangan'ity asan-jiolahy ity, raha iny handeha hamonjy fodiana iny ity andriambavilanitra ity.

Tovolahy tanora miisa telo, izay nitsikomba tamin'ilay mpamily no nahavanon-doza teo Antaimby. Nanaovan’izy ireo sinto-mahery ny kitapo teny ambozonan'ilay ramatoa ka lasa ny vola 260.000Ar sy finday dia nitsoaka nirifatra tamin'ilay taxi Bajaj izy telo lahy.

Nitondra fitarainana teny anivon'ny mpitandro ny filaminana ilay vehivavy. Mandeha ny fikarohana.

 

Publié dans Vaovao

Nanao fanambarana nanoloana ny biraon'ny DREN SAVA izy ireo androany 30 aprily 2018, milaza fa manohana tsy misy fepetra ny hetsiky ny fanovana tarihin’ireo depiote miisa 73, mitaky ny fialan'Atoa Hery Rajaonarimampihanina tsy misy hatrak’andro, eo amin'ny toeran'ny Filoham-pirenena.

Nilaza ihany koa izy ireo fa tsy manaiky ny fanaovana andrana ny Faritra SAVA amin’ny fanovana ny rafi-pampianarana izay hokasain’ny ministera hotanterahina.

(Jereo sary tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nodomina fiara 4x4 Duster avy aoriana ny fiara nitondra ireo “Médecins inspecteurs” avy any Sofia handeha hamonjy fivorian’ny ministeran’ny fahasalamana ao Toliara, dia nivadibadika nivoaka ny lalana.

Namoy ny ainy tamin'izany ny "Médecin inspecteur" ao Boriziny, voatsindrin'ny fiara satria tafapitika tety ivelany, nieren-doza koa ny sisa.

Toerana tsy lavitra an'i Sakaraha no nitrangan'ny loza omaly alahady 29 avrily 2018.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 30 avril 2018 15:58

Lalam-pifidianana: Mangina ny HCC

Tsy mbola namaly na koa nanome ny heviny ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) mikasika ireo lalàna miisa dimy tonga eny aminy nanomboka ny 18 aprily 2018, dia ireo lalàna fehizoro miisa telo mifehy ny fifidianana, ny lalàna mikasika ny « Zone Economique Spéciale » ary ny fanitsiana ny andininy sasany mikasika ny fidiram-bolan’ny vondrombahoakam-paritra.

Tsy mbola namoaka didy mikasika ny fitoriana napetraky ny depiote Hanitriniaina Razafimanantsoa, Horace Ranorosoamalala sy depiote 42 hafa mikasika ireo lalàna telo ireo, ary ny fitoriana napetraky depiote Hanitra Razafimanantsoa mangataka ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ihany koa ny HCC.

 

Publié dans Tselatra

Miditra amin’ny andro faha-9 amin’ity anio ity ny hetsika tarihin’ny solombavambahoaka ho an’ny fiovana etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Nisy nanomboka ny maraina teo ny fitetezana ministera sy orinasam-panjakana namoaka ireo mpiasa maniry hanatevina ny hetsika eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey nefa voasakantsakana.

Ankoatra ny eto Antananarivo dia tanànan-dehibe maro no efa ahitana hetsika mifanjohy amin’ity etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, toy ny tao Antsirabe, Ambatondrazaka, Manakara, Fianarantsoa, Fandriana, Ambositra, Tolagnaro, Antsohihy raha tsy hitanisa afa-tsy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Horaisin’ny Foibe FFKM misesy eny Vohipiraisana Ambohijatovo Avaratra anio tolakandro ireo Solombavambahoaka ho an’ny fiovana, mitarika hetsika etsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy ireo Solombavambahoaka manohana ny fitondrana.

Ho fisantarana izany dia nisy omaly ny vavaka iraisam-pinoana notanterahina tao amin’ny katedraly Santa Laurent Ambohimanoro. Nandritra izany ny nanamafisan’ny filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina ny hafatra efa nataon’ny FFKM herinandro lasa izay ny hisian’ny fihavanana, hifanantonana sy fifampiresahana.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2