Filtrer les éléments par date : lundi, 23 avril 2018

Tontosa ny fara fananana an'i Arsevekan'ny Fianarantsoa nisotro ronono Philibert Randriambololona. Ao amin'ny Fasan'ny Misionera Ambatomena no nanitrihana ny nofo mangatsiakany mandram-piandry ny famindrana azy eny amin'ny Katedraly Ambozontany.

Tonga nanotrona izany fotoana fandevenana izany ny fianakaviamben'ny EKAR eto Madagasikara, ireo olompanjakana, ny mpiara-miasa taminy sy ny olontsotra fa indrindra ny solontenan'ny fianakaviany sy olona akaiky azy.

Nambaran'ny Arsevekan'i Fianarantsoa, Mgr Rabemahafaly Fulgence fa nilofo sy fantram-padala ny fiainam-pianakaviana izy. Maro ihany koa ny vokatry ny asa fitantanany toy ny fanintarana ny Diosezy.

Publié dans Sociale

Navy koa ny “allô allô” nitety tanàna eto Sambava nanomboka io hariva io niarahan’ny ekipa TGV-MAPAR eto Sambava mitaona vahoaka hitokona.

Ho fampahafantarana ny vahoaka amin'ny raharaham-pirenena izay efa leo ny didy jadona ataon’ny fitondrana no antony, hoy ny filoha iraisam-paritry ny TGV MAPAR mifehy an’i SAVA sy DIANA, injeniera Alphonse.

Tsy mbola nanondro andro izy ireo na izany aza fa fampiomanana fotsiny ihany.

 

Publié dans Tselatra

Le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, a présidé le Conseil des ministres en présence du Premier Ministre Solonandrasana Mahafaly Olivier et de vingt-six membres du gouvernement, quatre ministres étant actuellement en mission à l’étranger.

Il a appelé tous les responsables « à ne pas céder à la panique, mais à rester vigilant, et de poursuivre les actions de développement tout en expliquant aux compatriotes l’importance de la stabilité et des enjeux pour que se tiennent des élections libres et transparentes à la fin de l’année ».

 

Publié dans Fil info
lundi, 23 avril 2018 17:12

Mairie Antananarivo

Drapeau national en berne

 

 

Publié dans Fil info
lundi, 23 avril 2018 17:06

Toamasina: Ces « gros bras »

Toamasina: Ces « gros bras » prêt à tout en cas de présence de l’opposition pendant le passage de Hery Rajaonarimampianina.

(Voir suite Galerie Photo)

 

Publié dans Fil info

Amin'izao fotoana izao dia efa mitandahatra mitsapa alahelo amin'ireo mana-manjo ny vahoaka tonga eto amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, izay notarihin'ny ben'ny tanana an'Antananarivo Ramatoa Lalalo RAVALOMANANA ary ireo solom-bavambahoaka maro, nisy araka izany ny fanomezana fao-dranomaso izay notanterahina na tamin'ny alalan'ireo solom-bavambahoaka izany na ny vahoaka malagasy izay tonga tety an-toerana.

Nisy ny fanompoam-pivavahana natao nialohan'izany.

Marihina fa dia tonga nanao ny asany teny an-toerana ny mpanao gazetin'ny Televiziona Malagasy na ny TVM izany.

(Jereo Tohiny Sary sy Album Photo)

Publié dans Vaovao

Toarian’ny lanonana fohy nametrahana ny vatofehizoron’ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina dia nandray helikôptera, izay efa niandry azy tato amin’ny seranana, ny filohan’ny Repoblika niazo avy hatrany an’Antananarivo, fa "mbola hitarika fivoriana maika", raha ny loharanom-baovao.

Fiaramanidina no nitondra azy teto Ambalamanasy tamin’ny 10ora maraina nahatongavany. Nisy ny kabary fohy nataony nanoloana ireo mpikambana HVM vitsivitsy, sy avy amin’ny fikambanana Antandroy sy FIMAMI ary mpiasan’ny Faritra Atsinanana nitsena azy.

Publié dans Politique
lundi, 23 avril 2018 14:24

Fivondronam-ben'ny Eveka

Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena, araka ny fanambarana navoakany teto Antsirabe omaly.

 

Publié dans Tselatra
lundi, 23 avril 2018 14:14

Place du 13 Mai

Place du 13 Mai

(Voir suie Galerie)

 

Publié dans Fil info

Mpianatra miisa enina avy amin’ny oniversiten’i Mahajanga nahazo vatsim-pianarana ho any Allemagne. Handrato fianarana mandritra ny 5 volana any amin’ny oniversite any an-toerana izy enina mianadahy ireto, mpianatra manaraka fiofanana ao amin’ny sampam-pianarana FSTE na ny Faculté des Sciences, des Technologies et de l’Environnement, dingana “Master”.

Sivana no nahavoasafidy azy ireto hisitraka izao vatsim-pianarana izao, avy amin’ny fandaharan’asa, Erasmus Plus vatsian’ny Vondrona Eoropeana.

Tamin’ny taon-dasa no efa nanasonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’io oniversite any ivelany io ny oniversiten’i Mahajanga ary izy enina mianadahy ireto no vokatra voalohany.

Tsy ny firenena alemana ihany no miara-miasa amin’izy ireo fa firenena maro samihafa toy ny Japoney, izay hisy mpianatra avy amin’ny IOSTM handrato fahaizana any an-toerana ihany koa.

 

 

Publié dans Vaovao
Page 1 sur 3